Badobadony [admin] | : | p. toe.: (jar, Badony). Ahitsio |
Bado [admin] | : | p.t.: Kely saina, donto saina, tsy ampy fiheverana, mora ambakaina. (Araka izany, dia tsy azo atao hoe bado ny tsy nahita fianarana fotsiny, satria mety ho manan-tsaina tokoa izy, fa ny fianarana no tsy hitany): Bado koa izany raha olona, it? peratra volamena US,' dia natakalony akanjo mareuaka be soratra. - t.i.f.: Badoina 1 manabado, fanabado, mpanabado 1 anabadoana, fanabadoana 1 mibadobado 1 habadoana. ¶ M. h.: Tsotra loatra, tsobe, mora amidy, olom-be, tsy mahay olakolaka, mifanahin-jaza bodo. * Ohab.: Badolahy miantsena: siramamy ka atoraka alika: Enti-milaza olona tsy ampy fiheverana, kely saina, ka tsy hainy akory ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny tsy ilaina. Ahitsio |
Badiga [admin] | : | na Badika (Ski) a.: Vatan'ny hazon-tsatrana antitra. Ahitsio |
Badera [admin] | : | a: Lamba menamena midorehitra. Ahitsio |
Badenina [admin] | : | p. t.: Jemby, mamjambena: Badenina ny masoko nijery ny masoandro dimy segondra monja. • Fanimpanina, domelina, vizana izaitsizy ka voly, toa tsy maharay tena intsony: Badenina aho izany, hoy Rasoa, fa adiny telo aho no nifantsika nanjaitra teto. Ahitsio |
Badabadaina [admin] | : | (badabada) mt. ih.: Lazaina amim-piakakana. Ahitsio |
Badabada [admin] | : | a.: Fanombohana miteny voalohany. 1 Tsy fahafahana miteny haingana; firaiketan-dela izay tsy mahateny avy hatrany ny tiankolazaina fa miakanakana sy miambatrambatra. - t.i.f.: Mibadabada, fibadabada, mpibadabada 1 ibadabadana, fibadabadana. Ahitsio |
Bada [admin] | : | p. t.: Tsy miteraka (fiteny indrindra amin'ny biby, fa ny olona atao hoe momba: Bada angamba ilay ombivauinay, fa hatramin'izao mbola tsy niteraka ihany. Miraiki-dela fa tsy mahatonona avy hatrany izay tiana holazaina (matetika ny teny verindroa badabada no ampiasaina amin'it? hevitra i-t}' ). i t.if.: Badabadaina / mibadabada, fibadabada, mpibadabada 1 ibadabadana, fibadabadana. a F.-p.: Bada be: vehivavy vaventy nefa tsy mety miteraka (teny entina manaratsy, maneso). / Bada lela: miraiki-dela tsy afa-miteny haingana, sahirana ery raha hilaza zavatra. 1 Bada saina: tsy mahataka-javatra. 1 Bada ta-nana: mikaviavia, mitaraikiraiky raha manao zavatra. Ahitsio |
Baboka [admin] | : | a.: Fiekena fa diso na resy; fifonana na fivalozana. 6 Mibaboka, fibaboka, fibabohana. Ahitsio |
Baboina [admin] | : | (babo) mt. ih. (baboy); Atao sambobelona, atao babo: Tafondro roa no nobaboin'ny fahavalo. 1 Robaina, angalarina: Nobaboin' ny jiolahy daholo ny entana tao ambany rihana. ? Hosena, alaina ho onitra: Hobaboin'ny fanjakana ny fananany fa namadika tanindrazana izy. Ahitsio |
Babo [admin] | : | a.: Olona resy an'ady ka entin'ny mpandresy manaraka azy toy ny fananany mihitsy, ¶ M. h.: Sambobelona. ? Zavatra na fiadiana na entana, azo tamin'ny ady ka naniary fananan'izay nahazo azy; na zavatra nangalarin' ny mpangalatra. ? p. t.: Resy, azo tanteraka: Babon'ilay zazauavy ny fony ha tsy nahapetraka izy, - t.i.f.: Baboina, voababo, binabo / mamabo na mambabo, famabo, mpamabo 1 amaboana, famaboanal mahababo 1 babobabo 1 fahababoana. Ahitsio |
Baby [admin] | : | a.: Fitondrana zaza na entana ao an-dam osina. - t.i.f.: Babena, binaby, voababy / mibaby,fibaby, mpibaby / ibabena, fibabena / mahababy 1 mitambaby, kibabibaby. ? Mibaby zaza: mitondra zaza ao an-damosina, izay asabaka ny feny ary dia fihinina amin'ny lamba atao mikaona eo anoloana. / Babin-katsaka: ny voan-katsaka mbola amin'ny tahony. 1 Baby roa, telo: enti-milaza f oto-katsaka mitondra babiny roa, telo. / Baby kambana: fibabena zaza roa ao an-damosina. Ahitsio |
Babena [admin] | : | a.: h.o.: Lamosina: Nataony am-babena ilay entana dia lasa izy. ' ? Valim-babena: valin' ny soa noraisina tamin'ny olona. / Babe-mila ualy: soa atao mitaky valiny. Ahitsio |
Babena [admin] | : | (baby) mt ih. (bribe()); Entina ao an-damosina: Etsy babeko, razandry.. Ahitsio |
Babantany [admin] | : | p. t.: Fatratra, tsy erany loatra (na amin'ny tsara na amin'ny ratsy): Babantany ny vola laniny tamin'ny famadihana izay. Ahitsio |
Babangoana [admin] | : | p. t.: Foana tsY misy na inona na inona ao anatiny; nalana daholo ny fa-naira aman'entana tao anatiny: Nony lasa ianareo, dia efitrano babangoana sisa nitahiry ny fahatsiarouana anareo. Ahitsio |
Babangoala [admin] | : | (jer. Babangala). Ahitsio |
Babangala [admin] | : | na Babangoala p. t.: (trano) foana tsisy mpipetraka ary efa afaka daholo ny varavarambe sy varavarankely rehetra tao anatiny. Ahitsio |
Babakoto [admin] | : | a.: Karazana gidro fohy rambo, iray tarika amin'ny amboanala. ? h.i: sady fanaratsiana, enti-milaza olona tsy misy saina, donendrina: Mangina ilay baba-koto Ahitsio |
Babakolahy [admin] | : | (Ski) a.: Vody taho-mangahazo efa antitra ka maozatra aoka izany ny nofony. Ahitsio |