Teny nampidirina farany

Voahangy
[admin]
: a,: Zavatra boribory kely mahafinaritra avy amin' ny biby any anaty ranomasina, ataon'ny vehivavy fihaingoana; vakana, moraporitra, voavola. Ahitsio
Voafotsy
[admin]
: a: Voankazo avy a~ min'ny hazo kely maniry; fanao fisotro mahasalama ny raviny raha ampangotrahina (Btl): fandramana; Skl: Kirandrambiavy), Ahitsio
Voafora
[admin]
: (fora) mt. ih.: Nesorina ny nofo manarona ny lohan'ny filahian'ny ankizilahy kely. ¶ M.h.: Voadidy foitra, nodidiam-poitra, voasikina, nosikinana, voatsongo, notsongoina, voalehilahy, afa-trosa, vita hasoavana. Ahitsio
Voafikitra
[admin]
: (fikitra) mt. ih,: Voatana mafy: Voafikitro ilay hazo teo amoron-drano, fa raha tsy izany, lasan'ny rano tany aho. Ahitsio
Voafadina
[admin]
: mt. ih.: Alànabaràka. Ahitsio
Voafady
[admin]
: p. t.: Afa-baraka, very hasina. Ahitsio
Voadiadia
[admin]
: p.t.: Efa nihinanana (fiteny amin'ny sakafo, vary sy laoka efa nihinanana, ka tsy sahy aroso homena ny vahiny intsonY)• Ahitsio
Voady
[admin]
: a.: Fametrahan-teny hanao zavatra iray raha tahiny ka tanteraka izay tadiavina na irfna: Manefa ny voady nataony Baba. • Fianianana na fanomezan-toky eo imason'ny solontenan'ny E-g1izY: Manao voadin'ny fanekena sy fahantrana ary fahadiovana ny reii)iozy, i Mivoady, fivoady, mpivoady / ivoadiana, fivoadiana ( mahavoady j voadivoady I mivoadivoady. ¶ M.h.: Dina, teny nomena, orimbato, lokaloka, tsikafara. Ahitsio
Voabona
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry. Ahitsio
Voa
[admin]
: a.: Organa roa mitovy, menamena, eo an-dany roan' ny hazondamosina, izay if oronan'ny fivalanandrano avy amin'ny fandiovany ny ra amin'ny loto rehetra nentin' ny ra ombieny ombieny amin'ny lalana nalehany. ~ ? F.-p.: Voankena: ny voan' ny omby, izay be mpifady. / Milo voa tsy ary (izay soratana teny iray koa matetika: 'boatsiary"): mitady zavatra tsy azo atao. Ahitsio
Voa
[admin]
: a.: Organa kely boribory ao anatin'ny voankazo, izay mety mitsimoka raha ambolena, ka tonga zavamaniry hafa hrdray mitovy karazana amin'ilay niaviany: Nividy uoan-daisoa izy hamboleny. 1 Enti-milaza ny voankazo raha kelikely madinika: Voam-boaioboka, (• Enti-milaza koa rehefa mety ho zavatra boribory kely: Voan-tsapile, i t. f f, : Mamoa, famoa, mpamoa ( amoazana, famoazana. Ahitsio
Voa-
[admin]
: Tovona fanaovana mt, ih. milaza vokatra efa azo: Voauory, voateny, (Marihina fa tahaka ny amin'ireo tovona rehetra vaninteny ma, toy ny tafa, maha, dia latsaka ny a amin'ny voa eo alohan'ny ft. manomboka amin'ny a: Voarina (fa tsy voaarina) — (ampitahao amin'ny tafarina, maharina). Ahitsio
Voa
[admin]
: mt. ih.: Tratra: Voan' ny vato ilay fody ka dangy. 1 Azo: Voan'ny sery aho ixany. / Simba, voaloto...: Voan'ny fotaka ny akanjoko. 1 Iharam-p ahavoazana, iharan-doza: Voa mafy aho fa maty ny raiko. 1 Maty antoka, maty loka...: Diso fotoana aho ka voa ter?. / Voa tamin'ny varotra nataoko a-ho. 1 Resy: Voan-dRakoto izy tamin'ny fifaninanana. 1 Hay: Tsy voako ilay marika natao tamin'ny fanadinana. - t.i.f.: Mahavoa 1 fahavoazana !voavoa, ¶ M.h.: Tratra, midradraka, mikidradraka, mibabaka, miboiboy. — Voa daholo, lany ringana, lany ripaka, lany tamingana, tsy nisY niangana, lambarn-bary, raraka ompana. Ahitsio
Vo-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa mba hampitombo sy hanamafy ny hevitry ny fototeny voalohany: Voretra (ratait), vozihitra (zihitra). Ahitsio
Vizavizaina
[admin]
: (uizaviza) mt.ih. (uizauizào): Fanaovana tsinontsinona; vingavingaina: Aza vizavizaina ny olona tsy mitovy aminao. Ahitsio
Vizaviza
[admin]
: a.: Fitenenana manao tsinontsinona, maniratsira; vingavinga. - t.i.f.: Vizavizaina, avizaviza, voavizaviza 1 mamizaviza, famizaviza, mpamizaviza 1 amizavizana, famizavizana 1 mahavizaviza. Ahitsio
Vizatra
[admin]
: a.: Fiteny miriadriatra, miaraka amin'ny endrika mifandrirodrirotra. { Vizatina 1 mamiza- VOâ tra, famizatra, mpamizatra ( amizatana, famizatana 1 mivizatra, fivizatra, mpivizatra 1 ivizatana, fivizatana j mahavizatra 1 vizabizatra. Ahitsio
Vizatina
[admin]
: (vizatra) mt.ih. (vizato): Tenenina amin'ny feo miriadriatra. Ahitsio
Vizanina
[admin]
: (viiana) mt. ih. (uizano): Sasarana, atao izay hahavizana. Ahitsio
Vizana
[admin]
: sy Vizaka p.t.: Sasatra amin'ny tsy fihetsehana eo amin'ny toerana iraY, amin'ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin'ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano. 1 Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka keiy aioha mba handrihandry eto. Jer. Valaka. - t.i.f.: Vizanina,voavizana, voavizaka, vinizana 1 mamizana, famizana, mpamizana 1 amizanana, famizanana 1 mivizana na mivizaka, fivizana na fivizaka, mpivizana na mpivizaka 1 ivizanana, fivizanana 1 mahavizana, mahavizaka 1 vizambizana, vizambizaka j havizanana j fahavizanana. ¶ M. h.: Vizaka, sasatra, valaka, lanaka, reraka, disaka, rontsona, ronjana, mangana, masaka, vahotra, ronaka, honaka, marafoka, refona, tominjana, valalanina, monaina, savolaina, trotraka, toro, torovana, fotsy angola, mirozirozy, tsy mahahetsika, maty hentona. — Miala vizana, miala sasatra, miala ianona, maka aina, mitsotsotra. Ahitsio