Atsofotra [admin] | : | (tsofotra) mt. at. (atsofdry): Asitrika, alentika: Atsofotra ao anaty rano mangatsiaka ny vy mahamay rehe fa aofana, Ahitsio |
Atsofoka [admin] | : | (tsofoka) mt. at. (atsofdhy): Ampidirina: Atsofohy ao anatin'ny hidim-baravarana ny fanalahidy sao very. ~ Alentika: Atsofohy ao amin'ny lohanao hoe ity satroka it? hojerena raha sahaza anao. ~ Aiditra: Natsofoky ny olona tao an-trano Rakoto mba tsy ho azon' ny mpanenjika azy. Ahitsio |
Atsofa [admin] | : | (tsofa) mt, fit, (atsofao): Entina manatsofa. Ahitsio |
Atsoboka [admin] | : | (tsoboka) mt, at. (atsobohy): Ampidirina ao anaty rano: Atsobok'Ibalita ao anaty sinibe ny tanany maloto. Ahitsio |
Atsivetraka [admin] | : | (tsivetraka) mt. at. (atsivetràho): Velarina: Atsivetràho tsara eo ambany lavarangana it? tsihy it? hipetrahantsika, Ahitsio |
Atsivalana [admin] | : | (tsivalana) mt. at (atsivalàno): Atao mitsivalana, izany hoe: tsy atsangana manaraka ny lavany fa ampandrina manaraka ny sakany: Atsivalàno ny dabilio fa malalaka ny efitra. Ahitsio |
Atsitsika [admin] | : | (tsitsika) mt. fit. (atsitsiho): Entina mitsitsika, mitanisa firariana na fanozonana. Ahitsio |
Atsitsy [admin] | : | (tsitsy) mt. at. (atsitsio): Apetraka hotsitsina, holalaina, Ahitsio |
Atsitra [admin] | : | (tsitra) mt. at. (atsiro): Ampandrina mivalampatra: Natsitra teo ambony tsihy ny faty. Ahitsio |
Atsitika [admin] | : | (tsitika) mt. at. (atsitiho): Henjanina. ? Araikitra. Ahitsio |
Atsitajtaika [admin] | : | (tsitaitaika) mt. at. (atsitaitaiho): Atao mitsitaitaika, alatsaka tsy misesy fa mielanelana, atete: Atsitaitaika amin'ny maso io fanafody io. Ahitsio |
Atsiririka [admin] | : | (tsiririka) mt. at. (atsiririho): Avala hitsiririka, afantsitsitra. Ahitsio |
Atsiredareda [admin] | : | (tsiredareda) mt. at. (atsiredaredào): Atao antsirambina: Aza atsiredareda re ny asanao e! Ahitsio |
Atsirakaraka [admin] | : | na Atsirakorako (tsirakaraka, tsirakorako) mt. at. (atsirakarakao, atsirakorakoy): Atao misafotofoto, misaritaka. Ahitsio |
Atsirara [admin] | : | (tsirara) mt. at (atsirarào): Alavo mitsilany, ny tongotra sy ny tanana mitsidradraka. Ahitsio |
Atsipindy [admin] | : | (tsipindy) mt. fit,: Entina manisy tsipindy, Ahitsio |
Atsipilivaka [admin] | : | a,: Lalaon'ny ankizy izay hiadiana ny hahatafidirana zavatra (kanety na vato) ao anaty lavaka. Ahitsio |
Atsipy [admin] | : | (tsipy) mt. at. (atsipazo): Atoraka, alefa: Atsipazo iny baolina iny hotantazako. * Ohab.- Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby; atsipy ny teny any am-pon'ny manam-panahy: Enti-milaza fa ny olon-kendry dia mora mahazo ny teny atao aminy, na fananarana izany na torohevitra. Ahitsio |
Atsipeloka [admin] | : | (tsipeloka) mt. fit.: (teny an-tsafelfka) Enti-mamely ny sasany. Ahitsio |
Atsipelika [admin] | : | (tsipelika) mt. at.: Apelipelika, asavilivily. Ahitsio |