Teny nampidirina farany

Tsotsoraka
[admin]
: a.: Karazan-kazo fanao tehina. Ahitsio
Tsotsòka
[admin]
: a.: Karazan-javamaneno tsotra dia tsotra fa vy na haro kely misy vavany ary loaka tokana eo amin' ny vatany fotsiny no tsofina. Ahitsio
Tsotsoka
[admin]
: a.: Anaram-bosotra omena ny Vazaha; jar. Tsitsoka (Tsm). Ahitsio
Tsotsòka
[admin]
: a,: Nofo mihorona manarona ny filahiana. Ahitsio
Tsotra
[admin]
: p. t.: Mahitsy tsy misy mivonkina: Tsotra tahaka ny tsinaim-balala. ~ Mora tsy manahirana ny fanaovana na fampiasana azy: Milina tsotra ity anao ity. 1 Mora azo, tsy be olakolaka na miolikolika: Lahateny tsotra./Valinteny tsotra. ~ Tsy manan-kevi-dratsy hamely, tsy manafinafin-kevitra: Tsotra ohatra ny zazakely. ~ Mora badoina: Tsotra loatra izy ka ambakain'ny sasany. ? Tsy be aingitraingitra na fombafombany: Manao fitafiana tsotra izy. - t.i.f.: Tsorina, atsotra, voatsotra, tafatsotra / manatsotra, fanatsotra, mpanatsotra / anatsorana, fanatsorana / mitsotra, fitsotra, mpitsotra / itsorana, fitsorana / mahatsotra / tsotsotra. Ahitsio
Tsotaka
[admin]
: ft.: Feon'ny zavatra mafimafy (vato, vy...) mitsofoka ao anaty rano na fotaka; feo re mitsopaka amin' ny fidiran'ny tongotra ao anaty fotaka mandrevo. - t.i.f.: Tsotahana, atsotaka, voatsotaka, tafatsotaka / manatsotaka, fanatsotaka, mpanatsotaka / anatsotahana, fanatsotahana / mitsotaka, fitsotaka / itsotahana, fitsotahana / mahatsotaka / tsotatsotaka. Ahitsio
Tsotahana
[admin]
: (tsotaka) mt. pdr. (tso tahy) : Idirana (zavatra mafimafy ao anaty rano na fotaka). Ahitsio
Tsorotsorona
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsoritsoriny. Ahitsio
Tsorotsaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Korotsaka. Ahitsio
Tsorordka
[admin]
: a.: Firarahan-drano avy eny ambony hidina any ambany.I Atsororoka, voatsorordka, tafatsororoka / manatsororoka, fanatsororbka, mpanatsorordka / anataorordhana, fanatsororôhana 1 mitsororbka, fitsorordka / itsorordhana / mahatsororoka. Ahitsio
Tsororika
[admin]
: p. t.: Lava manify, malemilemy. - t.i.f.: Mitsororika, fitsororika 1 itsororihana, fitsororihana / tsororidrorika. Ahitsio
Tsoropaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsarapaka. Ahitsio
Tsorokonangatra
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsirokonangatra. Ahitsio
Tsorofoka
[admin]
: sy Tsoropoka a.: Fidirana avy hatrany, manao bao tsy mivily; fisosososoana; fisisihana. - t.i.f.: Atsorofoka, voatsorofoka, tafatsorofoka / manatsorofoka, fanatsorofoka, mpanatsorofoka / anatsorofohana, fanataorofohana, anatsoropohana, fanataoropohana j mitsorofoka, fitsorofoka, mpitsorofoka / itsorofohana, fitsorofohana; itsoropohana, fitsoropohana j mahatsorofoka / tsomfodrofoka. Ahitsio
Tsoroaka
[admin]
: p.t.: Lava ary mahitsy. - t.i.f.: Mitsoroaka, fitsoroaka, mpitsoroaka. Ahitsio
Tsoritsoriny
[admin]
: na Tsorotsorony a.: Teny ilazana ny vody mangahazo na vomanga tsy mba botabota fa madinidinika ary marotsadrotsaka. Ahitsio
Tsorina
[admin]
: (tsotra) mt. ih. (tsory): Lazaina tsy misy olakolaka: Tsory ny teninao. *Tay atao be aingitraingitra: Notsorina ny fanambadian'ny ankizy. Ahitsio
Tsorika
[admin]
: ft.: Fikorianan-drano manaraka ny rindrina na ny vatolampy. ? Fikorianan-dranomaso manaraka ny takolaka... 1 t.!. f.: Mitsorilsa; manorika, fanorika / anorihana, fanorihana. Ahitsio
Tsoriaka
[admin]
: a.: Fikorianan-javatra toy ny rano, ny vy anidina, ny vy noempoina; firiotran-javatra, toy ny tselatra, ny tainkintana; fandosirana haingana raha hita; fandadizam-biby toy ny bibilava, amalona... - t.i.f.: Atsoriaka, voatsoriaka, tafatsoriaka j manatsoriaka, fanatsoriaka, mpanatsoriaka f anatsoriahana, fanatsoriahana 1 mitsoriaka, fitsoriaka, mpitsoriaka / itsoriahana, fitsoriahana / mahatsoriaka / taoriadriaka. Ahitsio
Tsoraka
[admin]
: a.: Mari-piianonantsoratra (!) izay ampiasaina eo aorian'ny tenim-piontanana na mamarana fehezanteny misy fihetseham-po: Indrisy! mandalo tokoa izany tao na! Ahitsio