Teny nampidirina farany

Baraingo
[admin]
: a.: Mari-pijanonantsoratra (?) misolo ny teboka raha manontany: Iza no tonga teto anikeheo? Ahitsio
Baraingo
[admin]
: p. toe.: Bila, bingo. - t.i.f.: Abaraingo, voabaraingo J manabaraingo, fanabaraingo / anabaraingoina, fanabaraingaana I mibaraingo, fbaraingo / ibaraingoana, fibaraingoana J mahabarainga. Ahitsio
Baradondradony
[admin]
: p. a.: Lava maronjana sy tsara bika mifanao ara-keviny amin'ny toe-batana. Ahitsio
Baradida
[admin]
: (Br) a.: Tehina vita amin'ny hazo mafy, tsy dia la-va loatra, ataon'ny Baralahy fiadiana ka tsy misaraka aminy raha vao mivoaka ny trano izy na aiza na aiza alehany. Ahitsio
Baradaka
[admin]
: ft.: Enti-milaza fikorontanam-pitenenana. - t.i.f.: Abaradaka, baradahina,tafabaradaka / mibaradaka,fibaradaka, mpibaradaka/ ibaradahana, fibaradahana. Ahitsio
Barabatavo
[admin]
: (Ski) a.: Fofo-malany tahaka ny an'ny mamba. Ahitsio
Barabara
[admin]
: p.t.: Fampiasa matetika kokoa noho ny hoe Bara: Farina (feo): Barabara feo ianao izany. 1 Tsy ampiampy (saine): Olona barabara saina. Ahitsio
Barabahy
[admin]
: a,: Karazan'akondro vaventy. Ahitsio
Barabaha
[admin]
: (Btm) a.: Karazan' akondro. Ahitsio
Bara
[admin]
: Barabara p. t. : Enti-milaza feo misamonina na farimparina tsy mazava loatra eo am-pitenenana. - F,-p.: Bara feo: farimparim-peo. ¶ M. h.: Gadragadra feo. / Bara saina: donto sains. kely saina. Ahitsio
Bara
[admin]
: p. t. (t. t. m.): Tsy fananana na tsy fisiana, mandait) ihany fa tsy maharitra: Baram-bola aho androany. Ahitsio
Bara
[admin]
: a.: Anaram-poko lehibebe monina amin'ny tany voafaritry ny renirano Zomandao, avaratra, izay mampisaraka azy amin'ny Betsileo; ny ala onenan'ny Tanala, atsinanana; ny ony Onilahy, atsimo andrefana, izay mampisaraka azy amin'ny Antandroy sy ny Mahafaly, art' ny havoana marin-tamp on' Analavelona, andrefana st' avaratra andrefana; tanàn-dehibe: Ihosy, Betroka. Ahitsio
Baotinina
[admin]
: a.: Kiraro misy ranjony. Ahitsio
Baoty
[admin]
: (fr. botte) a.: Fonondranjo hoditra atao eo ambonin'ny kiraro mba hiarovana amin'ny ranon'ando na ny tsilo na ny riaka, na ny fotaka, rehefa manavasava any anaty ahitra na rehefa avy ny orana. Ahitsio
Baoroka
[admin]
: a.: Tapa-tsigara efa nifohana. Ahitsio
Baoritra
[admin]
: (angl. board) a.: Karazana taratasy mahery sady henjana ampiasaina hanaovana fonon-javatra, boaty... - F.-p.: Tsy mitent' fa vola banritra: enti-milaza zavatra efa lany andro ka tsy misy vidiny intsony. Ahitsio
Baorina
[admin]
: (fr. borne) a.: Tsatobato efa-joro lavalava famaritana ny tany misy tompony ary voasoratra any amin'ny fanjakana: Tany vita baorina. • Tsato-bato misy tarehimarika milaza ny isan'ny kilaometatra mampisaraka toerana na tanàna roa. Ahitsio
Baondy
[admin]
: a.: Anaran-karatra filalaovana misy sary tokana eo afovoany (kodiadiam-borona na efa-joro na fo na fon'omby mainty), ka heverina mazàna fa anisan'ny tsara indrindra amin'ny vato. Ahitsio
Baolina
[admin]
: a.: Hoditra na fingotra boribory nosesehana rivotra ao anatiny ka ilalaovana ifampitorahana na dakana: Milalao baolina, mandaka baolina. a F.-p.: Baolina boribory: Karazana baolina fanaovana kitra ka tsy fandray tanana fa ny dakan-tongotra ihany. / Baolina lavalava: karazana baolina fampiasa rehefa baolina entin-tanana no atao. 1 Izay rehetra miendri-javatra boribory: Mofo baolina: mofo boribory ohatra ny totohondry atao amin'ny lafarinina ka endasina tsy atao be menaka. / Hena baolina: toton-kena boribory kely nasiana tavin-kjsoa sy tongolo na dipoavatra ka endasina atao mendimendy tsara. Ahitsio
Baodika
[admin]
: Baodibaodika a.: (jar. Bodika). Ahitsio