Teny nampidirina farany

Tsipoy
[admin]
: a.: Vorona manana toe-batana foniponitra tsara bika, mitovitovy amin'ny akoho kely reny; ny lahy maramara fotsy mipentina volomparasy ny tratrany sy ny vozony; ny vavy kosa, izay kelikely kokoa noho ny lahy, dia volombatolalaka mipentina fotsy madinika. Ahitsio
Tsipohafoha
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsimpohafoha. Ahitsio
Tsipoapoamanga
[admin]
: p.t.: Dongadonga. Ahitsio
Tsipoapoaka
[admin]
: a.: Zavatra vita amin'ny vanja nofonosina izay mipoaka nony arehitra ny lahiny: Apoapoakan'ny ankizy madinika ny tsipoapoaka rehefa amin'ny andro fetim-pirenena. ? Zaitran'akanjo nasiana mibontsimbontsina mba ho haingony. ~ Anaran-kazo izay mipoapoaka ny voniny rehefa hitsahina. Ahitsio
Tsipisandry
[admin]
: a.: Dihim-behivavy maro mifanao aloha sy aoriana, manao sikin-tratra, ka ny tongony miara-mandroso dia miara-miverina, ny sandriny kosa amin'izany akariny ka ataonY miara-mitsipy dia miara-milefitra ary ny rantsantanany, izay efa milantsika, miara-mipiaka sy miara-milefitra. Ahitsio
Tsipiritikala
[admin]
: a.: Anaram-boronkely any an'ala. Ahitsio
Tsipirity
[admin]
: (Br.) a.: Toaka. Ahitsio
Tsipiriany
[admin]
: a.: Tsoriany na didin-tsavony lavalava. ? Ny andinindinin-javatra na fizarazarany madinika: Tantarao amin'ny an-tsipiriany daholo ny zava-niseho tao antseko linareo. Ahitsio
Tsipiria
[admin]
: a.: Jer. Tsipiriany. Ahitsio
Tsipindina
[admin]
: (tsipindy) mt. ih. (tsipindio): Asiana tsipindy: Notsipindiny ny takolak'ilay zazalahy kely. Ahitsio
Tsipindy
[admin]
: a.: Famelezana amin' ny rantsan-tanana, izay aforitra dia alefa tampoka hipaika amin'ilay asiana. - t.i.f.: Tsipindina, atsipindy, voatsipindy J manatsipindy, fanatsipindy, mpanatsipindy J anatsipindiana, fanatsipindiana. Ahitsio
Tsipilavaka
[admin]
: na Antsipilavaka a.: Vato fisapisaka boribory atsipin'ny ankizy mba hiditra amin'ny lavaka na amin' ny faritra iray ka izay mahatafiditra no mahazo ny loka. Ahitsio
Tsipilaka
[admin]
: p.t.: Jefijefy, la, pilaka. i t. if.: Mitsipilaka. Ahitsio
Tsipikely
[admin]
: a. (ny manao): Teny nentina nilazana fahiny ny olona nampisotroina tangena ka efa nahafaka ny hoditr'akoho telo nefa mandoa indray avy eo sady fanina mandrafngiraingy; nataon' ny mpampinona ho "resy" ihany ny manao tsipikely, raha hitany, ka darofany fanoto matetika ho faty, raha tsy tratra voatakontakon' ny havany angaha. Ahitsio
Tsipika
[admin]
: a.: Fifindrana mandingana na mitsambikina. - t.i.f.: Tafatsipika 1 mitsipika, fitsipika, mpitsipika 1 itsipihana, fitsipihana 1 mahatsipika 1 tsipitsipika. Ahitsio
Tsipika
[admin]
: p.t.: Fano hipoka, tsepoka, jibika. Ahitsio
Tsipika
[admin]
: a.: Tontam-boalavo. ~ Karazam-piadiana na fihazana vita amin'ny hazo navonkina sy tady henjana mampitohy ny tendron'ilay hazo ambony sy ambany: apaka amin'ny tady ny zana-tsipfka (tahon-javatra misy lohany maranitra) dia sintonina mafy hiverina ary rehefa avy eo, alefa tsy tanna intsony ka atosik'ilay tady henjana ilay izy ary lasa miriotra mankeny amin'ny toerana na zavatra kendrena halehany. Ahitsio
Tsipika
[admin]
: a.: Soritra mahitsy: Ny tsipipanohizana dia taipika kely manakamban-teny. - t.i.f.: Tsipihina, voatsipika 1 mitsipika, fitsipika, mpitsipika 1 itsipihana, fitsipihana 1 mahatsipika 1 tsipitsipika. Ahitsio
Tsipihina
[admin]
: (tsipika) mt ih. (taipiho): Asiana tsipika: Tsipiho kely ity ravin-taratasy ity mba hanoratako ho an'i Dada. • Vonoina arnin'ny tsipika: Tsipiho ny anaran' io mpianatra io fa efa tsy mianatra intsony izy. Ahitsio
Tsipy
[admin]
: a.: Fandefasan-javatra amin'n? tanana; fanilihan-javatra tsy tiana ka atoraka ariana. - t.i.f•: Tsipazana, atsipy, voatsipy, tafatsipy 1 manipy, fanipy, mpanipy 1 anipàzana, fanipàzana 1 mahatsipy 1 tsipitsipy. - F,-p.: Tsipy sandry: jer. Tsipisandry. J Tsipy voavitsy: fandehandehanana tsy misy antony. / Tsipy ahitra: tsy fitandremana. I Tsipy lavaka: jer. Tsipilavaka. / Tsipy tany: mitovy amin'ny tsipy ahitra. J Tsipy vato: fanaovan-tanisa amin'ny vato. Ahitsio