Teny nampidirina farany

Sarimiaina
[Jery (Jax Percy)]
:sary+miaina. tiana ampidirina ao anatin'ny rakibolana malagasy handikana ny teny frantsay hoe: film Ahitsio
Tara
[Ny Antara ANDRIANARISAINA]
:ny "tara" dia anarana hilazana ny "mpanjakan'ny rano" Ahitsio
gala
[manampytsoa]
:Milaza vola arivo ariary Ahitsio
homby
[Silvanna]
:«homby»: midika hoe "antonona" na "sahaza" samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin'io ka toerana io ohatra: -tsy homby anao iny pataloha iny. (Tsy antonona, tsy sahaza) -hafaliana tsy homby tratra (mihoatra ny tratra) Ahitsio
Fanivaka
[Jery (Jax Percy)]
:f+an+ivaka, fototeny: ivaka. Teny iantsoana ny moto "scooter" (fr/eng). Nosafidiana izany teny izany noho izy azo entina manivaka any anelanelan'ny fiarakodia. ohatra: Andao isika handeha fanivaka mba tsy ho tratry ny fitohanan'ny fiara eo Besarety sy Ankadifotsy. Ahitsio
Soavalivy
[Jery (Jax Percy)]
:soavaly+vy (fr: cheval de fer ou cheval en fer). teny milaza ny "moto" (fr) lehibe toy ny "moto-cross/boldor/semi-cross/routiers/booster etc". Ny "scooter" irery ihany no tsy ao anatin'io lisitra io fa manana ny azy manokana izay teny vaovao ihany koa: "Fanivaka" Ahitsio
TONTOLO IAINANA
[elayvo ]
:ireo rehetra manodidina na miana na tsia Ahitsio
latsakemboka
[rlamijoe]
:Vola aloa indray mandeha na miverimberina, ohatra isam-bolana na isan-taona, amina fikambanana na fivondronan'olona maromaro mba ho fampandehanana ny fikambanana na ho fanatrarana tanjona iray Ahitsio
katy
[haja_rakoto]
:antibavy mahia kaozatra (reny katy: kisoa vavy efa antitra ka mahia) Ahitsio
Ampira
[RakotonirinaT]
:Orinasa iray izay midadasika sy mpanefoefo tokoa Ahitsio
Ampira
[RakotonirinaT]
:Firenena iray fehezina Amperora. Ahitsio
Ampira
[RakotonirinaT]
:Vondrona firenena na toerana maro samihafa izay manompo fahefana avy any ivelany iray. Ahitsio
Ampira
[RakotonirinaT]
:Toerana ara-politika izay mifehy fara fahakeliny fanjakana iray amin'ny alalan'ny andriany. Ahitsio
ampira
[RakotonirinaT]
:Toerana ara-politika midadasika na fitambarana toerana na firenena ka fehezina fahefana mahefa tokana. Ahitsio
Mifono
[hery]
:(fono) mt. s (mifonosa): Mirakotra manontolo: Nifono t'y mihitsy ny Vazaha taloha rehefa hiady. Ahitsio
Mifonitra
[hery]
:(fonitra) mt. s.: Mivonona tsara hanao zavatra ilana fanenjanan-tsaina (jar. Misikim-ponitra). Ahitsio
Mifongofongo
[hery]
:(fongofongo) mt. s. (mifongofongoa): Misafoakan'ny hatezerana. ? Mifofotra miasa, miezaka fatratra. Ahitsio
Mifongo
[hery]
:(fongo) mt, s. (mifongoa): Mijanona ao ampandriana mirakotra tsara; mibonoka, Ahitsio
Mifongatra
[hery]
:(fongatra) mt, s. (mifongara): Enti-milaza zavatra tao anaty tany nohadina ka miseho. Ahitsio
Mifondrofondro
[hery]
:(fondrofondro) mt. s. (mifondrofondroa): Mangataka mafy, mitalaho, miambezo, mitampesona. Ahitsio