Teny nampidirina farany

Valandotra
[admin]
: a.: Ny filazana hoe ampahafirin'ny refin-javatra iray ny sary entina milaza azy. Oh.: misy trano 12 m. ny lavany, ary ny sary milaza io halavany io 4 sm; ny valandotra nampiasaina dia 1/300, izany hoe: 1 sm amin'ny sary dia 1 sm x 300 = 3 m amin'ny tena izy; mari-drefy. Ahitsio
Valandotra
[admin]
: ft.: Toetran'ny olona mandry ka mivalampatra ny tongony aman-tanany noho ny faharerahana na ny aretina. I ii t.i.f: Mivalandotra, fiva-/ landotra, mpivalandotra. Ahitsio
Valanaretina
[admin]
: a : Areti-mifindra. Ahitsio
Valana
[admin]
: a.: Fandehan'ny rano manaraka ny iva. 6 t.Lf.: Avalana, voavalana, tafavalana 1 mamalana, famalana 1 amalanana, famalanana 1 mivalana, fivalana, mpivalana 1 ivalanana, fivalanana 1 mahavalana / valambalana. Ahitsio
Valana
[admin]
: (vala) rit. ih. (valao): Asiana fefy manodidina: Va-lao ny ombinao sao dia mitondraka enyamin'ny tanimbolinay. Ahitsio
Valampatra
[admin]
: a: Toetran'ny tongotra atsotra raha mipetraka. 1 t.if: Avalampatra, voavalampatra, tafavalampatra / mivalampatra, fivalampatra, mpivalampatra I ivalamparana, fivalamparana I mahavalampatra I valampadampatra. Ahitsio
Valamparia
[admin]
: a: Tovon-tanymamaritra ny sisin-tanimbary, atao koa hoe "tahalaka". Ahitsio
Valamena
[admin]
: a.: Fefy na rova manodidina ny faritra misy ny mpitsara. • h. 4: Ny Fitsarana. Ahitsio
Valambato
[admin]
: (Btm) a.: Vilany tany. Ahitsio
Valalatsimandadiharona
[admin]
: a: Teny enti-milaza ny zaza amam-behivavy izay tsy mba afaka mandositra raha misy fahatairana. Ahitsio
Valalanina
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny maso vizana eo am-pitazanana na eo am-piandrasana: Valalanina ny maso mijery ireo fiarakodia an-jatony mitanjozotra ? Enti-milaza olona refona na noana ka jembijemby mila tsy hahita. i t.Lf.: Mahavalalanina. Ahitsio
Valalamihoatra
[admin]
: (Bl) a: Randram-bolo betsileo miendribalala mihoatra. Ahitsio
Valalamena
[admin]
: a.: Ireo valala vahiny na valala vao. Ahitsio
Valalabemandry
[admin]
: a.: Teny entimilaza ny ankapobem-bahoaka. Ahitsio
Valala
[admin]
: a.: Karazam-bibikely la-va tanna, maitso na manja, ary misy tongony efatra ka ny roa eo aoriana lavalava kokoa noho ny eo aloha, izay ahafahany mitsambikina. ? F.-p.: Valalabemandry: ny sarambabem-bahoaka. / Valalatsimandadiharona: ohatrohatra ilazana ny zaza amam-behivavy. / Valais fiandry fasana: ny mpanompo sasany tsy mba nozarain'ny mpandova fa nasainy nitoetra teo amin'ny tany nisy ny fasan'ny mpandova lhany. — Ankehitriny: ny olona mponina eny an-tanindrazana. Ahitsio
Valaka
[admin]
: p.t.: Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan'ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovampihetsehana indrindra: Vizan'ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamaflsan'ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray). Ahitsio
Valahetraka
[admin]
: na Valaketraka a.: Toetran'ny olona mipetraka mivalandotra, tsy manana ahiahy. • p.t.: Rera-tsaina eo am-pieritreretana, tsy mahahetsika, mivarahontsana: Valaketraka foana teo izahay raha nandre ny namonoan' ny sasany ny filoham-pirenena. i t.if.: Mivalahetraka, mivalaketraka, fivalaketraka, mpivalaketraka. Ahitsio
Valahara
[admin]
: a.: Mitandro ny haja, ny voninahiny; mahatsiaro menatra (fampiasa indrindra ialohan'ny "tsy"): Tsy volahara: Tsy menatra, tsy mendrika. ¶ M.h.: Tsy vaky atatra, tsy vaky aty, tsy vaky afero. Ahitsio
Valahana
[admin]
: a.: Faritra amin'ny tenan'ny olombelona mifanandrify amin'ny toerana misy ny voa ao an-damoaina, izany hoe ny faritra manodidina ny maoja. Ahitsio
Vala
[admin]
: a.: Fefy manodidina: A-sio vola ny akohonareo fa manimba ny tanimbolinay. • Faritra na toerana andrian' ny omby ao an-tanàna: Nihoatra ny vala ilay zanok' omby halina. ¶ M.h.: Fahitra. 1 Fizarazaran'ny tanimbary:Manana tanimbary telo vola i Dadabe eny Antanintsaonjo. • Antoko, fifehezana: Irina mba tsy hisy afatsy vola tokana ho an'ny Kristianina rehetra. - t.i.f.: Valana, avala, voavala / marnais, famala, mpamala 1 amalana, famalana 1 mifamala / mivala, fivala 1 ivalana, fivalana 1 mahavala / mivalavala. - F.-p.: Vala be: (taloha) fahazoana miliba manao fitondran-tena ratsy na amin'olona foko inona na amin'olona foko inona. f Milaza vola maty, mitantara talla maty: milaza zavatra be foana tsy misy antony. Ahitsio