Teny nampidirina farany

Varivary
[admin]
: a: Tsy tena mamo, falifaty noho ny hantamoana, mienjina, jaonjaona. 1 Atriatry, salasalany, tsy kely tsy lehibe (filaza indrindra amin'ny hazandrano). Ahitsio
Varirotra
[admin]
: p.t.: Enti-milaza ny tarehy na molotra mifendrotra na mifandrirotra noho ny zava-mahazo. - t.i.f.: Mivarirotra, fivarirotra / mahavarirotra / varirodrirotra. Ahitsio
Variraiventy
[admin]
: a: Anaran'ny vakim-bola kely indrindra. mitovy lanja amin'ny voambary anankiray; ny sandany dia iray ampaharoapolo amby fitonjaton'ny ariary. Ahitsio
Variona
[admin]
: a.: Rivotra avy andrefan'ny amorontsiraka atsinanana; ny avy any atsimo kosa atao hoe anintafara. Ahitsio
Varingarina
[admin]
: a.: Iraizotongotra izay manana fototra faribolana. Ahitsio
Varinesy
[admin]
: (angl. uarnish) a.: Zavatra ahosotra ny hazo mba hampalambolambo ary hampamirapiratra azy. Ahitsio
Varina
[admin]
: (vatra) mt, ih. (varo): Zarina: Varo hikarakara tena ireo zaza ireo. Ahitsio
Varina
[admin]
: a.: Fidinana, fianjerana, fitsingidinana, fanonganana, fionganana. i Avarina, voavarina, tafavarina / mamarina, famarina, mpamarina / amarina-na, famarinana / mivarina, fivarina, mpivarina / ivarinana, fivarinana / mahavarina, varimbarina. Ahitsio
Varimbazaha
[admin]
: a.: Karazam-bary famboly indrindra any amin'ny tany mangatslaka (E-oropa, Amerika avaratra...), ahazoana ny lafarina, izay anaovan ny mofo atao hoe mofo dipaina. Ahitsio
Varikitia
[admin]
: a.: Anaran-kazo madlnika (Clorodendron emirnense). Ahitsio
Varika
[admin]
: a.: Karazana gidro kely, ny rambony misoratra mitapatapaka. Ahitsio
Varijo
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny omby fotsy handrina. Ahitsio
Varifitoventy
[admin]
: a.: Anaram-bola mitovy amin'ny variraiventy impito, izany hoe mitovy lanja amin'ny voambary fito, ka ny sandany dia dimy santima amin'ny vola ankehitriny (0,05f). Ahitsio
Varidimiventy
[admin]
: a.: Anaram-bola izay latsaka kely noho ny varifitoventy. * Ohab.: Varidimiventy namidy vozon-kena: kely ihany fa misauily any an-katony na Varidimiventy namidy trafonkena: kely ihany fa lasana ambony: ilazana zavatra kely jerena toa tsy inona, nefa nahazoana na nahavitana zava-dehibe. Ahitsio
Varibotry
[admin]
: a.: Dihim-behivavy iray karazana amin'ny tsipisandry ihany fa miletaka mihabotry somary manjoko ny mpandihy. Ahitsio
Variana
[admin]
: p. t.: Vary hevitra: Very ny firavako sarobidy ka variana aho. 1 Lasa eritreritra: Variana aho mijery ireto tanora betsaka, tsy maintsy hitadiauana asa rahampitso, 1 Mifantoka amin'ny zavatra tokana ny sain ka manadino izay tokony hatao, sondriana, revo: Varian-dalao izy ka tsy nahatsiaro sakafo akory. - t.i.f.: Mahavariana, fahavariana, fahavarianana / varivariana. Ahitsio
Variaminanana
[admin]
: a.: Vary misy teti-kena sy karazan'anana samihafa (anatsonga, anamamy, voatabiha, tongolo...) handroina miaraka. Intelo miantoana no fahandro ny variaminanana: ny teti-kena aloha, dia ny anana, ary izaY vao ny fotsimbary rehefa mangotraka ireo. Ahitsio
Varialoha
[admin]
: a.: Anarana omena amin'ny afovoan-tany ny vary afafy amin'ny volana Avrily sy Mey, ketsaina amin'ny Aogositra ary jinjafna amin' ny Zanvie. * Ohab.: Toy ny varialoha: mahatra-po fa tsy mahavita taona: enti-milaza ny zavatra izay mahavonjy amin'ny fotoana iray, fa tsy mahafapahasahiranana maharitra. Ahitsio
Vary
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry madini-boa, izay ambolena amin'ny tany malaria sy be rano, foto-kanin'ny telo ampahefatry ny mponlna eran'izao tontolo izao, ka anisan'izany ny Malagasy. (Misy karazany maro ny vary arakaraka ny lafiny jerena: raha ny bika aman' endriny no jerena, ao ny vary lava, vary botry, vary rojo..., Miha-betsaka ny karazana vary misy eto Madagasikara toy ny vary dista, makalioka, ny vary gasin'ny Mangamila, ny varin'ny Marovoay, ... Raha ny toerana aniriany kosa, ao ny vary ankeniheny, ny vary an-tanety, ny vary tomboka; raha ny fotoana amafazana azy, ao ny varialoha, vakiambiaty, vary asara, vary jeby, vary atriatry.•). 1 Famarana taloha mitovy amin'ny tolàna inenin'ny vata, izany hoe ~— mahatratra eo amin'ny 120 litatra ankehitriny eo ho savily eo: Vary zato tsy entimandeha. - F,-p.: Vary varialoha (jar. io teny io), / Vary vakiambiaty (jer, io teny io). / Vary asara: vary ambolena amin'ny Janoary. / Vary jeby: vary afafy amin'ny Mey, ketsaina amin'ny Jiona ary jinjaina Novambra. / Vary atriatry: ambolena amin'ny Martsa (amin'ny tapany avaratra andrefana daholo ireo telo farany). / Vary rahana: vary akotry maitso andrahoina, ahahy vao totoina. Ireto avy no zavatra lalovan'ny vary miatomboka izy akotry mandra-pahatongany ho vary azo hanina akotry: ireo totoina na atao masomboly afafy aloha ny akotry eny amin'ny taninketsa izay efa voaomana ketsaina ireo ketsa atao eny amin'ny tanimbary avaina afaka volana vitsy, rehefa matoy manomboka mavomavo dia jinjaina, atapy eny amin'ny famoloana ho maina, totoina ary hofaina izay vao andrahoina ohabolana fampiasa: vary sy rano an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao Ahitsio
Vareraka
[admin]
: ft.: Enti-milaza fitafiana miborotsaka ny ilany, mirefarefa; fiboretahana fotsiny kivy sy ketraka fa tsy mampiseho herin-tsaina. - t.i.f : Avareraka, voavareraka, tafavareraka / manavareraka, fanavareraka,mpanavareraka I anavarerahana, fanavarerahana 1 mivareraka, fivareraka, mpivareraka 1 ivarerahana, fivarerahana 1 vareradreraka. Ahitsio