Teny nampidirina farany

Vatoasana
[admin]
: a.: Karazam-batovary malemy volo atao fandranitana fiasana, toy ny antsy, hety... Ahitsio
Vatoana
[admin]
: p.t.: Be vato: Tany votoana, vary vatoana ? Hetry, botry, vatokely: Vatoana ity arma ity. ~ Mafy, sarotra andrahoina: Mangahazo uatoana. Ahitsio
Vatoafo
[admin]
: na Vatofalia a.: Karazam-bato mainty mafy, fakana afo fa mora miteraka afo rehefa ampifampikasohina; fanaovana kapaika Ahitsio
Vato
[admin]
: a.: Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain'ny mpahalala fa avy amin'ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany. ? Potik'io voalaza eo ambony: Vary be vato. 1 Ireo toko alahatra amin'ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona. ~ Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: Vato-mizana. ~ Isa azo amin'ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Baba tamin'ny fifidianana farany. - t.i.f.: Vatoana / mamato, famato / mamatovato, famatovato. - F.-p.: Akora voto: silatsila-bato toa tsy ilaina manao ahoana. / Fo vato: fo tsy mangoraka olona. /Fonosimbato; haham-bato: enti-milaza hafatra tsy nova, voatahiry tsy nisy nahafahana. /Manao am-batonikaky: mandraikitra zavatra indray mandeha, ka tsy azo ovana intsony io; mihenahena amin' ny teny natao, toy ny mpivarotra tsy azo iadiam-barotra. / Mangidy vato: mety hanan-kevitra maro: na fatratra, na sarotra, na tsy laitra. / Nitady toko ka sendra vato: sendra izay notadiavina indrindra (matetika io f.-p. io no tohizana ny hoe: "naniry zaza ka tera-dahy", "nikororoka vary ka sendra rivotra"). / Toro vato nandiauana: maty olona kiady sy voninahitra (mitovy amin'ny hoe: folaka andry niankinana). / Vato ateli-mamba: enti-milaza ny tenin'olona efa ho faty izay tsy maintsy tovfna tanteraka, na koa teny na tsiambaratelo tanana mafy tsy atao misy mahalala. / Vato eran-tanana: olona eo am-pelatanan'ny hafa ka azony ampiasaina araka izay itiavany azy. / Vato fa-mono lolo: olona fanariana ny raharaha rehetra. / Vato fehizoro: vato fototra eo amin'ny zoron'ny trano aoriana. J Vato fiolahana: fialana. ( Vota filokana; vato torahana na vato tsipazana: vato misy loaka notorahan' ny olona ka noheverin'ny mpinompino foana fa fambara tsara raha tafiditra tao anaty lavaka ny vato, fa fambara ratsy kosa raha tsy tafiditra. / Vato kely vaua: kahihitra, mahidy mihirim-belona. / Vota mahery: vato-mizana mavesatra kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato mitsangana: vato fahatsiarovana. / Vato nametan-kafatra: olona nametrahana teny ka tsy ma-nova izany. / Vato osa: vatomizana maivana kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato tsindry hahazana: ilazana ny vato ataingina eo amin'ny sisin'ny tsihy anahazam-bary mba tsy hikopahan'ny tsihy rehefa tsofin'ny rivotra, ka esorina rehefa mena ny vary. ? h.o.: Zavatra na olona akipaka rehefa tsy misy ilana azy intsony. * Ohab.: Aza atao uato tsindry hahazana, ka raha maioka ny andro atsipy: enti-mananatra tsy hanao tsinontsinona ireo nahitana soa rehefa tsy misy ilana azy intsony. / Vato atora-pody ka tsy mataho-bary hihintsana: enti-milaza zavatra tsy maintsy atao noho ny soa kendrena aminy, ka tsy ajanona na inona inona tonga. Ahitsio
Vatana
[admin]
: a.: Ny tenan'ny olona na biby: Ny olombelona dia uatana sy fanahy araka ny fampianaran'ny antokom-pinoana maro. - F.-p.: Isam-batan'olona: enti-milaza ny tenan'ny olona tsirairay avy. / Vata-miaramila: miaramila tsotra tsy manan-galona. / Vatan-dehi?ahy: ny lehilahy rehetra ao amin'ny toerana iray. / Vatan'orona: ny tampon'orona, ny taolan'orona. / Vatantenany: enti-milaza hoe ny tenany mlhitsy. / Vatan-tsambo: ny tapaky ny sambo mitsinkafona ambonin'ny rano. / Vatan'okondro: ilay taho ben' ny akondro mitondra ny tenany manontolo. / Vatan' adaia: enti-milaza olona na zavatra lehibe ratsy bika, tsisy endriny. / Vaton-tainy: teny fanambaniana ilazana ny miaramila tsy manana Brady, ny vata-miaramlla. Ahitsio
Vata
[admin]
: a.: Fanaka vita amin' ny hazo na vy, atao fainetrahana fitafiana na zavatra hafa ao anatiny: Avalona ao anaty vota ny lamba madio. 1 Fotoben'ny famarana taloha izay natao koa hoe fahenim-bary, mitovy amin'ny 20 1 na 2 dal ankehitriny; ny tapa-bata izany dia 10 litatra no fatrany. • F.-p,: Vatabe: tenabe (ny vataben-dokanga). / Vatandrakitra: vata fandatsahandrakitra. / Vatam-paty: vata filevenana na vata ametrahana ny faty andeha halevina. / Vatasarihana: vatakely norafetana hifampiditra amin' ny latabatra ka azo aintonina sy atosika araka izay itiavana azy. * Ohab.: Tantely tapa-bata ka ny fo no mameno azy: enti-miala tsiny raha kely tsy arakaraka ny fitiavana ny fanomezana atao. Ahitsio
Vasoka
[admin]
: p. t.: Tay mamiratra na mangiran fa mangavoka, matroka, komavoka: Vatoaoa efa vasoka ity ka tsy tiako. 1 Afa-baraka ka menatra. 1 t.if.: Vasohina, voavasoka / mamasoka, famasoka, mpamasoka / amasohana, famasohana / mahavasoka / vasobasoka. ¶ M.h.: Tsy mamiratra, tsy mangirana, tsy mandina, matroka, mangafoka, mangavoka, vazina, kimavo. Ahitsio
Vasohina
[admin]
: (vasoka) mt, ih. (vasohy): Atao mangavoka. 1 Alana baraka: Novasohiny teo imason'ny olona teo a-ho. Ahitsio
Vasia
[admin]
: (fit.-p.) a.: Kintana. Vasia (t. tr.) a: Dihy. Ahitsio
Vasavasaina
[admin]
: (vasavasa) mt. ih. (vasavasao): Fakafakaina hatramin'ny antsipiriany madinika. Ahitsio
Vasavasa
[admin]
: a.: Famakafakana (zavatra) hatramin'ny antsipirianY madinika - t.i.f.: Vasavasaina, voavasavasa / mamasavasa, famasavasa, mpamasavasa / amasavasana, famasavasana / mivasavasa, fivasavasa, mpivasavasa / vasavasana, fivasavasana / mahavasavasa. Ahitsio
Varozaka
[admin]
: Varozana a. sy p. t.: Enti-milaza: 1) zavatra lava mirefarefa na mitaritarfka; 2) teny lava tsy misy antony fa ny teo ihany no averimberiaa, - t.i.f.: Avarozaka / manavarozaka, fanavarozaka, mpanavarozaka j anavarozahana, fanavarozahana / mivarozaka, fivarozaka, mpivarozaka / ivarozahana, fivarozahana / mahavarozaka / varozadrozaka. Ahitsio
Varotra
[admin]
: a: Fanakalozan-javatra amin'ny vola, hitadiavantombony: Lasa nanao varotra any an-tsiraka izy. 1 Entana amidy: Aza hitsahinao ity varotr'olona. i t.if.: Voavarotra / mivarotra, fivarotra, mpivarotra / ivarotana, fivarotana / mampivarotra, mifampivarotra, mahavarotra / varobarotra. - F.-p.: Ady varotra: fifamaliana ataon'ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan'ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mainpihena avy hatrany. / Mamola-barotra: mampitamby ny mpivarotra ny mpividy mba hampihenany ny vidin'ny entana iadiam-barotra, na mampitamby ny mpividy ny mpivarotra mba hanekeny ny vidiny araka ny tiany hivarotana azy. / Manongombarotra: mahita olon-kafa mitady hividy ilay zavatra efa nokasaina hovidina ka manondrotra indray ny vidiny efa nomena. / Mivaro-tena: mahazo vola amin'ny fijanganjangana. / Varotra alika: varotra ifanerena. / Varotra ambongadiny: varotra be no atao fa tsy mitsipotipotika. / Varotra an'elakelatrano, varotra an-kobohobo: varotra atao any an-takontakona tsy sahy mazava noho ny mpivarotra ta hanondrotra ny vidin'entana tsy ara-drariny. / Varotra an-trano tokana: varotra entana tsy mety hita any an-kafa fa ao amin'io toerana io ihany. / Varotra antsinjarany: fivarotana zavatra tsipotehina madinidinika. / Varotra olona: fivarotana olona atao mpanompo. / Varotra omby anaty ambiaty: varo-javatra tsy eo ambany maso. / Varotry ny mananotena: varotry ny mpivarotra misalasala noho izy sady ta hahazo vola no toa tsy mahafoy entana. / Varo-bazaha: varotra tsy misy ady varotra fa efa raikitra hatrany tsy azo ovana ny vidin'entana. / Varoboba: varotra mora dia mora. / Varo-dratsy: fivarotana zavatra nangalarina. / Varodroa: enti-milaza olona roa samy mivarotra zavatra iray (oh. trano iray izay karakaraina mpanera roa samy ha-fa). / Varotra mahay mody: varotra azo averina na afody. / Varo-maika na Varotry ny maika hiala, Varotry ny mai-ka hody: varo-mora. / Varomaizina: mitovy amin'ny varotra an'elakela-trano. / Varo-mandeha: fivarotana enta-na mifindrafindra amin'ny toerana maro samihafa fa tsy amin'ny toerana anankiray raikitra. / Varo-maty: varotra entana tsy azo averina intsony na manao ahoana na manao ahoana. 1 h,o,: Fahafatesana, / Varo-miandry: varotra entana izay avela hijanona eo raha mbola tsy lafo. / Varo-miera na Varo-mifody: varotra entana azon'ny mpividy averina raha tsy mahafa-po azy. / Varotra misy fehi-uauany: varotra misy fepetra izay azo ravana. J Varotra tsy miverimbodiondry: varotra entana nanomezana vola mialoha ho fandraiketam-barotra, ka raha tahiny tsy raildtra ny varotra any aorian, dia lany maina iny vola iny fa tsy averin'ilay olona tompon'entana intsony. / Varo-tay mifody: varotra entana tsy azo averina intsony. 1 h.o.: Fahafatesana. Ahitsio
Varoraka
[admin]
: p.t.: Enti-milaza akanjo na lamba tsy voafatotra tsars fa ketraka, migedragedra. 1 h.o.: Tay mihetsika firy fa kivy sady vizana. - t.i.f.: Avaroraka, voavaroraka, tafavaroraka / manavaroraka, fanavaroraka, mpanavaroraka / anavarorahana, fanavarorahana / mivaroraka, fivaxoraka, mpivaroraka / ivarorahana, fivarorahana / mahavaroraka / varoradroraka. Ahitsio
Varongy
[admin]
: a.: Hazon'ala atsinanana, tsy dia mafy loatra, nefa maro mpitady hanaovana hazon-trano, hazon-kodiaran-tsarety, rafitra madinika... (Ocatea tricophlebia). Ahitsio
Varombo
[admin]
: a.: Ilay faritra hoboka aty idiran'ny zarany amin'ny angady. Ahitsio
Varizoka
[admin]
: a: Resadresaka tsy misy antony mitarazoka tsisy farany. 1 Varizohina, tafavarizoka/mivarizoka, fivarizoka, mpivarizoka / ivarizohana, fivarizohana / mahavarizoka / varizodxizoka. Ahitsio
Varizohina
[admin]
: (varizoka) mt. ih. (uarizohy): Enti-milaza zavatra resahina lavareny, tsisy farany. Ahitsio
Varivarina
[admin]
: (varivary) mt. th. (varivario): Asianavarivary. Ahitsio
Varivary
[admin]
: p.t.: Vakin-kazo lava marotsaka fantsihana amin' ny lohatrano ka ipetrahan' ny tafo: Volotsangana no fanao uarivarin'ny tafo. 1 t, : Varivarina, mamarivary, famarivary, mpamarivary / mahavarivary. * Fiten.: Ianao no vovonana iadian'ny lohany, varivary andrian'ny tafo: enti-milaza olona ipetrahan'adidy amana andraikitra lehibe. Ahitsio