Teny nampidirina farany

Mifandimby
[hery]
:(dimby) mt. pf. (mifandimbiasa): Misesy mifanarakaraka: Efatra ny filoham-pirenena nifandimby teto hatramin'izay. 1 Mifampisolo: Nifandimby izy mirahalahy nitondra ilay entana. / Nifandimby teny ny andro sy ny alina. 1 Enti-milaza olona roa na maro mampiasa zavatra tokana mifamadibadika ka mbetika ny iray, mbetika kosa ny iray hafa: Taloha nifandimby sotro ny mpivady vao teo amin'ny sakafom-pampakarana Ahitsio
Mifandetsy
[hery]
:(letsy) mt. pf. (mifandetse): Mifanala, izany hoe, ohatra, ka ananan'olona vola ny tena, ka misambotra amin'ny tena kosa indray io olona io, tsy aloa ilay volany fa io fotsiny no analana. Ahitsio
Mifandanja
[hery]
:(lanja) mt. s.: Mitovy larda: Mifandanja ny havesatr'ireto boky ireto. 1 Mifanentana: Mifandanja amin'ny harenany ny fahalalahan-tanany, / Mifandanja amin-dRazazalahy tokoa Razazauauy. Ahitsio
Mifandaka
[hery]
:(daka) mt. pf (mifandak?): Mifamely daka:Nifandaka Ibalita sy Isambilo. 1 Mifanohitra ohatra ny atsimo sy avaratra, mifanipaka: Mifandaka be ihany izany hevitrareo izany. Ahitsio
Mifandahatra
[hery]
:(lahatra) mt, s.: Miady hevitra mafy, Ahitsio
Mifandafatra
[hery]
:(lafatra) mt. s. Mi (mifandafara): Miady, mifanao andaniny sy ankflany: Nifandafatra tao an-tokotany tao izy roa tonta. Ahitsio
Mifanarototra
[hery]
:(rototra) mt. s.: Mifandrombaka, miantoraka amin'ny zavatra iray. Ahitsio
Mifanarotika
[hery]
:(rotika) mt, s.: Mikorontana, misaritaka. 1 h, o.: Tsy mifanaraka, misavorovoro. Ahitsio
Mifanaritaka
[hery]
:(saritaka) mt, s.: Mifandrirodrirotra, mifanintontsintona. 1 Mifangaroharo be ihany ka ny sasany mankatsy, ny sasany mankar?. Ahitsio
Mifanaretsaka
[hery]
:mt. s. (mifanaretsaha): Mandeha maro mitsoriaka etsy sy en). ka toa mifanena, mifanapaka ombieny ombieny; mifamezivezy t?a mifanenjika: Mifanaretsaka ny fiarakodia rehefa andro fety. Ahitsio
Mifanarakaraka
[hery]
:(araka) p. mt.: Mifampitohy tsy misy elanelany: Fety roa mifanarakaraka / Zaza roa mifanarakaraka. Ahitsio
Mifanaraka
[hery]
:(araka) mt pf. (mifanaraha): Tsaramiaraka: Mifanaraka tsara ny akanjo sy ny lambanao, 1 Manapakevitra miaraka: Nifanaraka Rabe sy Rakoto fa hanokatra uarotra. 1 Arakaraka ny, tahaka ny, mitovy amin' ny...: Tsy mifanaraka amin' ny teniny ny ataony, Ahitsio
Mifanantitra
[hery]
:(antitra) mt.s.: Samy ho tratran'ny fahanterana avy: Mifanantera amin' ny vady aman-janaka, tompoko. Ahitsio
Mifanandro
[hery]
:(andro) mt. pf (mifanandroa): Mifandimby miasa araka ny andro nifanarahana; mifampizara andro hiasana amin'ny asa anankiray tokony hifarimbonana; ohatra: Ny alatsinainy andRabe, ny talata an-dRakoto, ny alarobia an-dRanaivo... Ahitsio
Mifanandrify
[hery]
:(tandrify) mt.s.: Mifanatrika, mifanoloana: Rakoto no nifanandrify tamiko tamin'ny sakafo. 1 Mifanentana: Tsy mifanandrify amin'ny tanjak'io zaza io ity entana ity. 1 Mifanaraka: Mifanandrify amin'ny iriny ny zauatra miseho. Ahitsio
Mifanambina
[hery]
:(ambina) mt. Pf : Mitondra soa ho an'ny ankilany avy ny fiarahan'ny roa tonta: Nifanambina izy mivady fa sady niteraka ma-ro no nahangona harem-be. Ahitsio
Mifanamby
[hery]
:(tamby) mt, s.: Miloka, mifametra-teny fa izay resy an-doka dia manome vo-la an'ilay mandresy: Nifanamby efajato ariary izy roa lahy, Ahitsio
Mifanakona
[hery]
:(takona) mt, pf, (mifanakdna): Mirotsaka betsaka miara-manao asa sarotra lehibe iray, miara-mitondra zava-mavesatra iray; mifanampy, * Ohab : Asa vadi.drano: tsy uita tsy ifanakonana: tsy vita ny raharaha sarotra raha tsy iarahamanao, Ahitsio
Mifanaizana
[hery]
:(aizana) mt, pf.: Enti-milaza ny zaza mifanarakaraka, izany hoe ny iray mbola tany am-bohoka, ny iray aizana: Zaza nifanaiza. na izy mirahauauy ireo ka tsy mahagaga raha mlady lava izao, Ahitsio
Mifanaiky
[hery]
:(aiky) mt. pf. (mifaneke): Mifanao fanekena: Nifanaiky ny andaniny sy ny ankilany fa hatsahatra ny ady. / Mifanaraka, manapakevitra miaraka: Tsarovy ja nifanaiky tamiko ianao fa hanome vola ariary zato ahy, 1 Entf-milaza olona roa mifanao fanekena fa hivady: Efa nifanaiky teo imason' Andriamanitra sy ny fiango_ nana lanareo, Ahitsio