Teny nampidirina farany

Botetateta
[admin]
: p.t.: Fohy kely sady zeny, ary tsy mba tsara bika loatra noho ny hafohiny. Ahitsio
Botetaka
[admin]
: p.t. s Enti-milaza : Ny toerana iva sy ambany. • Ny olona mipetraka amin'ny tany. 1 Ny olona midonanapoana tsy manao na inona na inona. - t.i.f. : Abotetaka, voabotetaka, tafabotetaka 1 manabotetaka, fanabotetaka, mpanabotetaka/ anabotetahana,fanabotetahana I mibotetaka, fibotetaka, mpibotetaka / ibotetahana, fibotetahana 1 mahabotetaka1 botetatetaka. Ahitsio
Botanika
[admin]
: (fr. botanique) a : Fianarana sY fahalalana momba ny zavamaniry. Ahitsio
Botanaka
[admin]
: a. : BibY maintimainty toy ny fandaibe, volovoloina ihany koa saingy tsy mandratra ny lainy. (Mipetaka mivangongo amin'ny vatan-kazo loaka no fahitana ny botanaka, mifanosina matevina eo toy ny taik'omby nafetaka ; endasin'ny ankizy eny ambanivohitra asiany menaka ny botanaka, ataony be sira, ka haniny am-pankasitrahana izaitsizy). Ahitsio
Botanaka
[admin]
: Botataka p.t.: Botrabotra sy makadiry ary mirotaka ny kibony. • Mivonto na mibontsina. - t.i.f.: Mibotanaka, fibotanaka, mpibotanaka 1 botanatanaka. Ahitsio
Botakely
[admin]
: a.: Anarana omena ilay tavoahangy boribory kely (ampahefatry ny litatra) izay asian'ny mpivaro-java-pisotro toaka antsinjarany. Ahitsio
Bota
[admin]
: Botabota p.t. : Vaventy boribory, fohifohy botrefona sady matavy : Zozo botabota kely mahafatifaty. Ahitsio
Bosoa
[admin]
: (fr. bouchon) a.: Karazan-javamaniry maivana izay anaovana tsentsin-tavoahangy ny hodiny, na ataon'ny olona amin'ny tadim-pintana koa hamantarana fa homana ny jono ny trondro fintaniny. Ahitsio
Bosina
[admin]
: mt.ih.: Jer. Ambosina. Ahitsio
Bosika
[admin]
: Bosibosika a. : Fihinanana manao be am-bava. - t.i.f. s Abosika,voabosika / mambosika, fambosika / mambosibosika, fambosibosika, mpambosibosika I ambosibosehana, fambosibosehana 1 mamosibosika, famosibosika, mpamosibosika 1 amosibosehana, famosibosehana. - F.-p. : Manao be am-bosika : manao be am-bava rehefa mihinana. Ahitsio
Bosy
[admin]
: (Tsm.) a. : Akoholahy vositra. Ahitsio
Bosy
[admin]
: Bosibosy a.: Vazivazy, somonga, vosobosotra. Ahitsio
Bosy
[admin]
: ft.: Mitovy amin'ny Ambosy. Ahitsio
Bosesika
[admin]
: a : Fidirana na fivoahana rodobe mifanosika. i t.i.f. s Bosesehana, abosesika, voabosesika, tafabose. sika I manabosesika, fanabosesika, mpanabosesika f anabosesehana, fanabosesehana /mibosesika, fibosesika, mpibosesika 1 ibosesehana, fibosesehana / mahabosesika 1 bosesitsesika. Ahitsio
Bosesehana
[admin]
: (bosesika) mt.pdr, (boseseho) : Ampidirana, anatsofohana zavatra betsaka : Nobosesehana ampombo ilay akoho nafahy ka natauy be aoka izany. ¶ M.h. : Sesefana. Ahitsio
Borotsaka
[admin]
: a : Fitambotsorana hiala eo amin'ny toerana ka midina ; fikorotsahana midi-na, fianjerana na fikodiavana moramora. - t.i.f.: Aborotsaka, voaborotsaka, tafaborotsaka 1 manaborotsaka, fanaborotsaka, mpanaborotsaka 1 anaborotsahana, fanaborotsahana I miborotsaka, fiborotsaka, mpiborotsaka / iborotsahana, fiborotsahana 1 mahaborotsaka / borotsadrotsaka. Ahitsio
Borosina
[admin]
: (borosy) mt.ih. (borosio) : Faohana na alana loto amin'ny borosy : Borosio kely ny kiraroko, ry Koto a ! Ahitsio
Borosy
[admin]
: (fr. brosse) a : Volombiby vita fiasana mba hamaohana zavatra na ho fanalana loto toy ny kifafa, na ho fanosoran-doko. - t.i.f. : Borosina, aborosY, voaborosy 1 manaborosy,fanaborosy, mpanaborosy 1 anaborosiana, fanaborosiana / miborosY,fiborosy, mpiborosy / mahaborosy. Ahitsio
Bororoaka
[admin]
: a.: Fandriakan-drano betsaka indray mirodana. i t.i.f. : Abororoaka, tafabororoaka 1 mibororoaka, fibororoaka, mpibororoaka ) ibororoahana, fibororoahana I mahabororoaka. Ahitsio
Bororo
[admin]
: (Ski) a. : Fanidin'nY vorona raha vao miainga amin'ny tany. Ahitsio