Teny nampidirina farany

Balaza
[admin]
: a.: Ilay sosona faharoa amin'ny hoditra anatY; mate-vina izy io ary ao anatiny no misy ireo kitapo kely mitahiry menaka izay manamandina ny hoditra sy ny volo. Ahitsio
Balaonina
[admin]
: (fr. ballon) a.: zavatra boribory goavana feno gaza maivana noho ny aera ka misavoana eny amin'ny habakabaka ary dia atosiky ny rivotra na ampandehanin' ny milina; nasiana fitoerana karazana lakam-piara mifatotra aminy izay nisy ny olona mpandefa sy ny mpandeha. Azo lazaina ho razam-ben'ny aroplanina ny balaonina. Kilalaon-jaza vita amin'ny tenan-javatra manify dia manif y (fingotra, kanikanin-kena) izay bontsinina amin'ny rivotra: Nividy balaonina te-Io ho an'ny zanany izy tamin'ny fety, nefa tsy nisy tapak 'andro akory dia vaky daholo izy tebo. Ahitsio
Balantsiny
[admin]
: (Ski) a.: Mahazàka manohana ny sakan-tsalazantsambo fihantonan-day. Ahitsio
Balantony
[admin]
: Balangondangony p. t.: Tsara bika fatratra, lava vaventy kingakinga. Ahitsio
Balamaso
[admin]
: p. t.: Enti-milaza olona njola izay mitifitra mivoaka ny masony. Ahitsio
Balalengo
[admin]
: (Ski) a.: Karazan-kazandrano be taolana. Ahitsio
Balahazo
[admin]
: (Atd) a.: Mangahazo. Ahitsio
Balahazo
[admin]
: a.: Tolona mifamihina. Ahitsio
Balady
[admin]
: p. t.: Haingam-pandeha (mitovy hevitra amin'ny ma-lady ihany, saingy fahita indrindra amin'ny angano) Tongo-balady: tongotry ny bonia amin'ny angano, izay faingam-pandeha izaitsizy. Ahitsio
Bakteria
[admin]
: (fr, bactérie) a: Karazana mikraoby zavamaniry, ka mitsinjara efatra indray izy ireo, dia ny basila, ny kaoka, ny vibrio ary ny spiroketa. Ahitsio
Bakotoka
[admin]
: (fit.-p.) a,: Lahy na vavy tokana tsy manan-jandry tsy manan-joky, vato boribory, tsy ary ambony tsy ary ambany. Ahitsio
Bakora
[admin]
: p. toe.: Malemy toa mirorarora fa tsy mba mifintimpitina. • H.o.: Nofo bakora: Enti-milaza hatanorana vao misondrotra toy ny voninkazo vao mivelatra. Ahitsio
Bakoly
[admin]
: a: Karazan-tanimanga madio sy madini-bolo izay amboarina mba hamiratra sy tsy ho tantera-drano ka anaovana fanaka, toy ny villa, kaopy, sady tsara tarehy no mihaia. Ahitsio
Bakoly
[admin]
: a.: Karazan-kazo salasalany (5 na 6 metatra); ny raviny lehibebe mitarehi-na fo, ny voany ohatra ny haben'ny totohondry, ka misy voa 3 na 6 ao anatiny, izay akana diloilo anaovana savony na labozia. Anaran-kafa ilazana ny bakoly: savokara, savoga na mofotra. Ahitsio
Bako
[admin]
: Bakobako p. t.: Valabalaka, vizana tsy mahahetsika firy: Bako marina aho izany fa niasa angady indray andro maninjitra Ahitsio
Bako
[admin]
: Bakobako p. t.: Tsara bika, lava vaventy, ranianana sady matombintombina: Jerena lavitra iry tovovavy iry toa bako dia bako. Ahitsio
Bako
[admin]
: (t.tr.): Fefin-tokotany vita amin'ny hazo, na vala. Ahitsio
Bakitiky
[admin]
: (Ats) a: Dihin-jazavavy amin'ny alma diavolana. Ahitsio
Bakelaka
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny tsihy na ny lamba vaventy, ratsy ny rariny na tenony: Soloy hafa ity tsihy ity fa bakelaka loatra ka tsy tiako. Ahitsio
Bakatraka
[admin]
: p, t.: Bakaka be tsy soa. Ahitsio