Voatavontay [admin] | : | a: Karazam-boatavo maniry eny amin'ny zezika. ~ h. i.: Ilazana olona fonetana, fohy hatoka ary be vatana. Ahitsio |
Voatavompe [admin] | : | a.: Ny faritra ambany fenofeno mivohitra amin'ny fe. Ahitsio |
Voatavomonta [admin] | : | a.: Karazana voatavobozaka mangidy ka tsy fihinana, fa ataon'ny olona siny rehefa afaka ny ao anatiny. Ahitsio |
Voatavomenaka [admin] | : | a.: Karazana voatavoarivolahy fana fitoera-menaka Ahitsio |
Voatavokarandoha [admin] | : | a: Karazana voatavobozaka, mafy dia mafy ny hodiny. Ahitsio |
Voatavofotsy [admin] | : | na Voatavohova a.: Karazam-boatavobozaka fasian-drano. Ahitsio |
Voatavobozaka [admin] | : | a.: Karazamboatavo lehibe fihinana, tsara tsiro. Ahitsio |
Voatavoarivolahy [admin] | : | a: Karazamboatavo kelikely, teritery ny afovoany ary fanao fitoerandrano rehefa nalana ny atiny ka nomainina. Ahitsio |
Voatavo [admin] | : | a.: Anarana iombonana ilazana karazan-javamaniry fihinam-boa fanao fangaron-daoka izay toy izao ny toetoetrany: ny voany lehibe malamalama, ny tahony poaka aty mandadina, ny raviny mitapelaka misy lainy. - F.-p.: Voatavo tsy mifandraka: zazakely mbola kidaladala, zaza bodo. * Ohab.: Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo: tsy manao ny tena ka mahay milaza er? hoe toy izao sy toy izao. Ahitsio |
Voatangondolo [admin] | : | a.: Karazana voatango dia. Ahitsio |
Voatangombazaha [admin] | : | a.: Karazam-boatavo lavalava voa fanao fangaron-daoka matsiro no azo atao salady koa (fantatra indrindra amin'ny anaram-bazaha hoe: "concombre"). Ahitsio |
Voatango [admin] | : | a.: Karazam-boatavo, lavalava ny endriny, misy voa anatiny, voankazo otazana rehefa matoa sy manitra ary somary miendaka ny hodiny, mafotrafotra sy mangatsiatsiaka ny nofony, tsy masira no sady tsy mamy ny tsirony, fatao tsindrin-tsakafo afangaro amin'ny siramamy. Ahitsio |
Voatama [admin] | : | (Btm) a.: Anaramboankazo. Ahitsio |
Voatabiha [admin] | : | a: Zavamaniry, ny voany menamena malemy, fanao fangaron-daoka matsiro. Ahitsio |
Voasokera [admin] | : | p.t.: Voahodidina tsy afa-milefa. Ahitsio |
Voasarinikalavola [admin] | : | a: Karazankazo madinidinika (Crotalaria Spinosa). Ahitsio |
Voasarimandina [admin] | : | a.: Karazana voasary, mandina malambolambo ny hodiny fa tsy mba marokoroko. Ahitsio |
Voasarimamy [admin] | : | na Laoranjy (fr. orange) a.: Karazam-boasary mamy be ranony. Ahitsio |
Voasarimakirana [admin] | : | a.: Karazan voasary, kely noho ny voasarimamy ny habeny ary marikivy ny tsirony. Ahitsio |
Voasary [admin] | : | a.: Anarana iombonana iantsoana ireo karazamboankazo salasalany, ny voany mavomena, ohatra ny totohondry ny habeny ary ny tsirony misy mamy misy marikivy. Ahitsio |