Teny nampidirina farany

Voamaho
[admin]
: (Btm) a.: Voan-javamaniry madinika manitra, sady matavy rehefa endasina. Ahitsio
Voamahery
[admin]
: a.: Karazana hazo madinidinika (Grewia). Ahitsio
Voamadilo
[admin]
: a.: Voan'ny hazo atao hoe Kily, na Madilo, maniry any amin'ny tapany ataimo sy andrefana; tahatahaka ny voantsaramaso ao anaty fonony lavalava misy voany maromaro ao anatiny ny voamadilo, izay sady mamimamy kely no maharikivy, tian'ny ankizy fatratra, haninY amin'nY sira sy sakay; ny voamadilo dia mana-na toetra mampivalana ka azo ampiasaina raha mitohana. Ahitsio
Voalohany
[admin]
: p.t.: Loha laharana, ny aloha indrindra: Ny volana zanvie no volana voalohany amin'ny taona. ? Fiandohana: Tany am-boalohany. Ahitsio
Voalobokala
[admin]
: a.: Voaloboka dia. Ahitsio
Voaloboka
[admin]
: a.: Zavamaniry mandadina izay mamoa voany mamy fanaovana divay. Ahitsio
Voalehilahy
[admin]
: p.t.: Voafora, efa vita hasoavana. Ahitsio
Voalefoka
[admin]
: a.: Ny vody tatamo. Ahitsio
Voalavofotsy
[admin]
: a.: Karazam-boalavo misy fofona, matsilo vava ary maneno tahaka ny fody, tsy tian'ny saka hohanina (voalavofody no iantsoan'ny Tanala ny voalavofotsy). Ahitsio
Voalavo
[admin]
: a: Biby lavalava vatana, tsoky loha, lava rambo, mpanimba zavatra (indrindra ny voly sy tahirin-tsakafo) ary mpanely ny areti-mifindra amin'ny parasy entiny. Misy karazany telo ny voalavo: ny voalavo mainty, ny voalavo fotsy ary ny voalavon-drano. • F.-p.: Mamono voalavo: jar. Vono. / Tsy maty voalavo an-kibo: tsy levona 1o1ompo. * Ohab,: Voalavolahy sasatry ny miaina: saka matory ka alam-bolombava: enti-milaza ireo olona sahisahy loatra ka tsy mitaapa izay mety hahafaty azy akory. / Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran'ny nify no vazivazfna: enti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. Ahitsio
Voakitsonamboa
[admin]
: a.: Karazana voaloboka (Vitis microdiptera). Ahitsio
Voaka
[admin]
: a.: Fialana avy ao anaty toerana iray mankany ivelany; fisehoana ety ivelany; fampisehoana asa natao. 1 Avoaka, voavoaka, tafavoaka I mamoaka, famoaka, mpamoaka I amoahana, famoahana I mifamoaka / mivoaka, fivoaka, mpivoaka / ivoahana, fivoahana I mahavoakalvoaboaka. Ahitsio
Voailahy
[admin]
: p.t.: Tsy matahotra, mahery fo. Ahitsio
Voaibe
[admin]
: p.t.: Makadiribe, goaibe. Ahitsio
Voay
[admin]
: a.: Karaza-mamba, sain- gy kelikely kokoa, na dia masiaka izaitsizy ihany koa aza; azo anaovana poketra na kiraro ny hodiny (hodiboay). * Ohab.: Lasa ny mamba, tonga ny voay: ilazana olona roa mifandimby samy mana-na toetra ikoizana. Ahitsio
Voahirana
[admin]
: a.: Zavamaniry any anaty rano izay mamony ny tatamo (Nymphoea stellata), Ahitsio
Voahazoa
[admin]
: Karazan-javamaniry ahazoana menaka. Ahitsio
Voahangitsimandrilalana
[admin]
: a.: Karazam-boahangy lehibe indrindra. Ahitsio
Voahangisampandralambo
[admin]
: a.: Ny tsara sy sarobjdy indrindra amin'ny karazam-boahangy. Ahitsio
Voahangindrano
[admin]
: a.: Karazamboahangy namboarina fa tsy vita-Nanahary. Ahitsio