Teny nampidirina farany

Veravera
[admin]
: a.: Fanatsikerakerana sy fanasaratsarahana ny vohavoha na landy hofolesina. • Fivaroradrorahan'ny akanjo anaovana ka mampiseho vatana. • Toetran'ny olona mivozavoza, mitahontahona. i t.if.: Veraveraina, averavera, voaveravera / mameravera, fameravera, mpameravera 1 ameraveràna, fameraveràna j miveravera, fiveravera, mpiveravera / iveraveràna, fiveraveràna j mahaveravera. Ahitsio
Veraka
[admin]
: a: Toetran'ny zavatra misaratsaraka, mitriatra na vaky; famborahana. - t.i.f.: Verahina, voaveraka / mameraka, fameraka, mpameraka / amerahana, famerahana / miveraka, fiveraka / iverahana, fiverahana / mahaveraka j veraberaka. Ahitsio
Verahina
[admin]
: (veraka) mt. ih. (veraho): Vakina roa ka sokafana tsara: Misy vitsika ny voankazo sasany rehefa verahina, • Loarana ny tsinafny: Noverahina ilay kisoa rehefa avy nodorana. • Velarina: Veraho ny entanao hosavana. • Borahina: Aza matahotra fa veraho izay ao am-ponon. Ahitsio
Vara
[admin]
: (fr. verre) a.: Fitaovana fisotroan-drano vita amin' ny tamaboha tantera-pahazavana, - F.-p.: Dom-bera: fifandonam-bera rehefa misotro divay mba ho fifampirariana soa. Ahitsio
Veoveoka
[admin]
: a.: Anarana karazam-borona. Ahitsio
Ventiny
[admin]
: a.: Enti-milaza zavatra vongany fa tsy ranony. Ahitsio
Venty
[admin]
: a.: Anaram-bola malagasy ampahenin'ny ariary ny sandany na iralmbilanja; latsaka voamen: 0,80Fr ary miditra amin'lreto anarambola manaraka ireto: lasiuenty (ilavoamena sy venty: OFr9O);uentlsikorobo (2Frs); ariary latsabenty (4Frs). Ahitsio
Venty
[admin]
: a.: Fototry ny isa. • 1024 Antoko, tsinjara: Lalàna dimy venty sy telonjato. • Fo topototra: Holazaiko anao ny ventin'ny lahateny nataony fa henoy tsara dry. *Vongana iray mitambatra: Ranony daholo izy izany fa tsy misy ventiny na dia kely oza, t' Fitarihana hira. - t.i.f.: Ventesina, voaventy j miventy, fiventy, mpiventy I iventesana, fiventesana / mahaventy. - Ventin-teny: fototry ny teny na ny lahateny. Ahitsio
Ventesina
[admin]
: (venty) mt. fh. (c'en-tain): (hira, fivavahana) Tarihina: Venteso ny fivavahana. Ahitsio
Venezoelianina
[admin]
: (fr. vénézuelien) a. : Ny firenena tompontany any Venezoela (Amerika ataimo). ? p.t.: Momba an'i Venezoela, an'i Venezoela na avy any Venezoela: Ny Espaniola no teny tenenin'ny mponina venezoelian(na. Ahitsio
Vendrivendry
[admin]
: a.: Firenirenena, • Hadalana, haketrenana. • Tsy fanasiana antony, filalaovana, famazivaziana. • Fahajemben'ny maso tarafin' ny hazavana ka mipendrampendrana. - t.i.f.: Avendrivendry, voavendrivendry, tafavendrivendry / mamendrivendry, famendrivendry, mpamendrivendry / amendrivendrena, famendrivendrena / mivendrivendry, fivendrivendry, mpivendrivendry / ivendrivendrena, fivendrivendrena I mahavendrivendry. Ahitsio
Vendranina
[admin]
: (vendrana) mt. ih. (vendrano): (maso) Sokafana avadika mba hanalana tapak' ahitra sendra nahaditsoka. • Verahina roa (ohatra ny akoho vonoina). Ahitsio
Vendrana
[admin]
: a.: Karazana hazandrano. Ahitsio
Vendrana
[admin]
: p.t.: Mihenjana, misokatra kely ny hodimaso: Vendrana hatrany an-kibondreniny io zaza io. • Adaladala, tay mahay na inona na inona: Olona vendrana ve no iaraha-miasa ka aiza no ho tsara ny zavatra ataol - t.i.f.: Vendranina, avendrana, voavendrana j mamendrana, famendrana, mpamendrana I amendranana, famendranana I mivendrana, fivendrana I mahavendrana / vendrambendrana / mamendrambendrana. Ahitsio
Venavena
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra, toy ny fery na lavaka, misokatra makadiry, mitanatana. • Toetran'olona miraikiraiky, mitahontahona. - t.i.f.: Mamenavena, famenavena / mivenavena, fivenavena, mpivenavena I ivenavenana, fivenavenana / mangovenavena, Ahitsio
Vena
[admin]
: ft.: Rona, fihilanana, firaikana, * t.i.f.: Avena, voavena / mi-vans, fivena, mpivena I vembena / avembena, voavembena, tafavembena / mivembena, fivembena, mpivembena / ivembenana, fivembenana / mahavembena. Ahitsio
Vena
[admin]
: (fr. veine) a.: Lalandra mitondra ny ra miverina ho ao amin'ny fo rehefa avy ni-tondra sakafo ho an'ny tena rehetra; mangamanga kosa noho izany ny ra ao aminy. Ahitsio
Vembena
[admin]
: (vena) a.: Firondronana, fihilangilanana. * t.Lf.: Mivembena, fivembena, mpivembena. Ahitsio
Velovelo
[admin]
: ft.: Sarlsary hita an' eritreritra; fahontsana man-gins. - t.i.f.: Mamelovelo. Ahitsio
Velona
[admin]
: p. t.: Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko —Mbola uelona any ihany va re izay Rabe e! • Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa uelono ve ilay fiarakodianao? • Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy — Velona ny amponga — Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy. • Mirehitra (amin'ny hevitra ara-bakiteny sy an'ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro uary ianao — Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany. i Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany — Mbola uelona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana". e Manomboka: Na-ka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka. • t.-p.: Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! ? p. r nt.: Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany! - t.i.f.: Veloma, velomina, voavelona, vinelona / mamelona, famelona, mpamelona / amelomana, famelomana / mivelona, fivelona, mpivelona / ivelomana, fivelomana / mampivelona, mpampivelona / mahavelona / velombelona. - F.-p.: Manao mamy fo uelona: tia tena izaitsizy. / Mihirim-belona: kahihitra fatratra. / Mikimpy velona: miaxitra izaitsizy. / Rano vela-na: rano mikoriana. / Velom-bao: enti-milaza ny vehivavy vao avy niteraka, tera-bao. / Velom-bolo: mitsiatsia tsara, falifaly, miramirana. J Velona akora: miantsoantso, mihorakoraka, / Velona ambod: enti-milaza ny olona tsy maty ny am-boa natao solony tamin'ny fampinomana ka naman'ny naharesy ihany. / Velona antoka: enti-milaza ny zavatra amidy amin'ny vidy nahazoana azy lhany. / Velon-dindo: mana-mpandimby mendrika; masonkarena. / Velondratsy: valons saingy ory fadiranovana. / Velona eritreritra: lasa fisainana, tonga ma-nana ahiahy. / Velon-)aza: nahazo zaza. I Velon-taho: ilazana ireo vodin-javamaniry alaina nefa tsy voaongotra ny tahony. I Tsy velon-komana: mahia kaozatra. J Velo-mihafy: kamboty mlahy tena. / Velo-misalahy: faly amin'ny anjara azo raha mfsy fizaran-javatra natao. Ahitsio