Teny nampidirina farany

Avanditra
[admin]
: (vanditra) mt, at. sady mt. fit. (avandiro): Atao mivohitra na mampivohitra; entina mamanditra. Ahitsio
Avànavàna
[admin]
: (vanavana) mt. at. (avanavanao): Atanatana. Ahitsio
Avanavana
[admin]
: p. mt.: Tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe "tsy bita": Tsy hita auanavana, tafahoatra na misy elanelany makadiry amin' ny hafa ampitahaina aminy: Tsy hita avanavana ny haben'Antananarivo miolotra amin'Ambohitrakely. Ahitsio
Avanàka
[admin]
: (vanaka) mt. at,: Atanatàna (vava). Ahitsio
Avàna
[admin]
: (ava) mt. ih. (avao): Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminY: E fa tokony havana ity tanimbary it? fa be loatra ireo ahidratsy. Ahitsio
Avana
[admin]
: na Antsibenandriamanitra a: Zava-miseho indraindray eny amin'ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin'ny lanin'ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana. - t.i.f: Mavana, mavamavana. Ahitsio
Avalongana
[admin]
: (valongana) mt. at.: Atao mivongana, atao antontany. Ahitsio
Avalona
[admin]
: (valona) mt. at. (avalony): Aforitra atao milamina tsara (lamba, taratasy...): Avalony tsara ireto taratasy ireto. Ahitsio
Avaly
[admin]
: (valy) mt. at. (avalio): Teny entina mamaly: Tsy manan-kavaly ianao satria tratra ambody omby. ~ Asetry: Inona no havaliko izao soa ataonao ahy izao? Ahitsio
Avalavala
[admin]
: (valavala) mt. at. (aualaualào): Akipiiipily. Ahitsio
Avalangidina
[admin]
: (valangidina) mt. at. (avalangidino): Azera, akodia amin'ny tany. Ahitsio
Avalana
[admin]
: (valana) mt. at. (avalano): Avala handeha hanaraka ny rano: Taloha navalana rano ny fatin'ny olo-meloka sasantsasany. 1 Entin' (ny rano): Navalan'ny rano ny fatin'ilay akoho matin' ny barika. ? Roahina, ahataka lavitra: Tokony havalana lavitra ny tanàna ny lambo. Ahitsio
Avalampatra
[admin]
: (valampatra) mt. at. (avalamparo): (tongotra) Atsotra. Ahitsio
Avala
[admin]
: (vola) mt, fit. (avalao): Entina mamala, mamefy. Ahitsio
Avaka
[admin]
: na Avany a: Iia kisoa ialan 'ny loha sy ny tongony. Ahitsio
Avaka
[admin]
: a.: Fanasarahana, fampihatahana hitokana na hisaraka tsy hiray amin'ny hafa. i t.if.: Avahana, voavaka ) manavaka, fanavaka, mpanavaka / anavahana, fanavahana 1 miavaka, fiavaka, mpiavaka 1 iavahana, fiavahana / mahavaka. Ahitsio
Avainga
[admin]
: (vainga) mt. at. (avaingào): Akana didiny. Ahitsio
Avaika
[admin]
: (vaika) mt. at. (avaikao): Aatrana (basy). Ahitsio
Avahana
[admin]
: (avaka) mt. ih. (avaho): Sarahina: Avaho ny ondry sy ny osy. ? Atokana: Tokony havahana aloha ny voa hafafy Ahitsio
Avaha
[admin]
: (vaha) mt. fit. (avahao): Entina mamaha. Ahitsio