Teny nampidirina farany

Vosotra
[admin]
: na Vosobosotra a.: Teny na zavatra atao hihomehezana, vazivazy, kivazivazy, somonga: Mba olona tia vosotra koa Rangahy iny! 1 Famazivaziana, hanihany. haraby. - t.i.f.: Vosorina, avosotra, voavosotra / mamosotra, famosotra, mpamosotra I amosorana, famosorana I mahavosotra / vosobosotra. - F,-p,: Anaram-bosotra:fanampy na solon'anarana napetaky ny olona ho kivazivazy na vosobosotra ary dia raikitra. Ahitsio
Vosorina
[admin]
: (vosotra) mt, ih. (vosory): Vazivazina, hanihanina, harabina: Aza mba izaho no uosorinao eo! Ahitsio
Vositra
[admin]
: p.t. sy a.: Biby izay namboarina mba tsy ho afaka hiteraka intsony, ka amin'ny lahy, esorina ny an• gorony na ankonjony, ary amin'ny vavy, alana ny fonosan'atodiny: Akoholahy vositra. 1 t.if.r Vosirina, voavositra / mamositra, famositra, mpamositra I amosirana, famosirana / mahavositra. - F,-p,: Omby vositra: omby efa namboarina tsy halain-taranaka fa hohatavezina fotsiny. / Vosi-dronono: ny zanak'omby nodidiana raits mbola kely. / Vosi-Janahary: efa voavositra hatrany an-kibon-dreniny. / Vosi-malaza: anarana ilazana ireo omby vositra matavy sady makadiry izay atao fanomezana. Ahitsio
Vosirina
[admin]
: (vositra) mt. ih. (uosiro): Atao tonga vositra. Ahitsio
Vosesika
[admin]
: Mitovy amin'ny Bosesika. Ahitsio
Vorovoroina
[admin]
: (vorovoro) mt, ih. (uorouorày): Akorontana. Ahitsio
Vorovoro
[admin]
: a.: Tsy filaminana, safotofoto, saritaka. i Vorovoroina, avorovoro / voavorovoro, tafavorovoro / mamorovoro na manavorovoro, famorovoro, mpamorovoro / amorovoroana, famorovoroana / mivorovo• ro, fivorovoro, mpivorovoro / ivorovoraana, fivorovoroana / mahavorovoro. Ahitsio
Vorotra
[admin]
: a.: Potika na sombinjavatra tsy misy nana azy intsony. - F.-p.: Voro-damba: ny lamba efa rovitra sy potika ka tsy misy asany loatra intsony raha taffna. / Voro-drongony, uoro-jiafotsy, voro-kiraro: ilazana ny lamba rongony sy ny jiafotsy ary ny kiraro izay samy efa tonta sy rovitra tsy azo atao inona loatra intsony. / Voro-kitsay: tapa-damba tonta sady maloto no rovitra. / Voro-tsihy: ny tsihy efa rovidrovitra sady tonta. Ahitsio
Vorotra
[admin]
: na Voritra a.: Fototry ny vihy. Ahitsio
Vorotina
[admin]
: p, t.: Fivontosan'ny vorotra. Ahitsio
Vorosoka
[admin]
: p.t.: Voahosihosin' ny tongotra, madisa, tomarosoka. - t.i.f.: Mivorosoka, fivorosoka. Ahitsio
Vorontsiloza
[admin]
: a.: Vorona lehibe, fianakaviam-ben'ny akoho, vorombola..,, manam-bika hafa kely fa misy nofo mikiramborambo eo amin' ny lohany, ny tendany misy toa haingony mitarazoka ary ny rambony azony velarina toy ny fikopaka rehefa midoroboka izy; tsara hena ary tsy mba saro-devonina ohatra ny gisa ny vorontsiloza. Ahitsio
Vorongo
[admin]
: Jer. Forongo. Ahitsio
Vorondreo
[admin]
: a.: Vorona salasalany, hafahafa bika, manopy maitso ny volony, izay lasa maitso antitra ea amin' ny volombodiny ary maitso misy tarany mena amin'ny elany; mitaraindraina toa mampalahelo ny feon'ny vorondreo ka heverin'ny maro ho fambara loza ny fandrenesana azy. Ahitsio
Vorondolo
[admin]
: a.: Vorona artisan' ny antsoina hoe tsy sahy andro; be maso, be vola, misy sangany kely ny vorondolo; noho izy mpivoaka amin' ny alina, dia malaza ho voron'ny mpamosavy izy; tsara ho fantatra anefa fa anisan'ny vorona mahasoa izy noho ny fihazany ny voalavo, totozy sy ny namany (iray fianakaviana amin'ny vorondolo ny tararaka sy ny matoriandro). Ahitsio
Voronandrano
[admin]
: a.: Karazamborona, toy ny angaka, arosy... mivelona eny amin'ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan'ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy. Ahitsio
Vorona
[admin]
: a.: Anarana itambarana iantsoana ireo karazam-biby manidina misy elany roa solon'ny tongony anoloana, ka roa ihany ny tongony ary rakotra vola manokana — izay nantsoina indrindra hoe: volom-borona — ny tenany; manatody izy fa tsy miteraka. a F,-p,: Maty vorona: ilazana keo olona nosoloana vorona tamin'ny fampinomana ka maty ilay vorona. • h. : Maty tanora. / Voro-manompo: enti-milaza ireo vorona fiompy fa tsy mba dia. / Voro-manompo havana: zana ny havan'ny mpanjaka, na ireo olona ambony izay samy mikezaka hahatsara laza ny mpanjaka eo imason' ny vahoaka. / Vorombe maty uady: ilazana olona mijoro ka ny tongony an'ila ihany no mitehi-tany eo am-pijoroana. / Vorombe rima: enti-milaza ireo olona masiaka sy tia tena, nefa mpanenitra ny hafa. (Tapak'ohabolana ihany io fa ny ohabolana feno dia hoe: "Kapakapa uorombe rima, mijere te-na vao manenitra ny sasany", / Vorom-panova: salon' ny maty na ny tsy ao intsony mba hianteherana. * Ohab.: Vorona azon'adala: raha tsy maty aza mifohafoha volo: enti-milaza ny zavadoza mihatra amin'ny osa raha eo an-tanan'ny fohy saina sy ny tsy hendry. Ahitsio
Vorompotsy
[admin]
: a.: Vorona fotsy, iray fianakaviana amin'ny vano, mivelona eny amhr'ny hotsaka. Ahitsio
Voromiendratra
[admin]
: a.: Karazandamba taloha nisy sorany miolikolika. Ahitsio
Vorombola
[admin]
: a.: Vorona iray fianakaviam-be amin'ny alto-ho sy ny voxontsiloza, misy volony marevaka, indrindra ny lahy, izay manan-drambo mahazo misandrahaka ka mivelatra toy ny kodiarana. Ahitsio