Teny nampidirina farany

Tsivembena
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Vembena. Ahitsio
Tsivazivazy
[admin]
: o.: Mitovy amin' ny Kivazivazy. Ahitsio
Tsivaza
[admin]
: p.i.: Sivy (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha nianatra nanisa hatramin'ny folo) (jar. Ingisa). Ahitsio
Tsivarivary
[admin]
: a.: Lalaon'ny ankizy, ka ny vovoka sy ny vato kely no mody ataony vary sy hena; kivarivary, Ahitsio
Tsivalovalo
[admin]
: (valo) p, mt.: Atao milahatra ho antokony valo valo avy. Ahitsio
Tsivalanana
[admin]
: (tsivalana) mt. ih, sady pdr. (tsivalàno): Asiana tsivàlana: Tsivalàno hazo ny uauahadim-pahitm. • Salta-nana: Notsivalanany aho ka tsy afa-nandeha. Ahitsio
Tsivalana
[admin]
: a.: Hazo atao manaraka ny sakany, bara: Asio tsivaian-kazo ny uaravarana mba ho mafy tsara ny hidin y. 1 Tsivalanana, atsivalana, voatsivalana, tafatsivalana 1 manatsivalana, fanatsivalana, mpanatsivalana 1 anatsivalanana, fanatsivalanana l mitsivalana, fitsivalana, mpitslvalana 1 itsivalanana, fitslvalanana 1 mahatsivalana 1 tsivalambalana. Ahitsio
Tsivalamandry
[admin]
: (Afs) a.: Laits-na misarona izay mirakitra ny fatin'ny mpanjaka. Ahitsio
Tsivaka
[admin]
: p.t.: Ilazana ny olona izay mivoaka ny tongony, ka saika miady mihitsy ny lohaliny (mifanohitra amin' ny bingo, izay miditra kosa ny tongony, fa mivoaka mibaraingo ny lohaliny). 1 t. t f.: Tsivatsivaka 1 mitsivatsivaka. Ahitsio
Tsivadrenikely
[admin]
: a.: Anana misaritaka maniry eny an-taninketsa eny. Ahitsio
Tsivadibadika
[admin]
: Mitovy amin' ny Tsimbadimbadfka. Ahitsio
Tsitsoka
[admin]
: (Tsm) p.t.: Enti-milaza ny olona tsy mifora. Ahitsio
Tsitsina
[admin]
: (tsitsy) mt. ih. (tsitsio): Tsy lanilanina foana: Tsitsio tsara ny uarinareo sao ho sahirana ianareo. Ahitsio
Tsitsika
[admin]
: (Br) a.: Patsaben-dranomamy. Ahitsio
Tsitsika
[admin]
: a.: Ozona irina hihatra amin'ny olona iray fanao amin'ny fampinomana, na kosa fanirian-tsoa sy tso-drano fanao amin'ny hasoavana. i t.i,f.: Tsitsihina, atsitsika, voatsitsika 1 mitsitsika, fitsitsika, mpitsitsika I itsitsihana, fitsitsihana I mahatsitsy, Ahitsio
Tsitsihina
[admin]
: (tsitsika) mt. ih. (tsitsiho): Anonontononana teny fanirian-tsoa, na ozona izay irina ho tonga amin' olona iray: Tsitsihina ny zaza atao hasoavana. Ahitsio
Tsitsihina
[admin]
: a.: Karazana hazo (Dicoryphe viticoides). Ahitsio
Tsitsihy
[admin]
: (Btm) a.: Anaram-biby sahala amin'ny voalavo mipetraka anaty lava-kazo. Ahitsio
Tsitsy
[admin]
: a.: Ilay hoditra fonony didiana ka alana rehefa manao hasoavan-jaza. (Ny rainjaza matetika no mitelina ny tsitsfn-ianany miaraka amin' ny akondro). Ahitsio
Tsitsy
[admin]
: a.: Tsy fandaniana be, tsy fandaniana afa-tsy amin' izay ilaina. - t.i.f.: Tsitsina, atsitsy, voatsitsy, l mitsitsy, fitsitsy, mpitsitsy 1 itsitsiana, fitsitsiana 1 mahatsitsy. Ahitsio