Teny nampidirina farany

Vatopaika
[admin]
: (t. tr.) a.: Vonjy fo, sakafo tohan'aina. Ahitsio
Vatonono
[admin]
: a.: Jer. Nono. Ahitsio
Vatony
[admin]
: na Sakany na Andranarivavy (Btt) a.: Vantotr' ombivavy afa-miteraka. Ahitsio
Vatonangy
[admin]
: a.: Karazam-bato mafy. Ahitsio
Vatonakoho
[admin]
: a.: Karazam-bato malemy sady loadoaka. Ahitsio
Vatomizana
[admin]
: a.: Fonjana metaly ampiasaina amin'ny fandanjana zavatra amin'ny mizana; manana endrika efa raikitra ny vatomizana ary misy tarehimarika milaza ny lanjany avy: l kilao, 2 kilao, 5 kilao, sns... Ahitsio
Vatomazava
[admin]
: g: Karazana vatokaranana madio, tantera-pahazavana vita-Nanahary. Ahitsio
Vatomasina
[admin]
: a.: Sehatra boribory sy avo, voafaritra amin' ny vato, natokana hikabarian'ny Andriamanjaka fahizay. Ahitsio
Vatomanga
[admin]
: a.: Karazam-batosoa manga mahafinaritra ny lokony. Ahitsio
Vatomandry
[admin]
: (Ats) a.: Vary afafy amin'ny heniheny ka jinjaina amin'ny ririnina. Ahitsio
Vatomamy
[admin]
: a.: Karazan-javapihinana aingitraingitra vita amin'ny siramamy, mitarehina vato kely boribory. Ahitsio
Vatomainty
[admin]
: a: Karazam-bato mainty fahita betsaka eto amin'ny Nosy, heverina ho avy amin'ny fivainganan'ny mineraly niempo fahizay. Ahitsio
Vatolahy
[admin]
: na Vato mitsangana a.: Vato ajoro eo ambony f asana na amin'ny toerana an-kavoana amoron-dalana mazàna misy soratra fampahatsiarovana. Ahitsio
Vatokilonjy
[admin]
: a.: Vongam-bato madinidinika efa tonga malama sy boribory noho izy nifampikasokasoka tao anaty rano. Ahitsio
Vatokaranana
[admin]
: na Vatoharanana a.: Karazam-bato mafy sy mangarangarana. Ahitsio
Vatokangaly
[admin]
: na Vatongaly na Vatokinangaly a.: Karazambato mainty mangilohilo. Ahitsio
Vatofantsika
[admin]
: a.: Fonjam-by alentika any anaty ranomasina mba hitana ny sambo tsy handeha. Ahitsio
Vatofalia
[admin]
: na Falia a: Jer. Vatoafo. Ahitsio
Vatodidy
[admin]
: a.: Karazam-bato menamena madini-bolo sady malemilemy no tsy dia malama, ka atao fandranitana antsy tsara na fiasana (rehefa voavoatra toy izany ny vatodidy dia atao hoe vatoasana) mora pehina koa ny vatodidy ka ampiasaina hanaovana sary na haingontrano. Ahitsio
Vatobodo
[admin]
: a.: Karazam-bato mafonja. Ahitsio