Teny nampidirina farany

Viko
[admin]
: (Tsm) a.: Zavamaniry iray karazana amin'ny volotsangana, fanao sahafa sy fanohanana vavan-tandroho. Ahitsio
Vikiviky
[admin]
: a.: Hamailahana, havitrihana. - t.i.f.: Tafavikiviky I mivikiviky, fivikivikY, mpivikiviky / ivikivikiana, fivikivikiana / mamikiviky. Ahitsio
Vikinina
[admin]
: (vikina) mt. ih. (vikino): Ihoarana, dikaina, clinganina: Vikfno io tamboho io raha afakao. - F,-p,: Tsy vikinin-dahy na tsivikinindahy: tamboho eo amin'ny iray metatra sy sasany eo ho eo, na fefy hazo marani-doha. Ahitsio
Vikina
[admin]
: a.: Fandinganana misavoana avo dia mikasika ny tany indray; fihoarana, fitsipihana, tsambikina. 1 t.Lf.: Vikinina, avikina, voavikina, vinikina, tafavikina f mamikina, famikina, mpamikina 1 amikinana, famikinana f mivikina, fivikina, mpivikina I ivikinana, fivikinana / mahavikina / vikimbikina. - F,-p.: Manao uikin-tsahona: mitsambikina, ny tongotra roa mikambana. +t Ohab.: Atao vikina alina: aleo manana amby, toy izay tsy ampy: raha misy zavatra mampatahotra na mampisalasala, aleo manao mihoatra noho izay tokony hatao toy izay manao latsaka. Ahitsio
Vikera
[admin]
: (fr. vicaire) a.: Anarana iantsoana ny lefitry ny kiore. (fiv. kat.) Ahitsio
Vikavikaina
[admin]
: (vikavika) mt.ih. (vikavikào): Atao vikavika fotsiny; zairina atao zojdtra: Vikavikao, retsy, io lambako io fa maika hahodiko milina. Ahitsio
Vikavika
[admin]
: a.: Fomba fanjairana hanamarihana izay tena hozairina na hitanana azy fotsiny vonjimaika; zojdtra: A-taouy vikavika fotsiny aloha fa izaho no hanjaitra azy amin'ny milina. - t.i.f.: Vikavikaina, avikavika, voavikavika / mamikavika, famikavika, mpamikavika / amikavikàna, famikavikàna / mivikavika, fivikavika / ivikavikàna, fivikavikàna / mahavikavika. Ahitsio
Vika
[admin]
: a.: Ahitra lava fanao sarom-bovonana. ? h.o.: Entimilaza izay mafy sy maharitra. - t.i.f.: Mavika, mavibika. Ahitsio
Vika
[admin]
: a.: Pitsoka oritra, fahafolahan-taolana. i t.i.f.: Mivika, fivika. Ahitsio
Vihivihy
[admin]
: a.: Hovitra, pararetra noho ny hatsiaka. - t.i.f,: Mivihivihy, fivihivihy, mpivihivihy / ivihivihiana, fivihivihiana. Ahitsio
Vihina
[admin]
: na Vihindahy a.: Voa anankiroa voafono kitapo eo ambanin'ny faritra fananahan'ny lehilahy. Ahitsio
Vihana
[admin]
: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Viha
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry sahala amin'ny saonjo ngezabe fahita any anaty rano na amin'ny tany mando (Thyphonodorum Lindleganum), Ahitsio
Vifotsy
[admin]
: a,: Karazam-by manify fanaovana siny, zinga, maharitrafo, sns... Ahitsio
Vidina
[admin]
: (vidy) mt. ih. (vidio): Atakalo vola: Nouidiko valopolo ariary io reniakoho io, t+ Tambazam-bola: Isaorana Andriamanitra fa olona tsy mba azo vidim-bola raha ia mpitsara io. Ahitsio
Vidy
[admin]
: a.: Takalon-javatra arabola: Efa nomen'i Naivo ve ny vidin'ny bokinao tany aminy? 1 Valiny, setriny: ]o trano io izao no mba vidinkasasarako hatramin'izay. • Lanja: Tsy hay tombanana ny uidin'ny hatsaram-panahy na dia mbola eto an-tany aza. 6 t.tf.: Vidina, amfdy, voavidy, vinidy / mividy, fividy, mpividy f ividianana, fividianana / mahavidy / vidividy. Ahitsio
Vibrio
[admin]
: (fr. vibrion) a,: Mikraoby miditra amin'ny antokon' ny bakteria, miendrika faingo amin'ny fahitana azy amin'ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny kolerà. Ahitsio
Viavy
[admin]
: (fit,-p.) a.: Vehivavy. Ahitsio
Viaidina
[admin]
: a.: Karazana vy fanaovana fantsona fitondrandrano. Ahitsio
Via
[admin]
: a.: Jar. Viha. Ahitsio