Teny nampidirina farany

Atsipalotra
[admin]
: (tsipalotra) mt, at. (atsipalàry): (maso) Asaina mijery vetivety, miserana: Natsipalotro teny aminy ny masoko ka menatra tara-mena izy. Ahitsio
Atsintsindrana
[admin]
: (tsintsindrana) mt. at. (atsintsindràno): A-saina mihoatra na manivaka amin'ny namany. Ahitsio
Atsinomina
[admin]
: (atsimo) mt. ih. (atsinomy): Atao mianatsimo, atodika any atsimo: A-tsinomy it? latabatro Ahitsio
Atsinkasina
[admin]
: (tsinkasina) mt. at. (atsinkasino): Atsimbadimbadika, akodiadia. Ahitsio
Atsinkafona
[admin]
: (tsinkafona) mt. at. (atsinkafôny): Ahevaheva eny ambony rano: Aza dia atsinkafona re ny loto efa mandry any ambany rano any e! 1 Zavatra tsy nisy nahalaia na efa hadino ka atranga ho hitan'ny be sy ny maro: Natsinkafony teo tamin'ny kabary nataony ny kileman'ilay maty. Ahitsio
Atsinjo
[admin]
: (tsinjo) mt. fit. (atsinjbvy): Entina mitsinjo. Ahitsio
Atsinjara
[admin]
: (tsinjara) mt. at. (atsinjarao): Atao mitsitokotoko; tsy amidy ambongadiny: Atsinjarao ireo voanjo ireo. Ahitsio
Atsinjaka
[admin]
: (tsinjaka) rat. at. (atsinjàho): Asaina mitsinjaka, mihinjakinjaka. Ahitsio
Atsingoloka
[admin]
: (tsingoloka) mt. at. (atsingolàhy): Atsimbadika ka ny loha no atao ambany, atotongana: Aza atsingoloka ny fitoeran-dranomainty. Ahitsio
Atsingoana
[admin]
: (tsingoana) mt, at. (atsingoany): Azera ka ny 10-hany no atao ambany: Natsingoanan'ny alika ny vilany. Ahitsio
Atsingina
[admin]
: (tsingina) mt. fit. (atsingino): Entina maningina, mandraikitra vifotsy amin'ny firaka. Ahitsio
Atsingilahila
[admin]
: (tsingilahila) rat. at. (atsingilahilao): Avembena, arondrbna: Aza atsingiiahila ny sininao sao vaky. Ahitsio
Atsingevina
[admin]
: (tsingeuino) mt, at. (atsingeveno): Asavilivily, akipilipily. Ahitsio
Atsingerina
[admin]
: (tsingerina) mt, at (atsingereno): Averina, enti na miverina: Natsingerin'Ibalita ny omby. tr Averina, lazaina fanindroany: Natsingeriny ny teniny vao azoko. Ahitsio
Atsingedana
[admin]
: (tsingedana) mt. at.: Avalampatra, atsotra mivalandbtra. Ahitsio
Atsingatotra
[admin]
: (tsingatotra) mt. at. (atsingatory): Apotraka ka miainga ny ilany vao mianjera; alavo ka mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony: Aza atsingatotrao ny seza sao tapaka, Ahitsio
Atsinganga
[admin]
: (tsinganga) mt, at, (atsingangào): Atao mitsinganga, miainga fia. Ahitsio
Atsingadina
[admin]
: (tsingadina) mt. at. (atsingadino): Apotraka, alavo, akodia amin'ny tany. Ahitsio
Atsindrona
[admin]
: (tsindrona) mt, fit, (atsindrony): Entina manindrona. Ahitsio
Atsindroka
[admin]
: (tsindroka) mt. fit. (atsindrohy): Entina mitsindroka na maka zavatra, vato kely na voan-javatra, anrin' ny vava (vavam-borona). Ahitsio