Teny nampidirina farany

Tsirinteny
[admin]
: a.: Anarana ikambanana ilazana ny tovona, tovana ary tsofoka na sisika. Ahitsio
Tsirikarika
[admin]
: a.: Taolana mitrikitriky. ¶ M.h.: Rikarika. Ahitsio
Tsirika
[admin]
: a.: Fizahana mba hijery, fanarangaranana. il t.i. f.: Tsirihina, voatsirika, tsinirika 1 mitsirika, fftsixika, mpitsirika 1 itsirihana, fitsi.rihana 1 mampitsirlka 1 mifampitsixika 1 mahatsirika 1 tsiritsirika. Ahitsio
Tsirika
[admin]
: a: Fantsona lava ampidirana hazo kely maranitra izay tsofina ka mivoaka miriotra; ampiasaina hitifirana vorona madinika ny tsirika (ilay fantsona atao hoe renitsirika ary ireo hazo kely no zanatsirika). ~ Karazanjavamaniry fanao tsirika (Dypsis). Ahitsio
Tsirijy
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry iray azo akana diloilo. Ahitsio
Tsirihina
[admin]
: (tsirika) mt ih. (tsiriho): Jerena vetivety: Ndeha tsiriho, r'ise, raha tonga ao an-tranony Rabe. Ahitsio
Tsiriadriaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsoriadriaka. Ahitsio
Tsiry
[admin]
: a.: Ny voa sy ny tsimoky ny zavamaniry vao mise-ho: Tokony hotandremana tsara amin'ny biby ny tsirinjauamaniry. ~ Zavatra mivoaka avy amin-javatra hafa iray izay mitifitra mahitsy hatraiza hatraiza: Ny tsirimasoandro; ny tsirim-pahazaoana. - t.i.f.: Maniry, faniry, mpaniry 1 aniriana, faniriana 1 mitsiry, fitsiry, mpitsiry 1 itsiriana, fitsiriana. ¶ M.h.: Toraka, vazana. Ahitsio
Tsiretareta
[admin]
: Mitovy amin'ny Retareta. Ahitsio
Tsiretadretaka
[admin]
: Mitovy amin' ny Retadretaka. il t.i.f.: Mitsiretadretaka, fitsiretadretaka, mpitsiretadretaka I itsiretadretahana, fitsiretadretahana. Ahitsio
Tsirerarera
[admin]
: Mitovy amin'ny Rerarera. Ahitsio
Tsirenireny
[admin]
: a: Mitovy amin' ny Renireny. - t.i.f, : Mitsirenireny, fitsirenireny, mpitsirenireny 1 itsirenirenena, fitsirenirenena. Ahitsio
Tsirendrirendry
[admin]
: Mitovy amin' ny Rendrirendry. - t.i.f.: Mitsirendrirendry, fitsirendrixendry, Ahitsio
Tsirendrena
[admin]
: a.: Fivezivezena mankatsy mankaroa toy ny atëtiiï ii? olona domelina, mbola rrndremana, ao anatin'ny torimaso. - t.i.f.: Mitsirendrena, fitsirendrena, mpitsirendrena. Ahitsio
Tsireko
[admin]
: (Ats) a.: Hira ataon' ny vehivavy amin'ny fiandrasam-paty. Ahitsio
Tsiredareda
[admin]
: p.t.: Taredretra, tavozavoza, tandrevaka. - t.i.f.: Atsiredareda, voatsiredareda, tafatsiredareda 1 manatsiredareda, fanatsiredareda, mpanatsiredareda 1 anatsiredaredana, fanatsiredaredana j mitairedareda, fitsiredareda, mpitsiredareda 1 itsixedaredana, fitsiredaredana 1 mahatsiredareda. Ahitsio
Tsirebika
[admin]
: (fit.-p.) a.: Anarana ilazana ny voatavo any anindran-tany ka io no ampiasaina matetika noho ny teny voatavo manan-kevitra ratsy any. Ahitsio
Tsiravina
[admin]
: p.t.: Raiki-tahotra mafy, mivadi-po: Tsiravina aho nahita ilay olona nanao saron-taua nitana antsy. - t.i.f.: Mahatsiravina, fahatsiravina. Ahitsio
Tsiravaohina
[admin]
: a.: Anarana ilazan'ny mpamosavy ny voatavo. Ahitsio
Tsiratsiraina
[admin]
: (tsiratsira) mt. ih. (tsiratsirao): Esoina, atao tsinontsinona, fotsifotsina, tevatevaina: Tsy azonao -tsiratsiraina mihitsy ny ray aman-dreninao. Ahitsio