Bakalorea [admin] | : | (fr. baccalauréat) a: Fanadinana mamarana ny fianarana ambaratonga faharoa; diplaoma amena an'izay afaka an'io fanadinana io: Manao fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika ny mpianatra afaka bakalorea Ahitsio |
Bakakely [admin] | : | a.: Karazan-javamaniry madinika misy tsilotsilony fanao fefy. Ahitsio |
Bakaka [admin] | : | (Ski) a: Anaran'ahitra lehibe izay mety hahatratra hatramin'ny roa na telo metatra. Ahitsio |
Bakaka [admin] | : | p. t.: Enti-milaza nify mielanelana be toy ny banga. • H. i,: Entina ilazana koa ny rary be maso tsy mikatona tsara: Tsy tiako ity tsihy ity fa bakaka be ohatra ny inona. Ahitsio |
Bakaina [admin] | : | (baka) mk ih, (bakao): Ampifanalavirina, samahina. Ahitsio |
Bakabaka [admin] | : | (baka) t.u,r,: Milaza fihenan-kevitra, tsy dia baka loatra. Ahitsio |
Baka [admin] | : | p. t.: Enti-milaza: Ny tandrok'omby misamaka, izany hoe mivelatra mifanalavitra, mihataka (mifan: Kirongo). ? Ny fisarahan'ny zavatra iray toerana na mizara roa misy elanelana lavitra. 6 ti.f.: Bakaina, abaka, voabaka, nobinaka 1 manabaka, fanabaka, mpanabaka f anabakana, fanabakana I mibaka, fibaka 1 ibakana, fibakana f mahabaka / bakabaka I sabaka. - F,-p,: Baka lany sahaza: tsy misy toa azy, tokana aman-tans. * Fiten.: Raha baka mahay misisika (na mihorirana ) ianao, izaho kirongo tsy azo idirana: teny ifanaovan'olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. I Fiten, mit. heu.: Raha mihen)an-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho, Ahitsio |
Baingoka [admin] | : | a.: (fer. Baingo). - t.i.f.: Abaingobaingoka, baingobaingohina / mibaingoka, fibaingoka. Ahitsio |
Baingo [admin] | : | Baingoka a,: Habilabilana; toetran'ny zavatra vilana sy mifelopeloka, miolikolika. - t.i.f.: Abaingo, baingoina / mibaingo, fibaingo. Ahitsio |
Bainga [admin] | : | a.: Vongan-tany navadika ary naongana tamin'ny angady. * Ohab.: Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga: Ny zavatra vita no porofo misongadina amin'ny asa natao. ¶ M. h.: Vaingan-tany, bongan-tany, tomba-tany, Ahitsio |
Bailoka [admin] | : | p. t.: Tsy mahitsy, meloka, mivilana, mitovy amin' ny hoe biloka, izay fampiasa matetika kokoa: Tsy azo anaovana na inona na inona ity hazo ity fa bailoka. ¶ M, h.: Meloka, mivaona, mivilana, bilaka, biloka, miolana, mibirioka. Ahitsio |
Baikona [admin] | : | a.: Mitovy amin'ny hoe baika. Ahitsio |
Baikoina [admin] | : | (baiko) mt. ih. (baikoy): Omena baiko: Nobaikoiny tamin'ny masony fotsiny ihany ilay alika dia niantsambotra teny amin' ilay olon-dratsy. Ahitsio |
Baiko [admin] | : | a.: Teny vahiny (noho izy tany am-boalohany narabina fihetsiky ny tanana mba ho azo tsara; araka izany ny teny vahiny ampiasaina ankehitriny dia tsy tokony ha-tao izany intsony). • Teny na famantarana ifanomezana ka tsy mety ho fantatr'izay olona ivelany hafa: Izao no baiko nifamantaran'ny mpikambana; namoha sy nanidy ny boko-palitaony ilay niteny. + Teny nomena hotanterahina: Izany no baiko voaraiko, tompoko, ka tsy afamanoatra aho. 1 Didy fampahafantarana izay hatao: Indrisy! nisy namono teny andalana ilay miaramila ni-tondra baiko avy tamin'ny jeneraly. 4 Teny na fihetsehan-tanana ifankahazoan-kevitra amin'ny olona moana na amin'ny biby: Mahalala baiko fatratra it? alikanao ity izany. 6 t. t. f,: Baikoina, voabaiko I mibaiko, fibaiko, mpibaiko, ibaikoana, fibaikoana 1 mahabaiko. ? F,-p.: Baikon'ny moana: fampahafantaran'ny moana ny heviny amin'ny fihetsiky ny tanany na ny lohany, I Baiko tanana: famantarana atao amin'ny tanana mba hifankah az oan-kevitra. Ahitsio |
Baikabaika [admin] | : | a.: Famindra mibakabaka sy miretareta. - t.i.f.: Baikabaikaina, abaikabaika / mibaikabaika, fibaikabaika, mpibaikabaika I iabaikabaikèna, fibaikabaikana 1 mahabaikabaika. Ahitsio |
Baika [admin] | : | ft.: Fihatahan'ny ranjo be loatra rehefa mamindra, daikadaika. Ahitsio |
Baibona [admin] | : | a,: Ny sofin'ny riandriana roa havia sy havanana ka ny iray somary vorivory, ny iray fisaka ny tampons. Ahitsio |
Baibona [admin] | : | a.: Tendron'ny vy solom-pantsika anakambanana takela-by na hazo, izay pohina mafy mba tsy ho afa-mitsoaka. --( ? F,-p.: Vono baibona: famonoana tsy ho hita ireo tendron'ny vy anakambanana takela-by na hazo. / Vita vono baibona: vita mafy tsara, mats paika. Ahitsio |
Baiboly [admin] | : | (angl. bible) a: Anaran'ny boky misy ny Soratra Masina rehetra; mizara roa ny baiboly, dia ny Testamenta taloha sy ny Testamenta vaovao. Ahitsio |
Baiboho [admin] | : | a,: Tanety, indrindra ny amorona ivaiva. Ahitsio |