Teny nampidirina farany

Zahamborizano
[admin]
: a.: Karazankazo fihinam-boa (Jambosa Eugenia). Ahitsio
Zahay
[admin]
: s.o.: Jer. Izahay. Ahitsio
Zaha
[admin]
: a,: Fijerena zavatra: Nataony tsara zaha ny tranoko. ~ Fanaovana izay hahitana, fitadiavana. ? Fandinihana. 1 Fitsapana. i t,if.: Zahana, zahavana, voazaha, zinaha I mizaha, fizaha, mpizaha 1 izahana, fizahana / mahazaha I zahazaha. Ahitsio
Zafindraony
[admin]
: a.: Karazan-javatra tompon-tany nampifangaroina tamin'ny karazana vahiny ka nahatonga karazana hafa eo anelanelany: A-koholahy zafindraony. / Hira zafindraony. ¶ M,h.: Kinto, kiry, sarY, safiotra, metisy. Ahitsio
Zafinadrisa
[admin]
: o.: Anaran-kafa iantsoana ny valala atao hoe "Tsingentana". Ahitsio
Zafimaniry
[admin]
: a.: Zanapoko betsileo, monina amin'ny farftra atsinanan'Ambositra (firaisam-pokontany Antoetra sy Ambohimitombo) malaza amin'ny fahaizan'ny mponina asa sokitra hazo sy vato izay ahavitany fanaka sy sary voakaly izaitsizy. Ahitsio
Zafiafy
[admin]
: a.: Zanaky ny zafy, zana-jafy. Ahitsio
Zafy
[admin]
: a.: Zanaky ny zanaka, na taranaka faharoa (ny zanaka no voalohany): Matetika no manahaka ny raibe, hono, ny zafy. ~h.i.: Taranaka: Zafin' ny mpanjaka Andrianampoinimerina izy. - F.-p,: Loa-jafY: ilazana ny olona vao nahazo ny voalohan-jafikeliny. I Zafiafy: zanaky ny zafy, na taranaka fahatelo. I Zafin-dohalika: zanaky ny zafiafy, na taranaka fahefatra. / Zafin-kitrokely: zanaky ny zafin-dohalika na taranaka fahadimy. / Zafirnpaladia: zanaky ny zafin-kitrokely na taranaka fahenina. / Zafin-doria: zanaky ny zafim-paladia na taranaka fahafito,sy ny manaraka rehe tra. / Zafy mafy na zafy tsy torana: enti-milaza ireo zafikely efa lavitra dia lavitra ka tsy mba mitomany intsony raha manche fa maty ireo kazaha na razam-beny tany aloha. / Zafy tsy havana: ny taranaka iray fiaviana nefa noho ny fahalaviran' ny fihavanana dia toa tsy hi-ta intsony ny maha-mpihavana azy. / Zafim-bary: ny taimoky ny vary avy eo amin' ny fotony izay miteraka sy masaka mialoha. / Zafim-bato: anaram-bosotra amena ny kary. / Zafin-dekà: ilazana ny dekan'olona iray, izay mba deka-na manamboninahitra ihany koa. / Zafinkevitra: hevitramadinikaavy amin'ny lohahevitra na votoatin-kevitra iray. / Zaf in-teny: ilazana ireo f1zarazarana madinika amin'ny Iohateny na kabary. * Ohab.: Ny zafy mpanahaka: enti-milaza fa matetika, araka ny fanamarihan'ny Ntaolo, dia manahaka ny raibeny ny zafy; fantatra koa fa tian'ny raibeny fatratra ny zafikeliny, ary izany no nahatonga ny zafy sasany nomena ny anarana hoe "Ratsimbazafy" (tsy mba zafy fa zanaka). Ahitsio
Zabý
[admin]
: (fr. des habits) a.: Akanion-dehilahy fentina mianjaika, izay toy ny palitao lava ary mifarana vorivory ao ivoho. Ahitsio
Za-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa, izay anarana milaza olona: Zatovo (tovo), zalahy (lahy). Ahitsio
Z
[admin]
: a.: Tarehintsoratra faharoapolo na farany ary renisoratra fahenina ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy; izay miova ho "j" amin'ny fanakambanan-teny: Toetra zavatra = toe-jauatra, ary toy izany koa raha mikambana amin'ny tovona man mba hanaovana matoanteny: Manzaitra = manjaitra. Ahitsio
Vozonana
[admin]
: (vozona) mt. ih. (oozany): Raisina amin'ny vozony. ? Terena hanaiky: Tsy nouozonana ianao nanao an' io, ka amin'izany tanteraho hatramin'ny farany. Ahitsio
Vozona
[admin]
: a.: Ny tenda eo amin' ny faritry ny hatoka, ny elanelan'ny soroka sy ny loha: Misy uailahy kely eo amin' ny vozony. • Enti-milaza koa fanerena hanaiky. 1t.if.: Vozonana Imamozona, famozona, mpamozona 1 amozonana, famozonana 1 mahavozona I am-bozona 1 miambozona, fiambozona, mpiambozona 1 iambozonana, ffambozonana 1 mahambozona. - F,-p,: Taingim-bozona: sady fampijaliana no fanandevozana. / Tandroka aron'ny vozona: fitenenana ilazana ny olona manana fahefana na harena na fahaizana izay manana adidy koa hamonjY sy hitandrina ny eo akaikiny amin'ny loza mety hahavoa azy. / Tery vozona: fanera-na hanao zavatra na tiana na tsy tiana. J Vozon'akanlo: ny manodidina ny tenda amin'ny akanjo. / Vozon-tauoahangy: ny eo ambanin' ny vava tavoahangy izay andraisana azy. I Varifitoventy mahatapaka ny vozon'akoho: fitenenana enti-milaza zavatra kely mahatonga zavadehibe ho simba. * Ohab.: Manalasala ohatra ny uozon'akoho tanora: enti-milaza zavatra tsy hita ha-tao ho tsars na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. Ahitsio
Vozo
[admin]
: sy Vozovozo ft.: Haosàna, hozo, hozohozo. - t.i.f.: Mavozo, mavozovozo, havozoana. Ahitsio
Vozihitra
[admin]
: a.: Fibontsinanamakadiry azon'ny rivotra, fivontosana, fibibahana. - t.i.f.: Vozihirina, avozihitra, voavozihitra, tafavozihitra 1 manavozihitra, fanavozihitra, mpanavozihitra 1 anavozihirana, fanavozihirana / mivozihitra, fivozihitra, mpivozihitra / ivozihirana, fivozihirana 1 mahavozihitra 1 vozihijihitra. Ahitsio
Vozihirina
[admin]
: (vozihitra) mt, ih. (uozihiro): Bontsininabe. Ahitsio
Vozezika
[admin]
: a.: Fiavovona sy fifanongoan-javatra mifangaroharo be ihany. - t.i.f.: Vozezehana, avozezika, voavozezika, tafavozezika 1 mamozezika, famozezika, mpamozezika / amozezehana, famozezehana / mivozezika, fivozezika, mpivozezika 1 ivozezehana, fivozezehana 1 mahavozezika 1 vozezijezika. Ahitsio
Vozezy
[admin]
: f.t.: Fitomboana maro. + t.i.f.: Mamozezy, famozezy, mpamozezy. Ahitsio
Vozezehana
[admin]
: (zezika) mt. pdr. (vozezeho): Enti-milaza toerana fatrarana zavatra atao mifanongoa na miavosa: Novozezehana kitapon'arina ny fiarakodia. Ahitsio
Vozavoza
[admin]
: a.: Fidrahodraho, firaikiraiky, fitsivaikavafka, fitahontahona. 1 tif: Mivozavoza, fivozavoza, mpivozavoza 1 ivozavozàna, fivozavozàna. Ahitsio