Teny nampidirina farany

Vitaina
[admin]
: (vita) mt. ih. (vitao): Efaina, tanterahina, atao manontolo hatramin'ny farany: Vitao haingana ny tranonao fa ho avy izao ny fahavaratra. 1 Taperina, faranana: Vitao ny resaka fa mbola be mihitsy anie izany raharaha hatao izany e! 1 Tapahina: Tokony hovitaina ny fanekem-barotsika, Ahitsio
Vita
[admin]
: p. t.: Efa, tontosa: Vita daholo ity ny asa uao mba tonga ianao. 1 Natao: Farafara vitako io fa tsy novidiko akory. 1 Azo atao: Vitako io fa aza matahotra lanao. 1 Tapitra: Vita ny trosanao izao ka aza manelingelina ahy intsony. 1 Tapa-ka, voafarana: Vita izay ny fanekena. 1 Maty, jingy: Notorahan'Ikoto indray mande-ha mania ilay fodilahy dia uita tery, - t.i.f.: Vitaina, vinita j ma-mita, famita, mpamita 1 amitàna, famitàna 1 mahavita j ahavitàna, fahavitàna 1 vitavita. Ahitsio
Visavisaina
[admin]
: (uisavisa) mt. ih (visavisào): Tanisaina, lazaina tsirairay: Tsy hay houisavisaina ny zavatra rehetra nataony. / Lazaina hatramin'izay antsipiriany madinika indrindra: Visauisao ary ny dia nataonao tany an-dreniuohitra! Ahitsio
Virosy
[admin]
: (fr. virus) a.: Karazana mikraoby manokana, mbola kely indray noho ny bakteria fa latsaka ny 0,2 ampaharivon'ny mm ny habeny ary tsy hita raha tsy amin'ny mikraoskopy manokana, fototry ny aretina ma-ro toy ny gripy, poliomieliVisavisa a.: Fitanisanisàna. / Filazalazana hatramin'izay antsipiriany madinika kely indrindra. / Enti-milaza ny teny mamohafoha ny lasa ombam-pitarainana fatratra. - t.i.f.: Visavisaina, voavisavisa j mamisavisa, famisavisa, mpamisavisa 1 amisavisàna, famisavisàna j mahavisavisa. Ahitsio
Viroka
[admin]
: na Virotra p.t.: (tarehy na vava) Mifandrirotra, mivilambilana. i t.if.: Avirotra, voavirotra, voaviroka I miviroka na mivirotra, fiviroka na fivirotra, mpiviroka na mpivirotra 1 mahaviroka, mahavirotra. Ahitsio
Viro
[admin]
: a.: Anaram-bibikely. Ahitsio
Virjiny
[admin]
: (lat. virgo, virginis) a.: Olona mbola tsy nanambady. 6 t.if.: Fahavirjiniana; Ahitsio
Virioka
[admin]
: p.t.: Tsy mahitsy fa misy mifaraingo na mibilabila. - t.i.f.: Avirioka, tafavirioka / mivirioka, fivirioka j viriodrioka. Ahitsio
Viraviraina
[admin]
: (viravira) mt. ih. (uirauirào): Kitakitaina atao ratsy fitondra, tsy itondrana roa: Nouirai) irain'ilay tsy mifaditrovana iny lahy ny zanako! 1 Raidraisina befahatany amin'ny tanana, fozafozaina: Nahoana re no dia uirauirainao toy izao ity akanjoko mivalona? 1 Roridroritina, saritadritahina: Novirauirain'ny amboadia ilay zanak'ondry ka maty tsy tradrano. Ahitsio
Viravira
[admin]
: a.: Fikitakitana. 1 Fandraindraisana befahatany amin'ny tanana, fozafoza. / Fanasaritsarihana, fandroridroritana. 1 t.if.: Viraviraina, aviravira, voaviravira, viniravira 1 mamiravira, famiravira, mpamiravira / amiraviràna, famiravkàna j mahaviravira. Ahitsio
Viona
[admin]
: ft.: Enti-milaza fibirioka, fihodivitra. / Vembena, vezimbezina, rondrona. 1 t.i.f.: Aviona, tafaviona j miviona, fiviona, mpiviona I ividnana, fividnana 1 viombiona. Ahitsio
Vioka
[admin]
: p.t.: Mitsoriaka, midify mandositra. - t.i.f.: Avioka, tafavioka j mivioka, fivioka, mpivioka 1 viobioka. Ahitsio
Vio
[admin]
: ft: Enti-milaza hataniahana sy havltrihana. 1 t, i.f.: Mavio, maviovio. Ahitsio
Vintsitra
[admin]
: p.t.: Voky mibotanaka ny kibony (filaza indrindra amin'ny zaza). Ahitsio
Vintsy
[admin]
: a.: Karazam-boronkely manga maitso sy marevaka ny sorany, atao koa hoe Maritaina. Ahitsio
Vintanina
[admin]
: a.: Karazan-kazo (Calophyllum spurium). Ahitsio
Vintana
[admin]
: a.: Anjara (soa na ratsy) heverina ho avy amin' ny sendrasendra na miankina amin'ny tonon'andro nahaterahana: Tsara vintana mihitsy ny zanakao nahazo ilay fiarakodia tamin'ny tombola. Ahitsio
Vinory
[admin]
: (vory) mt. ih. misy tsofoka in: Voavory, novorina; nangonina, noehina: Novinorin'ny mpiantso ny fokonolona. Ahitsio
Vinonjy
[admin]
: (vonjy) mt. ih, misy tsofoka in: Voavonjy, novonjena, navotana: O Io na novinonjiny tamin'ny loza ianao ka tokony hahay hankasitraka. Ahitsio
Viniviny
[admin]
: a.: Toetran'ny olona tezitra mihenahena tsy miteny fotsiny amin'izao, na ny endrika malonilony sy sosotra. - t.i.f.: Aviniviny, tafavinlviny I miviniviny, fiviniviny, mpiviniviny / iviniviniana, fiviniviniana / mahaviniviny. Ahitsio