Teny nampidirina farany

Voanana
[admin]
: a: Karazan-kazo anaovana sahafa (Eloeocarpus). Ahitsio
Voanampotsy
[admin]
: a.: Karazan-kazo (Melanophylla ainifolia). Ahitsio
Voanalakely
[admin]
: a.: Karazana vahy mani-pofona. ~ Teny lia-rima ny votrovotro amin'ny nendra amin'ny fotoana ahamainany. Ahitsio
Voanadabo
[admin]
: a.: Karazan'aviavjmbazaha. Ahitsio
Voampo
[admin]
: na Voampoa a.: Hazo madinika, ny voany menamena mahafinaritra fa mangidy tsy laitra (Solanum indicum). Ahitsio
Voampano
[admin]
: a.: Ilazana ireo mibontsimbontsina madinika amin'ny hoditry ny zaza, izay vokatry ny hafanana. Ahitsio
Voampanjehy
[admin]
: (Btm) a.: Bibikely sahala amin'ny dinta. Ahitsio
Voamivonto
[admin]
: a.: Otri-po ananana amin'ireo ambony na lehibe mpitondra, - F,-p.: Manao voamivonto: manao an-dolompo. Ahitsio
Voamitohy
[admin]
: a.: Karazam-boangory sahala habe amin'ny voanantoka na ny voanosy, fa misy poizina mahafaty raha manaikitra. Ahitsio
Voamiera
[admin]
: na Vaomiera a.: Antokon' olom-bitsy mpiara-mihevitra amin'izay hatao, alohan'ny handrosoana azy amin'ny be sy ny maro. Ahitsio
Voamena
[admin]
: a.: Anaram-bola malagasy ampahefatra amby roapolon'ny ariary, izany hoe mitovy amin'ny 0,fr 20 amin'ny vola ankehitriny. — Ny voamena no ampahan' ny ariary nalaina ho fototra ho an'ny vola hatramin'ny lavoamena ka hatramin'ny lasiroa, izany hoe: ny lauoamena (ilan'ny voamena: 0,fr 10), ny latsakafitouenty (voamena latsaka varifitoventy: 0,fr 15), ny latsapaheniny (voamena latsaka faheniny: 0,fr 17), ny voamena (0,fr 20), ny fitouentisivoamena (0,fr 25), ny lasiray (ilan'ny voamena sy iray voamena: 0,fr 30), ny roavoamena (0,fr 40), ny tasiroa (ilan'ny voamena sy roa voamena: 0,fr 50). - F.-p.: Voamena maniho ariary: zavatra kely foana mety hahavery zava-dehibe. / Ny sotro rano My tian'i Neny, ny m'amena zaton'i Da-da: enti-milaza ireo fisahiranan'ny ray aman-dreny amin'ny zanany, ka ny an'ny reny, dia ny mikasika indrindra ny niterahany azy; ny an'ny ray kosa, ny mikasika ny fitadiavam-bola hamelomana azy. Ahitsio
Voambolana
[admin]
: o.: Fitambaran' ny teny rehetra fampiasa amin'ny sampam-pahaizana iray. 1 Rakibolana nofintinina. Ahitsio
Voamboana
[admin]
: a.: Karazan-kazo sady mafy no mavesatra, mania antitra ny volony, fanaovana fanaka mihaja. Ahitsio
Voamba
[admin]
: p.t.: Vandana manja sy mainty (filaza indrindra amin'ny alika). Ahitsio
Voamasonomby
[admin]
: a.: Karazan' ahitra (Dianelle). Ahitsio
Voamaso
[admin]
: a.: Ilay faritra boribory mainty ao anatin'ny tapotsi-maso: Ilay teboka ao anatin'ny voamaso no a-tao hoe: anakandriamaso. Ahitsio
Voamarintampona
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinidinika (Eugén ia). Ahitsio
Voamantorana
[admin]
: na Voamahatorana a.: Anaran-kafa iantsoana koa ny Voamaintilany. Ahitsio
Voamandina
[admin]
: a.: Karazana voasary makirana, malambolambo hoditra (Citrus medica). Ahitsio
Voamaintilany
[admin]
: a.: Zavamaniry mandady mizara mainty sy mena ny voany, madini-dravina ary marikivy raha tenehina, fanao ody kohaka (Ski: masonamboangara). Ahitsio