Atsikera [admin] | : | (tsikera) mt. at. (atsikerao): Saratsarahina tsy avala hifatratra na hifitsaka: Atsikerao tsara ireo kapoaka ireo hatao sesi-kidoro. Ahitsio |
Atsikefakefaka [admin] | : | (tsike fakefaka) mt. at. (atsikefakefàho): A-hofahofa amin'ny laniny iray ihany. Ahitsio |
Atsikebona [admin] | : | (tsikebona) mt at, (atsikebony): Ahetsiketsika (ny fotaka na ny loto ao anaty rano). Ahitsio |
Atsikaroka [admin] | : | (tsikaroka) mt, fit. (atsikaràhy): Entina mitsikaroka, mihohy ny tongotra aman-tanana mba ho afaka. Ahitsio |
Atsikanina [admin] | : | (tsikanina) mt. at. (atsikàno): Atono, atsatsika. Ahitsio |
Atsikala [admin] | : | na At4ikalana (tsikaia, tsikalana) mt, at. (atsikalào, atsikalàno): Atao tsikalana. Ahitsio |
Atsika [admin] | : | (tsika) mt. at. (atsiho): Avala handeha na hiala tsikelikely ny rano. Ahitsio |
Atsihika [admin] | : | (tsihika) rat. fit. (atsihifo): Entina manihika, ma-ka hazandrano amin'ny tandroho. Ahitsio |
Atsidradra [admin] | : | na Atsidradraka (tsidmdra, tsidradraka) mt. cit. (atsidradrao, atsidradraho): Asandrahaka, atsangana, atao misandrahaka: Aza atsidradraka ohatm izao re ny tongotrao e! Ahitsio |
Atsidika [admin] | : | (tsidika) mt. at. (atsidiho): Aseho kely any ivelany: Aza atsidika eo ambaravarankelin'ny fiaran-dalamby ny lohanao rehefa mandeha. Ahitsio |
Atsiaka [admin] | : | (tsiaka) mt, at. (atsiaho): Atao izay hanatriarana; riatina. Ahitsio |
Atsiahy [admin] | : | (tsiahy) mt. at.: Ampahatsiarovina. Ahitsio |
Atsy [admin] | : | p• mt.: Enti-milaza toerana akaikikaiky somary an-tsisintsisiny na tondroin-tanana izay tsy hita fa takona: Nisy feo nivoaka avy atsy anaty lobolobo atsy. Ahitsio |
Atsetsatsetsa [admin] | : | (tsetsatsetsa) mt, at. (atsetsatsetsào): Atao mitsetsatsetsa, mirefodrefotra sy mipitripitrika. Ahitsio |
Atsetsaka [admin] | : | (tsetsaka) mt, fit. (atsetsàho): Entina mandrehitra. Ahitsio |
Atsetra [admin] | : | ,Atsetsetra (tsetra) mt. fit. (atsero, atsetsero): Entina mitsetra, mampiseho fangorahana; entina mangomka: Atsero ny mahantra ny fonao. Ahitsio |
Atsetaka [admin] | : | (tsetaka) mt. at. (atsetaho): Enti-milaza zavatra apetaka mifanerana tsara; atsatoka: Atsetaho tsara amin'ny vilany ny sarony. Ahitsio |
Atsentsitra [admin] | : | (tsentsitra) mt. fit. (atsentsèfo): Entina mitsentsitra, mitrbka. Ahitsio |
Atsentsina [admin] | : | (tsentsina) mt. fit. (atsentsèno): Entina manentsina, Ahitsio |
Atsena [admin] | : | (tsena) mt, fit. (atsenao): Aroso mba hitsena, na hananty ny famelezana mankamin'ny tena: Ny kihoko no natsenako ny totohondriny. Ahitsio |