Teny nampidirina farany

Voanteny
[admin]
: (t. tr.) a.: Fahaizamandaha-teny — ankehitriny, ampiasaina hilazana ny amboaran'ny teny tsirairay fampiasa, atao koa hoe voambolana. Ahitsio
Voantandroka
[admin]
: a.: Bibikely mipetraka amin'ny mandomando sy ny maizimaizina, saingy mihorona faingana izy rehefa raisin'ny tanna. Ahitsio
Voantamenaka
[admin]
: a.: Jar. Tamenaka. Ahitsio
Voantakasina
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika (Dracoena). Ahitsio
Voantaindalitra
[admin]
: a.: Karazankazo. Ahitsio
Voantaimboalavo
[admin]
: a.: Karazankazo madinika. Ahitsio
Voantailahy
[admin]
: a.: Tsy fitoviana; fisaratsarahan-tsaina, fisaraham-bazana. - t.i.f.: Mivoantailahy, fivoantailahy. Ahitsio
Voantay
[admin]
: a.: Karazam-boangory kely, manga mainty ny sorany ary manao ny tranony any anaty tain'omby. Ahitsio
Voanosy
[admin]
: a.: Karazam-bibikely fianakaviamben'ny voangory mivelona eny ambony hazo sasantsasany. Ahitsio
Voanongo
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny tanantanampotsy. Ahitsio
Voanketsihetsy
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry mifanahaka amin' ny voatango. Ahitsio
Voankazo
[admin]
: a.: Organa amin'ny zavamaniry izay avy amin' ny voninkazo ary misY ny voa hamelona taranaka azY indraY. Ahitsio
Voankavandra
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika mitovy amin' ny havandra ny haben'ny voany (Longani). Ahitsio
Voankarabo
[admin]
: a.: Karazam-bahy. Ahitsio
Voankanina
[admin]
: a: Aretina azo tamin'ny hanina nisy mosavy. ? Tsy fahalevonan-kanina. Ahitsio
Voankandrina
[admin]
: a.: Karazan-kazo fihinam-boa (Garcinia Ge-nordi). Ahitsio
Voanjopika
[admin]
: na Kapika a.: A-naran-kafa ilazana ny voanjombazaha (Btl: Vanjokatra). Ahitsio
Voanjoana
[admin]
: (voanjo) mt. ih. (voanjo y) :Ametrahana voanjo. Ahitsio
Voanjo
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry mamoa voa fakana menaka iray atao hoe mena-boanjo. (Rehefa hiova ho voany ny voniny, dia milentika any anaty tany ny tahom-boanjo, ka rehefa vokatra ny voanjo dia hadina ireo tahony ireo ary akifik,a mba hampihintsana ny voany; izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Ara atao toy ny tahomboanjo: ny nahitana indray no akifikifika") — Misy karazany roa ny voanjo: ny voanjobory ary ny voanjombazaha na kapika. Ahitsio
Voanjo
[admin]
: a.: Miaramila napetraka hiandry tany ao amin'ny toerana na taniina vao nalaina. ~ Ny olona rehetra manao fonenana vonjimaika hanamainty molaly ny tany na hila ravin' ahitra. - t.i.f.: Voanjoana, avoanjo, voavoanjo / mamoanjo, famoanjo, mpamoanjo / amoanjoana, famoanjoana I mivoanjo / mahavoanjo. Ahitsio