Teny nampidirina farany

Vovozina
[admin]
: (voua) mt.ih, (uovazy): Kiakiahin'ny alika amin'ny fombany. Ahitsio
Vovonana
[admin]
: a.: Rafi-kazo man-dry eo an-tampon'ny trano, izay ipetrahan'ireo lohatrano amin'ny an-daniny roa. - F.-p.: Mita taovovo nana: enti-milaza ny masoandro efa manandrify tsara ny vovonana ka misasaka tsara ny andro amin'io fotoana io (12 ora antoandro). / Vovonana iadian'ny lohany: ny hazo atao lohatrano dia amin'ny vovonana avokoa no mifantsika, ka dia atao ohatra amin'ny ray aman-dreny izay iraisan'ny mpianakavy rehetra, na amin'ny lehibe iraisan'ny olona entiny ny vovonana. J Vovonan-gadra: ny masomby ifampitohizan' ny rojo amin'ireo olo-meloka gadraina. / Vouonan-karaka: ny hazo lava ihantonan'ny haraka rehetra amin' ny fanenomana. / Vovonamizana: ilay tsivalam-by f-han tonan'ny tana-mizana (ny mizana fandanjana vola-mena no lazaina eto). Ahitsio
Vovona
[admin]
: ft.: Avosa, fanaovana antontany. - t.i.f.: Avovona, voavovona, tafavovona 1 manavovona / miavovona. Ahitsio
Vovokomby
[admin]
: a.: Karazan'ahidratsy maniry eny an-tanimbary. Ahitsio
Vovoka
[admin]
: a.: Potipoti-tany malemy tsy misy vongany, jofo: Manditsika ny maso ny uovoka. • Zavatra voamontsamontsana ho potiny madinika dia madinika: Vovotsiramamy. - t.i.f.: Vovohina, voavovoka / mamovoka, famovoka, mpamovoka / amovohana, famovohana. * Ohab.: Ankizy nilaozantsakaiza ka milalao vovoka irery: enti-milaza ireo rehetra mahatsiaro ny maha-singany azy tsy eo namana, ka voatery mamalifaly ny tenany irery. J Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny tarehiny tsy hihiratra: ilazana ny zava-tsoa izay tsy maintsy ampamirapiratin' ny hatsarany eny ihany, na aiza na aiza misy azy. Ahitsio
Vovoina
[admin]
: (vovo) mt. ih. (uouay): Hazaina amin'ny vovo. Ahitsio
Vovohina
[admin]
: (vovoka) mt. ih.: Rakotry ny vovoka:Novovohiny aho ka niala. • p.t.: Lanim-positra, voaloadoakan' ny bibikely ka mihintsana ho vovoka: Hazo uouohina, Ahitsio
Vovo
[admin]
: a.: Fantsakana lalina nohadina fa tsy vita-Nanahary. Ahitsio
Vovo
[admin]
: a.: Zavatra toy ny kitapo lavalava natao tamin'ny vahy madinika na karazambararata madinika izay norarina ho makarakara mba ho faluna hazandrano. 1 t. L f• : Vovoina, voavovo 1 mamovo, famovo, mpamovo / amovoana, famovoana / mivovo, fivovo, mpivovo / ivovoana, fivovoana 1 mahavovo. - F.-p.: Mandatsa-bovo:mametraka vovo mba hahazoana hazandrano. / Misary vo-vo: maka ny hazandrano ao anaty vovo. / Nanim-bovo: ny antsoina amin'izany dia ilay fidirana mitsokotsoko mankao anaty vovo. J Tanam-bovo: fefy an-daniny roa izay tahaka ny anerena ny hazandrano hitsofoka ao anaty vovo izay mipetraka eo afovoany. * Ohab.: Miandry mahazo ohatra ny vouo: entina ilazana izay rehetra tsy mba manenjika nefa mahazo ihany. Ahitsio
Vovô
[admin]
: a.: Ny feon'ny alika mitady hanaikitra na mampitahotra: Raha vao mandre oouàn'alika izy dia mandositra. - t.i.f.: Vovozina / mivovà, fivovà, mpivovà / ivovàzana, fivovàzana I mahavovà, * Ohab.: Vouàn'alika: tsy hery fa tahotra: enti-milaza ireo tsy maty am-bavany ne-fa maivana ady. Ahitsio
Votsotra
[admin]
: p. t.: Mivaha, miboraka (kofehy, tady...): Votsotra ny kofehy ka lasa ilay on-dry. 1 Afaka tamin'ny gadra na ny fanandevozana: Votsotra ireo mpifatotra telopola. 1 Main'ny zavatra mangotraka na voan'ny kapoka mandrivorivo ka miendaka ny hoditra ary miseho ny no-fo: Votsotra mihitsy ny tongony vao nalefan'ilay tsy mifaditrovana iny izy. - t.i.f.: Votsorana, avotso• tra, tafavotsotra, voavotsotra I mamotsotra, famotsotra, mpamotsotra I amotsorana, famotsorana / mivotsotra, fivotsotra I ivotaorana, fivotsorana / mahavotsotra / votsobotsotra. - F.-p.: Votso-droa: enti-milaza olona sendra fahavoazana roa sosona ka ny an-daniny tsy tanteraka, ny an-kilany nirava mains. * Ohab.: Ny nantenaina tsy azo, ny an-tanam-botsotra: enti-milaza fahavoazana lehibe mihatra amin'ny tena, fa izay noheverina tsy azo, nefa ny teny an-tanana koa latsaka tsy tana. / Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, uotsodroa: enti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin'izay ataony nefs mety tsy hahazo na iray amin'iteo aza. Ahitsio
Votsorana
[admin]
: (votsotra) mt. ih. (votsàry): Vahana, boràhina: Nouotsorany ilay tady tao. 1 Afahana amin'ny gadra na ny fanandevozana: Mpigadra maro no nouotsorana tamin' ny fetin'ny Fahaleouantena. Ahitsio
Votsy
[admin]
: a.: Zavatra mamontsina fotsifotsy amin'ny hoditra ka toa maniry: Mivoraka ny lohan'ny votsy rehefa lendrano maharitra. Ahitsio
Votsa
[admin]
: p.t.: Tsy kinga, mitaredretra, mitavozavoza: Votsa loatra ity mpiasa ity. 1 Tsy mahay, osa: Mbola votsa ity zaza ity ka tokony hampianarina manokana. 1 Miadana: Votsa fandeha. - t.i.f.: Mahavotsa / havotsana / fahavotsana. - F.-p.: Votsa raina: ela vao mahatakatra ny teny voalaza, na tsy ampiampy fiheverana loatra. / Votsa tanana: milaiko sy milamin-doatra eo am-panaovana raharaha na asa atao amin'ny tanana. / Votsa voua: enti-milaza zaza tratra aoriana amin'ny fitenenana na olona miadampiteny ary tsy mahavoaka izay tiany holazaina raha tsy efa ela fa miahotrahotra. Ahitsio
Votrovotro
[admin]
: a.: Forofotra, bontsimbontsina sahala amin' ny tandomitra. 1 RotsirotsY, rokoroko. - t.i.f.: Avotrovotro, voavotrovotro / mivotrovotro, fivotrovotro, mpivotrovotro I ivotrovotroana, fivotrovotroana / mamotrovotro. Ahitsio
Votritrika
[admin]
: a.: Fivontosana, fibontsinana. - t.i.f,: Mivotritrika, fivotritrika / votritritrika. Ahitsio
Votry
[admin]
: a.: Tranom-bitsika izay miendrika dongon-tany kely et3 ivelany. Ahitsio
Votretrika
[admin]
: p.t.: Miavosa, miavovona. 1 Mitangorona, mifanety, mifatratra tsy misy kitotony. - t.i.f.: Avotretrika, tafavotretrika / mamotretrika, famotretrika, mpamotretrika I amotretrehana, famotretrehana I mivotretrika, fivotretrika / ivotretrehana, fivotretrehana I mahavotretrika. Ahitsio
Vôtraka
[admin]
: (Btm) a.: Kibo. Ahitsio
Votoaty
[admin]
: sy Votiaty a.: Ny ao anatin'ny hazo, ilay faritra malemy fotsifotsy ao anatiny. 1 Ny tena fotony amin' ny zavatra iray: Ny fananana herimpo no votoatin'ny angano hoe: Imbahitrìla. a F.-p,: Votoatin-teny: foto-kevitra ao anatin'ny teny lazaina. Ahitsio