Teny nampidirina farany

Asakana
[admin]
: (sakana) mt. at. (asakano): Atao sakana, fefy: Vatan-kazo no nasakany ny fidirana tao anaty saha. Ahitsio
Asakambina
[admin]
: (sakambina) mt. fit, (asakambino): (ny sandry) Entina manakambina na misakambina. Ahitsio
Asakaiza
[admin]
: (sakaizo) mt. at. (asakaizao): Omena olona ho sakaiza. Ahitsio
Asakafo
[admin]
: (sakofo) mt. at. (asakafoy): Atao sakafo: Omany izay hasakafo an'ireto vahiny ireto. Ahitsio
Asaka
[admin]
: (saka) mt, fit. (asakao): (ny tanana) Entina misaka, maka hazandrano na orana ao anaty rano na ao anaty la-valsa. Ahitsio
Asaka
[admin]
: a: Enti-milaza ny soratr'omby mavo vasoka na ma-loto volo. Ahitsio
Asaina
[admin]
: (asa) mt. at. (asao): Ranitina, rangitina, atao tonga mifilofilo: Nasain'iza re ity antsy ity no nanjary naranitra aoko izany e! Ahitsio
Asaina
[admin]
: (asa) mt. ih. (asao): Angantahina ho tonga amin'ny fivoriana, sakafo, lanonana...: Nasain'idadabe nisakafo tany aminy izahay tamin' ny taom-baovao. 1 Didiana, omena teny: Nasain'ny fanjakana nanao lalana ny fokonolona ~ Tarihina, tao-mina, amporisihina: Nasainy nanaja ny mpiray monina ny zanany. Ahitsio
Asaiky
[admin]
: (saiky) mt. at. (asaikeo): Atao saikiny na solony ratsiratsy kokoa: Mpitandrina tovolahy kely no nasaiky ny mpampianatra nanavy ka tsy faly ny mpianotrn. Ahitsio
Asaika
[admin]
: (saika) mt. at. (asaiho): Enti-milaza ny fitaovana izay asoka ao anaty rano: Aza tovozina ny rano fa ny siny mihitsy asaika ao anaty rano; tsy ampy toy inona dia ho feno ny sininao. Ahitsio
Asahy
[admin]
: (sahy) mt, fit. (asahio): (teny) Entina manompa, manevateva. Ahitsio
Asahato
[admin]
: (sahato) mt. fit. (asahatoy): (teny) Entina misahato, manozona. Ahitsio
Asahaina
[admin]
: (asaha) mt. ih. (asahao): Ozonina, ompana, sahatoina. Ahitsio
Asaha
[admin]
: a.: Ompa, fanompana, ozona, fanirian-dratsy hihatra amin'ny sasany. ¶ M,h.: fanozonana, ozona, fanompana, ompa, fisahatoana, sahato, fisarikoana, sariko, fanasahana. i t.f.f,: asahaina 1 manasaha, fanasaha 1 fanasahàna, anasahàna 1 mahasaha. Ahitsio
Asafotra
[admin]
: (safotra) mt. at. (asafory): Entina manafotra, manototra; entina manosotra. Ahitsio
Asafotofoto
[admin]
: (safotofoto) mt. at. (asafotofotoy): Atao misafotofoto, mikorontana, tsy milamina. Ahitsio
Asafontina
[admin]
: (safontina) mt. at. (asafonteno): Akorontana, asavorovoro, asafotofoto. Ahitsio
Asafofoka
[admin]
: (safofoka) mt. at. (asafofohy): Azera. Ahitsio
Asafoaka
[admin]
: (safoaka) mt. at. (asafoahy): Atao tonga misafoaka, tezitra mafy, Ahitsio
Asafo
[admin]
: (safo) mt. fit. (asafoy): Entina misafo: Ny tananao havia asafo azy raha marary ny havanana. Ahitsio