Teny nampidirina farany

Asampina
[admin]
: (sampina) mt. at. (asampino): Enti-milaza ny ila lamba asampy amin'ny soroka: Asampino ny lambanao fa hiainga isika. Ahitsio
Asampy
[admin]
: (sampy) mt at. (asampazo): Atao misampy, na mihantona, misavily eny ambozona. Ahitsio
Asampana
[admin]
: (sampana) mt, at. (asampano): Omena asa ma-ro hosahanina. Ahitsio
Asambotra
[admin]
: (sambotra) mt, at. (asambory): Entina misambotra. Ahitsio
Asamboritra
[admin]
: (samboritra) mt. at. (asamborito): Isikinana mafy, ahodidina ny valahana. Ahitsio
Asamboaravoara
[admin]
: (samboaravoara) mt. at. (asamboaravoarao): Atao misamboaravoara, ahetsika mahery hitambohmbolina, atroatra: Asamboaravoaran'ny rivotra ny ranomasina. Ahitsio
Asamboady
[admin]
: (samboady) mt, at. (asamboadio): Atao samboady: Nasamboadiny an'ilay sarivongana ny sainam-pirenena. Ahitsio
Asambasamba
[admin]
: (sambasamba) mt. fit, (asambasambao): (teny) Entina misambasamba, mirary, mitso-drano raha manantatra zavatra. Ahitsio
Asamaka
[admin]
: (samaka) mk at (asamaho): Atao misaraka roa. Ahitsio
Asalovana
[admin]
: (salouana) mt. at. (asalovano): Atao eo anoloana mba hanelingelina: Aza asalouana olona eo io akalana io fa esory. Ahitsio
Asalotra
[admin]
: (salotra) mt. at. (asalory): Atao salotra: Ilay fehitenda volonondry asalotra ny vozonao fa mikohaka ianao izany. Ahitsio
Asalobona
[admin]
: (salobona) mt. fit. (asalobony): Entina manasalobona, manakona amin'ny lamba. Ahitsio
Asaly
[admin]
: Asalisaly (saly) mt. at. (asalio), (asalisalio): Atao eo ambony afo vetivetY mba ho azo hanina. Ahitsio
Asalehotra
[admin]
: (salehotra) mt. at. (asalehory): Atao tonga sahisahy. Ahitsio
Asalazana
[admin]
: (salazana) mt at.(asalazano): Asalisaly, atono, hamainina eo ambony af o. Ahitsio
Asalasala
[admin]
: (saiasala) mt. at. (asalasalao): Asaina misalasala. Ahitsio
Asalaka
[admin]
: (salaka) mt, at. (asalakao): Atao salaka. Ahitsio
Asakonoka
[admin]
: (sakonoka) mt, fit. (asakonohy): Entina manafina anaty lamba. Ahitsio
Asakobona
[admin]
: (sakobona) mt. fit. (asakobony): Entina hanafenana anaty zavatra, asarona: Inona no hasakobona ity vilia fa mahamenatra? Ahitsio
Asakelika
[admin]
: (sakelika) mt. at. (asakeleho): Hoentina ao ambany helika. Ahitsio