Atsipalotra [admin] | : | (tsipalotra) mt, at. (atsipalàry): (maso) Asaina mijery vetivety, miserana: Natsipalotro teny aminy ny masoko ka menatra tara-mena izy. Ahitsio |
Atsintsindrana [admin] | : | (tsintsindrana) mt. at. (atsintsindràno): A-saina mihoatra na manivaka amin'ny namany. Ahitsio |
Atsinomina [admin] | : | (atsimo) mt. ih. (atsinomy): Atao mianatsimo, atodika any atsimo: A-tsinomy it? latabatro Ahitsio |
Atsinkasina [admin] | : | (tsinkasina) mt. at. (atsinkasino): Atsimbadimbadika, akodiadia. Ahitsio |
Atsinkafona [admin] | : | (tsinkafona) mt. at. (atsinkafôny): Ahevaheva eny ambony rano: Aza dia atsinkafona re ny loto efa mandry any ambany rano any e! 1 Zavatra tsy nisy nahalaia na efa hadino ka atranga ho hitan'ny be sy ny maro: Natsinkafony teo tamin'ny kabary nataony ny kileman'ilay maty. Ahitsio |
Atsinjo [admin] | : | (tsinjo) mt. fit. (atsinjbvy): Entina mitsinjo. Ahitsio |
Atsinjara [admin] | : | (tsinjara) mt. at. (atsinjarao): Atao mitsitokotoko; tsy amidy ambongadiny: Atsinjarao ireo voanjo ireo. Ahitsio |
Atsinjaka [admin] | : | (tsinjaka) rat. at. (atsinjàho): Asaina mitsinjaka, mihinjakinjaka. Ahitsio |
Atsingoloka [admin] | : | (tsingoloka) mt. at. (atsingolàhy): Atsimbadika ka ny loha no atao ambany, atotongana: Aza atsingoloka ny fitoeran-dranomainty. Ahitsio |
Atsingoana [admin] | : | (tsingoana) mt, at. (atsingoany): Azera ka ny 10-hany no atao ambany: Natsingoanan'ny alika ny vilany. Ahitsio |
Atsingina [admin] | : | (tsingina) mt. fit. (atsingino): Entina maningina, mandraikitra vifotsy amin'ny firaka. Ahitsio |
Atsingilahila [admin] | : | (tsingilahila) rat. at. (atsingilahilao): Avembena, arondrbna: Aza atsingiiahila ny sininao sao vaky. Ahitsio |
Atsingevina [admin] | : | (tsingeuino) mt, at. (atsingeveno): Asavilivily, akipilipily. Ahitsio |
Atsingerina [admin] | : | (tsingerina) mt, at (atsingereno): Averina, enti na miverina: Natsingerin'Ibalita ny omby. tr Averina, lazaina fanindroany: Natsingeriny ny teniny vao azoko. Ahitsio |
Atsingedana [admin] | : | (tsingedana) mt. at.: Avalampatra, atsotra mivalandbtra. Ahitsio |
Atsingatotra [admin] | : | (tsingatotra) mt. at. (atsingatory): Apotraka ka miainga ny ilany vao mianjera; alavo ka mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony: Aza atsingatotrao ny seza sao tapaka, Ahitsio |
Atsinganga [admin] | : | (tsinganga) mt, at, (atsingangào): Atao mitsinganga, miainga fia. Ahitsio |
Atsingadina [admin] | : | (tsingadina) mt. at. (atsingadino): Apotraka, alavo, akodia amin'ny tany. Ahitsio |
Atsindrona [admin] | : | (tsindrona) mt, fit, (atsindrony): Entina manindrona. Ahitsio |
Atsindroka [admin] | : | (tsindroka) mt. fit. (atsindrohy): Entina mitsindroka na maka zavatra, vato kely na voan-javatra, anrin' ny vava (vavam-borona). Ahitsio |