Teny nampidirina farany

Voaniho
[admin]
: a.: Karazan-kazo iray fianakaviana amin'ny rofia, ravinala, antendry, ans..., izay sady avo be no lehibe, ny voany mifono ao anaty akora be kirany (fanao borosin-trano), ny nofomboany azo akana menaka (diloilo kaokao) ary ny ao anatiny misy rano manan-tsiro manokana manala hetaheta. Ahitsio
Voangorintapia
[admin]
: a.: Karazamboangory. Ahitsio
Voangorindroho
[admin]
: a.: Karazamboangory. Ahitsio
Voangorinakoho
[admin]
: a: Karazamboangory. Ahitsio
Voangorimpasika
[admin]
: a.: Karazamboangory kely mivelona any anaty fasika amoron-drano. Ahitsio
Voangorimbaratra
[admin]
: a. :Karazamboangory kely mivelona any anaty ahitra. Ahitsio
Voangorifotsivody
[admin]
: a.: Karazam-boangory kely fihinana, mifaritra fotsy ny vodiny. Ahitsio
Voangoribe
[admin]
: a: Karazam-boangory be fihinana. Ahitsio
Voangory
[admin]
: a.: Bibikely ohatra ny ankibe, ny vavany mafy natao hanorotoro ny fakankazo, ny elany roa mifanarona amin'ny andaniny avy ka ilay ivelany mafy toy ny kaninkaninkena. Ahitsio
Voangilombazaha
[admin]
: a: Anarana hafa ilazana ny voatabiha. Ahitsio
Voangaly
[admin]
: a.: Karazam-boangory mitovitovy amin'ny voanantoka, ny elany misy mitsoriadriaka fotsy (Cétonia). Ahitsio
Voanembanalika
[admin]
: na Voanembanamboa a.: Karazan-kazo madinidinika ny voany sy ny raviny, fanao famalanana na fisotro mampahatsemboka der. Talrokonangatra), Ahitsio
Voanemba
[admin]
: a : Karazan-javamaniry madini-boa fanao fangaron-daoka matsiro, Ahitsio
Voandramiary
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry fahita eny arnin' ny harambato na anaty honahona, misy voniny fotsy, mitovitovy bika amin'ny lisy. Ahitsio
Voandelaka
[admin]
: a.: Anaran-kazo lehibe madinidini-dravina, ny voany mavo mitambatambatra ho sampaho. Ahitsio
Voandamoty
[admin]
: a.: Karazana paisom-bazaha teratany. Ahitsio
Voandamory
[admin]
: a.: Voatabiha maniry ho azy ary madinika kely. Ahitsio
Voanantsindrana
[admin]
: a.: Karazankazo kely madinika mamimamy ny voany. Ahitsio
Voanantoka
[admin]
: a.: Karazam-boangory mitovy habe amin' ny voanosy. Ahitsio
Voanantay
[admin]
: a.: Karazan'anamamy maniry eny arnin'ny zezika. ~ h. o.: Enti-milaza ny zaza maroroka loatra. Ahitsio