Teny nampidirina farany

Zanahina
[admin]
: (zanaka) mt, ih. (zanaho): Atsangana ho zanaka: Nozanahin-dRakoto mivady Isambilo kely. • Ampiterahina, asiana zanany, hanaina: Hampisamboriko roa ariuo ianao fa hozanahinao anefa ny volako. Ahitsio
Zanahary
[admin]
: a.: Teny enti-milaza an' Andriamanitra, NatLahary. (Marihina fa ny Z sy N dia renisoratra azo am fanoloina indraindray, t ka ny hita, ohatra, aminj hoe: Zaotra sy Naotr Ahitsio
Zanabolana
[admin]
: a.: Antontan-javatra goavana alefan'ny olombelona eny amin'ny habakabaka, nefa tsy mihoatra ny faritra ahazoan'ny tany misintona azy, ka manjary toy ny volana kely manodidina ny tany ary ampiasain'ny olo-mahay amin'ny fikarohana ara-tsiansa. Ahitsio
Zambazamba
[admin]
: p.t:: Be dia be, ilazana isa mihoatra izay azo saintsainina. * F.-p.: Tsy hita zambazamba: 1) tsy hita isa; 2) tsy azo oharina, tsy manam-paharoa. Ahitsio
Zama
[admin]
: a.: Ahitra eny anaty rano. * F.-p.: Asa rama: asa be ahitra anaty rano. Ahitsio
Zama
[admin]
: (Tsm) a.: Anadahin-dreny. Ahitsio
Zalahy
[admin]
: s.a.: Teny ilazan'ny tovolahy ny tovolahy tahaka azy, ka fomba roa no ampiasany azy: 1) enti-miantso: Andeho hiasa, ry zalahy a! 2) ilazana ny hala, ka ambara amin'izany fa tsy ao anatiny ny tena: Ry zalahy no nanao an'io koah! / Lazain-dry zalahy fa... Ahitsio
Zakaina
[admin]
: (zaka) mt. ih. (zakao): Leferina: Zakao ny zava-tsarotra fa hisy ualiny ihany izany. 1 Entina, fehezina, didiana: Niala ilay mpampianatra fa tsy hainy zakaina, hono, ireo mpianatra maditra ireo. •Karakaraina, iantohana: Nozakain'ny fokonolona daholo ny sekoly tao amin'ny fokontany. Ahitsio
Zaka
[admin]
: a.: Teny, resaka, tafa. i tif: Mizaka, fizaka, mpizaka 1 izakàna, fizakàna. Ahitsio
Zaka
[admin]
: a: Dity, fitondràna: Fikasana an'olombelona fa ny zaka an-Janahary. 1 mt th. ft.: Azo entina fa tsy mavesatra amin'ny tena: Zakako io vota io. (t Lefitra: Tsy zakako intsony ny ataony ahy. ~ Tanty: Tsy zakany, hono, ny fahoriany fa mafy loatra. ~ Aritra: Zakanao ve izany hafanana 36° izany? ~ Hay alamina, karakaraina: Mbola kely izy ka tsy zakany ny fananany. - t.i.f.: Zakaina, voazaka I manjaka, fanjaka, mpanjaka ; anjakàna, fanjakàna ; mizaka, fizaka, mpizaka ; izakàna, fizakàna 1 mahazaka 1 ahazakàna, fahazakàna 1 zakazaka. - F.-p.: Mahery zaka: sarotra entina, sarotra fehezina. / Mihory zaka: manao araka ny faniriany, manaran-tsitrapo. / Olon-jako: olom-pehezina. * Ohab,: Ny fahoriana mahazaka maniraka: enti-milaza fa rehefa sendra fahoriana ny tena, mitotototo atsy, mitotototo ary, mitady izay hivelomana. Ahitsio
Zaitra
[admin]
: a.: Fampikambanana lamba amin'ny kofehy mba hahatonga azy ho akanjo: Tsy mbola mahay zaitra i Bozy kely. ~ Fomba nanjairana: Tzara zaitra it? akanjonao it? izany! i Zairina, voazaitra, zinaitra 1 manjaitra, fanjaitra, mpanjaitra 1 anjairana, fanjairana 1 mizaitra, fizaitra I izairana, fizairana 1 mahazaitra 1 zaijaitra. Ahitsio
Zairina
[admin]
: (zaitra) mt. ih. (zairo): Gamba) Akambana amin' ny kofehy mba ho tonga akanjo: Nozairin'i Neny ny akanjoko. 1 Avftrana, atohy: Nozairin'i Dada ny fihauananay. Ahitsio
Zaingizaingy
[admin]
: na Jaingijaingy ft.: Fandehanana irery. 1 tif: MizaingizaingY, fizaingizaingy. Ahitsio
Zaigrafy
[admin]
: (fr, des agrafes) a,: Vy kely (misy lahy sy vavy) mifampitsofoka, izay ampiasaina ho toy ny bokotra hitanana ny akanjo tsy hisokatra. Ahitsio
Zay
[admin]
: Fanafohezana nY hoe "Izay" (jar. io teny io). ? Teny kely entina mankatü izay lazaina: Moa tsy izany va, ry ambaniianitra? — Zay! Zay (Br) a.: Zandry. Ahitsio
Zaho
[admin]
: s.o.: Jer. Izaho. Ahitsio
Zahatra
[admin]
: a.: Vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatro ny mpianatra ka horakoraka moa izao! * Ohab.: Mampitaha lakana amin-jahatra: mampitovy zavatra roa tsy mitovy lanja na vidy veljvely. Ahitsio
Zahana
[admin]
: ft.: Tsy fikotrehana. - t.i.f.: Manjahana,manjahatra 1 ampanjahanina. Ahitsio
Zahana
[admin]
: a.: Karazan-kazo tena mafy fanaovana taho na zaran-javatra (Phyllarthron Bojerianum). Ahitsio
Zahàna
[admin]
: na Zahavana (zaha) mt. ih. (zahào, zahàvo): Jerena: Zahào kely izao mandondB-na izao. 1 Tsidihina, jerena toetra: Efa nozahanao ve ny fambolenareo any ambaniuohitra fa toa aisy hauandra, hono, tany tamin'ny herinandro lasa? ? Vangiana: Zahao izany rainao naratra izany. 1 Dinihina: Zahao ange ny tarehin'it? zaza its' e! ~ Tadiavina, karohina: Nozahany eran'ny lohasaha ilay ombiny very. 1 Tsapaina: Zahao izay heui-dRakoto momba on'io raharaha io. Ahitsio