Asampina [admin] | : | (sampina) mt. at. (asampino): Enti-milaza ny ila lamba asampy amin'ny soroka: Asampino ny lambanao fa hiainga isika. Ahitsio |
Asampy [admin] | : | (sampy) mt at. (asampazo): Atao misampy, na mihantona, misavily eny ambozona. Ahitsio |
Asampana [admin] | : | (sampana) mt, at. (asampano): Omena asa ma-ro hosahanina. Ahitsio |
Asambotra [admin] | : | (sambotra) mt, at. (asambory): Entina misambotra. Ahitsio |
Asamboritra [admin] | : | (samboritra) mt. at. (asamborito): Isikinana mafy, ahodidina ny valahana. Ahitsio |
Asamboaravoara [admin] | : | (samboaravoara) mt. at. (asamboaravoarao): Atao misamboaravoara, ahetsika mahery hitambohmbolina, atroatra: Asamboaravoaran'ny rivotra ny ranomasina. Ahitsio |
Asamboady [admin] | : | (samboady) mt, at. (asamboadio): Atao samboady: Nasamboadiny an'ilay sarivongana ny sainam-pirenena. Ahitsio |
Asambasamba [admin] | : | (sambasamba) mt. fit, (asambasambao): (teny) Entina misambasamba, mirary, mitso-drano raha manantatra zavatra. Ahitsio |
Asamaka [admin] | : | (samaka) mk at (asamaho): Atao misaraka roa. Ahitsio |
Asalovana [admin] | : | (salouana) mt. at. (asalovano): Atao eo anoloana mba hanelingelina: Aza asalouana olona eo io akalana io fa esory. Ahitsio |
Asalotra [admin] | : | (salotra) mt. at. (asalory): Atao salotra: Ilay fehitenda volonondry asalotra ny vozonao fa mikohaka ianao izany. Ahitsio |
Asalobona [admin] | : | (salobona) mt. fit. (asalobony): Entina manasalobona, manakona amin'ny lamba. Ahitsio |
Asaly [admin] | : | Asalisaly (saly) mt. at. (asalio), (asalisalio): Atao eo ambony afo vetivetY mba ho azo hanina. Ahitsio |
Asalehotra [admin] | : | (salehotra) mt. at. (asalehory): Atao tonga sahisahy. Ahitsio |
Asalazana [admin] | : | (salazana) mt at.(asalazano): Asalisaly, atono, hamainina eo ambony af o. Ahitsio |
Asalasala [admin] | : | (saiasala) mt. at. (asalasalao): Asaina misalasala. Ahitsio |
Asalaka [admin] | : | (salaka) mt, at. (asalakao): Atao salaka. Ahitsio |
Asakonoka [admin] | : | (sakonoka) mt, fit. (asakonohy): Entina manafina anaty lamba. Ahitsio |
Asakobona [admin] | : | (sakobona) mt. fit. (asakobony): Entina hanafenana anaty zavatra, asarona: Inona no hasakobona ity vilia fa mahamenatra? Ahitsio |
Asakelika [admin] | : | (sakelika) mt. at. (asakeleho): Hoentina ao ambany helika. Ahitsio |