Teny nampidirina farany

Vorombe
[admin]
: a.: Jer. Gisa. Ahitsio
Vorombazaha
[admin]
: a.: Jer. Ganagana. Ahitsio
Vorombato
[admin]
: a.: Anaran'akoholaby mahery miady fahizay, izay karazan'akoho vaventy ary somary mifaingoka ohatra ny an'ny boloky ny vavany. Ahitsio
Voromanga
[admin]
: a: Teny entina ilazana olona tiana: Raha tsy tian'ny hafa aza, ravoromangako kosa! Ahitsio
Voromahery
[admin]
: a.: Karazam-borona mpihaza sy mpihinankenam-biby velona; mety ho lehibe sy matanjaka ny voromahery any an-tany hafa ka mahazaka zanak'omby na zanak' ondry. Ahitsio
Voromahailala
[admin]
: a.: Vorona mpihinam-boan-iavamanirY ary fatra-pivelona miaraka, tsara hena ka ompian'ny olona. (Mahavita lalana lavitra ny Voromahailala ary afaka miverina amin'ny toerana nialany indray; avy amin'izany no nahatonga ny anarany (mahay lalana). Ahitsio
Voroka
[admin]
: ft.: Fofona ratsy sady mantsina. 1 tif: Mavoroka / havoroka. Ahitsio
Vorivoriny
[admin]
: sy Vorivorinkena a.: Anarana ilazana ireo kitapo faharoa sy fahatelo amin'ny vavonin'ny biby mandinika toy ny omby, manarakaraka ny roroha; rehefa avy tsakoin' ny biby fanindroany ny hanina, dia averiny avy any amin'ny rorohany ary mandalo mivantana any amin'ny vorivoriny. Ahitsio
Vorivorina
[admin]
: (vorivory) mt. ih. (vorivorio): Boriborfna, a-tao tonga vorivory: Vorivorio io hazo io. Ahitsio
Voritra
[admin]
: Jer. Vorotra. Ahitsio
Vorinosy
[admin]
: a.: Karazam-bakana fotsy kilavalava. Ahitsio
Vorina
[admin]
: (vory) mt. ih. (vorio): Antsoina ho tonga miaraka amin'ny toerana iray: Novorina teo an-tokotanibe ny fokonolona taloha hihaino kabary. 1 Angonina: Mahatratra telo arivo ny vola novorina. - t.i.f, : Avorina, voavorina 1 mamorina, famorina, mpamorina 1 amorenana, famorenana I mivorina, fivorina 1 ivorenana, fivorenana I mahavorina 1 vorimborina 1 vorenana. - F.-p.: Vorim-pasika: antontam-pasika mivangongo; tobim-pasika miavoavo. Ahitsio
Vorikena
[admin]
: a.: Ny faritra matavy amin'ny omby vositra. Ahitsio
Vorika
[admin]
: a.: Mosavy mahafaty. - t.i.f.: Vorehina, avorika, voavorika 1 mamorika, famorika, mpamorika / amorehana, famorehana I mahavorika 1 voriborika. Ahitsio
Vory
[admin]
: a.: Roatra: Vorin-tsavony; vorin-dabiera. - t.i.f.: Mamory, mamorivory, famory, mpamory 1 amorivorlana, famorivoriana. ? F.-p.: Vorim-bava: rora mandroadroatra mameno ny vava sady mivoaka eo ivelany koa. / Mandoa vory: mihoaka mandoa, nefs tsy misy ventiny fa rano mamorivory fotsiny no aloa, misafoaka vorim-bava (fahita rehefa avy mihazakazaka na mikohaka mafy). / Mitoko vory: enti-milaza ny fotsimbary andrahoina ao am-bilany ka efa madiva handroatra. / Vorin-drano: ny rano mamorivory sy misy roatrany. / Vorin-tsavony: roatran-tsavony mitafoaka. Ahitsio
Vory
[admin]
: na Vorivory p.t.: Manao faribolana: Tsipika vorivory, i t.Lf.: Vorivorina, voavory / manavory, fanavory, mpanavory I anavorivoriana, fanavorivoriana I mahavory. ? F,-p,:Hady vory na hadivory: hady na iavaka nohadfna manodidina toerana na vohitra kely. / VorivorY endrika: ilazana ny tarehy somary boribory ary mitalesaka kely. / Vory ioha: ilazana ny tafon'ny trano izay tsy mba nasiana tapenaka avo fa natao mitovy efatra eo ampovoany kosa. Ahitsio
Vory
[admin]
: mt. ih, ft.: Tonga miaraka eo amin'ny toerana iray: Efa vory ny mpianatra ka mitenena ianao. ? Voangona: Be ihany ny vola vorintsika omaly. - t.i.f.: Vorina, voavory, vinory, tafavory / mamory, famory, mpamory / amoriana, famoriana / mivory, fivory, mpivory / ivoriana, fivoriana I mahavory I vorivory. Ahitsio
Voretra
[admin]
: p.t.: Tsy mahavatra mikarakara na manadio ny tenany sy izay mikasika azy, ka maloto maharikoriko lalandava. - t.i.f.: Mivoretra, fivoretra / mamoretra / mahavoretra / voredretra I havoretra. ΒΆ M.h,: Kalaina, kisinina, vorery, tongovorery, tsy mahava-tena, benamboka, betsinamboka, vazina, misavoritaka, mikorontana, mikondendina, mikondendy, misafotofoto, misampotina, mikoretika, misavorovoro, mikorandendina, misaritaka, misafotaka, mitavona, misomotaka, safotetaka, Ahitsio
Voretaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Boretaka. Ahitsio
Vorery
[admin]
: p. t.: Maloto, be tsikoko, maharikoriko; afa-baraka. i t. L f.: Mamorery, famorery, mpamorery. Ahitsio