Teny nampidirina farany

Varavarana
[admin]
: (Btm) a.: Anarankazandrano. Ahitsio
Varavarana
[admin]
: a.: Loaka namboarina amin'ny rindrin'ny trano mba hahazoana miditra sy mivoaka ao an-trano ary koa mba hahazoan'ny trano rivotra sy hazavana. (Roa karazana ny hazo rafibaravarana, dia ny tolana sy ny lélavarauarnna: ny tolana no iraiketan'ny varavarana amin'ny rindrina noloahana ary ny lelavaravarana kosa dia ilay hazo fisaka voavoatra ho azo arindrina sy vohaina mipetaka amin' ny tolana amin'ny alalan' ny savily). Ahitsio
Varatraza
[admin]
: a.: Rivotra mangatsiaka avy atsimo,atsinanana mitsoka amin'ny volana Jiona sy Jolay any amin'ny tapany avaratra sy avaratra andrefana. Ahitsio
Varatra
[admin]
: a.: Karazan'afo avy amin'ny fifanatonan'ny rahona misy elektrisite sy ny tany, rehefa avy orana, ka mahatonga tselatra sy kotroka ary mahafaty izay ilatsahany: Nilatsahan'ny varatra ny omby niraoka tery an-kavoana - F.-p.: Ohatra ny nilatsaham-baratra: ankona tsy mahateny. / Vara-datsaka: feonjavatra mitalakotrokotroka mankarenin-tsofina. / Varamaina: varatra mipoaka tsy avy orana. 1 h,o,: Hatezerana tsy hita antony. / Zanabaratra: olona tsy mahalala mankasitraka. / Namelonjana-barati'a: nanao soa olona tsy mahay mankasitraka. ¶ M.h.: Fotaka. Ahitsio
Varapohe
[admin]
: (Ski) a: Jar. Radraty. Ahitsio
Varanga
[admin]
: sy Varangan-kena a,: Hena masaka, alona ao anaty menaka mba haharetany sy hahatsara tsiro azy. - F,-p,; Varangan'amalona: amalona masaka alona anaty menaka mba haharitra. / Varangam-bitsika: tranom-bitsika eny ambony hazo. Ahitsio
Varanga
[admin]
: a.: Hazakazaka, fandehanana haingana dia haingana: Manao varanga (jer. Rarangy). Ahitsio
Varakahaka
[admin]
: (varaka) p.t.: Malemy miparitaka. 1 h.o,: Mihahakaha-kevitra, lasam-borona. Ahitsio
Varaka
[admin]
: ft.: Triatra, tsefaka — der. Veraka), it t.if.: Mivaraka / varakahaka, mivarakahaka, fivarakahaka. Ahitsio
Varahontsana
[admin]
: p.t.: Tsy mahahetsika noho ny hatairana na tahotra. i t.if : Mivarahontsana, fivarahontsana. Ahitsio
Varahina
[admin]
: a.: Karaza-metaly menamena azo anjahina ary azo taritina ho tariby izay ampiasaina betsaka, indrindra amin'ny fampitana ny herim-baratra amin'ny elektrisite. Ahitsio
Vaozina
[admin]
: Havaozina (vao) mt. ih. (vaozy, havaozy): (Ity faharoa no fampiasa kokoa) Soloana hafa: Nohavaoziny daholo ny mpiasam-barotra tao aminy. 1 Soloana vaovao: Havaozin'ny lohataona ny zava-drehetra. / Averina, indraozina: Rehefa lehibebe, tsara hohavaozina ny toky nomena tamin'ny batemy. Ahitsio
Vaovao
[admin]
: a.: Zavatra niseho vao haingana ka ataon'ny olona firesaka: Tamin'ny radio no nandrenesanay aninaraina izany vaovao izany, ¶ M.h.: Maresaka. 1 p. t.: Enti-milaza zavatra tsy nisy na tsy fantatra raha tsy vao haingana: Teny vaovao izany ka tsy fantatro. 1 Enti-milaza zavatra nentina na nanaovana voalohany: Nitondra kiraro vaovao i Koto tamin'ny Krismasy. ¶ M.h.: Maresaka, mahoraka, resaky ny olona, ambentin-dresaka, teny mandeha, sahoa, tsaho, honohono, tsahotsaho, fary mitety reny, siosio. Ahitsio
Vaona
[admin]
: ft.: Tsy mahitsy, meloka. i t.if.: Avaona, tafavaona / mivaona, fivaona, mpivaona 1 ivaonana, fivaonana / vaombaona. Ahitsio
Vaomiera
[admin]
: a.: Fivorian'olona vitsivitsy notinendry mba handinika zavatra kasaina ha-tao na hanara-maso ny fanatanterahan-javatra notinapaka. ¶ M.h.: Komisiona. Ahitsio
Vaoka
[admin]
: a.: Volo ampaniriana mandady amin'ny fihirifana ka matetika mampitohy ny volombava sy ny volondoha. 1 t.if.: Vaohina. Ahitsio
Vaohina
[admin]
: (vaoka) p.t.: Misy vaoka: Lehilahy vaohina izay izy. Ahitsio
Vaofy
[admin]
: Jer. Vofy. Ahitsio
Vao
[admin]
: p.t.: Tsy mbola simba: Mofo vao vidina fa efa leon' ny mofo mialina andro aho. 1 Niseho tsy ela izay: Fery vao. 1 Tsy tranainy, tsy ton-ta: Nosoloana dabilio vao daholo ny dabilio tao am-piangonana. Ny p.mt, "Vao" dia manan-kevitra samy hafa araka ny matoanteny miaraka aminy, na milaza ny ankehitriny, na ny lasa, na ny ho avy: 1) Mbola eo...: Vao misakafo izahay. 2) Avy... tsy ela akory: Vao nisakafo izahay, 3) Efa akaiky ny: Vao hisakafo izahay. 1 ppt. feh.: Raha vantany avy...: Vao nahare poa-basy izy dia nandositra. i Vaozina, havaozina/ manavao, fanavao, mpanavao / anavaozana, fanavaozana / mifanavao 1 mihavao / ihavaozana, fihavaozana / mahavao 1 mavao. Ahitsio
Vantsiona
[admin]
: a.: Karazan'akoho (Porphyrio smaragnotus). Ahitsio