Teny nampidirina farany

Asafy
[admin]
: (safy) mt. ais (asafio): Atao safiny, fanampiny, famenony: Ity tsoria-damba ity asafy ny moron-tongotr' akanjonao. Ahitsio
Asafelika
[admin]
: (felika) mt, at. (asafeleho): Atao miolaka, atao misafelika: Aza asafelika any aoriana any ny tananao rehefa mandray zauatra Ahitsio
Asafaty
[admin]
: (Ats.) a: Fetin'ny maty izay atao isan-taona, nefa koa indrafndray isan-droa na telo tanna, ho an'ireo rehetra maty nandritra izay fepotoana izay; izay nanaovana asafaty ihany no mahazo miditra amin'ny fasana xaikitra. Ahitsio
Asafary
[admin]
: (safary) mt. at. (asaforio): Ilazana fiolakolahana entina manary rariny na mitsapatsapa ny hevitry ny ha-fa. Ahitsio
Asadika
[admin]
: (sadika) mt. at. (asadikao): Atao misadika na ahodidina ny valahana, dia aiditra amin'ny elakela-pe toy ny salaka. Ahitsio
Asabotsy
[admin]
: a.: Andro fahafito sady farany amin'ny herinandro. Araka ny finoan'ny Ntaolo, ny asabotsy dia andro mibontsina: fitomaniana ny maty, fanaovana ny famoizana sy afana. * ohab.: Zomà tsy hendry ka asabotsy vao fiharatra: Manao zavatra tsy araks ny fotoanany avy. Ahitsio
Asaboratsy
[admin]
: na Rafy a: Zavamaniry fanao ody kankana ny voany vao notazana, na indrindra ny hoditry ny fakany izay tena tsara fiasa saingy tsy azo omena ny ankizy (Massa lanceolata). Ahitsio
Asabodika
[admin]
: (sabodika) mt. at. (asabodeho): Asaritaka, akorontana mba hampifamadika sy hampifandiso izay te-na izy sy ny marina: Aza asabodika ny teninao fa tsy hita intsony izay tenu mari-na. Ahitsio
Asabaka
[admin]
: (sabaka) mt. at. (asabakao): Atao misabaka, ahataka ny tongotra roa. Ahitsio
Asa
[admin]
: ft.: Enti-milaza fandranitana zava-maranitra. - t.i.f: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 musa-na, fanasana. Ahitsio
Asa
[admin]
: p. m t.: Entina mamaly, ka milaza tsy fahafantarana na tsy fisafidianana: Rahoviana ionareo no handeha? — Asa tsy fantatro fa manavy ny zanakay. / Handeha ianao sa hijanona? — Asa, izay tianao no hataoko. - F.-p,: Manao asa azy: manao hoe "raharahany izany", tsy miraharaha. / Asanao: ianao no tompon-tsafidy. Ahitsio
Asa
[admin]
: ft.: Enti-milaza fiantsoana na fiangaviana olona hanatrika lanonana na hisakafo, fitaomana olona hanao zavatra. i Li. f.: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 anasana, fanasana. Ahitsio
Asa
[admin]
: a,: Teny ilazana izay atao: Asa mafy ny mitaona vato. ~ Raharaha: Inona no asan'ny rainao, ry zaza?. •Fihadiana tany amin'ny angady mba hovolena: Tsy mbolo vita asa ity tany US,' ka karakarao. Fampiasana: Asa saina - t.i.f,: Asaina, voasa 1 miasa, fiasa, mpiasa 1 iasana, fia-sana 1 mahasa. - F.-p.: Asa basy: fianaran' ny miaramila mampiasa basy. / Asa dia: fivezivezena a-tao mba hanala voly ny tongotra. / Asa saina: asa ampiasana indrindra ny saina, oh.: fampianarana, fanaovam-boky. / Asam-birao na osa birao: asa atao any amin'ny birao, izay miompana indrindra amin'ny soratra. 1 Asa ta-nana: asa ampiasana indrindra ny tanana, asa taozavatra toy ny fandrafetana, fiasantany. J Asa tany: asa fambolena, izany hoe fitrandrahana ny tany. / Asa tena: asa mahaleo tena, izany hoe asa tsy miankina amin'olon-kafa manakarama ny tena fa ny vokatry ny asan'ny tena ihany no ohatra ny karaman'ny te-na. / Asa soratra: lahatsoratra na boky vita-na mpanoratra: Efa vita printy ny asa soratry ny Avana. / Asa tombamboroka: ny tany manaraka ny ahitra sorohina. / Asa vadi-drano: asa tanimbary fa-no rano. / Asa xama: asa tany rakotra ahitra be. * Ohab,: Asa vadi-drano tsy uita raha tsy ifanakonana: asa sarotra tsy vita raha tsy ifanampiana. Ahitsio
Arzantinina
[admin]
: (fr. Argentine) a.: Ny tompon-tany any amin' ny tanin'i Arzantina (Amerika atsimo indrindra): Manankarena solitany sy tenondamba ny Arzantinina. ~ p.t.: Momba an'i Arzantina, an'ny Arzantina na avy any Arzantina. Ahitsio
Arsidiosezy
[admin]
: (fr. archidiocèse) a: (Fiv. kat.) Fitantanana diosezy maromaro na vitsivitsy mifanakaiky; ny eveka eo amin'ny renivohitry ny arsidiosezy dia antsoina hoe arseveka. Ahitsio
Arseveka
[admin]
: (fr. archevêque) a: (Fiv. kat.) Anarana iantsoana ny eveka mitantana arsidiosezy. Ahitsio
Arozaroza
[admin]
: (rozaroza) mt. at. (arozaroxao): Akiraviravy. Ahitsio
Arozaka
[admin]
: (rozaka) mt, at. (arozahy): Akfraviravy. Ahitsio
Arovoniny
[admin]
: a: Hazo apetraka ambony vovonana mba hampilamina sy hampandry ny bozaka na ny herana atao ta-fo. Ahitsio
Arovana
[admin]
: (aro) mt. ih. (arovy): Tandremana sao misY marnely na manimba: Arovan'ny miaramila andro aman'alina ny tranon'ny Filoha fa matahotra izy. ? Sakanana, rarana: Arovany tsy avelany hivoaka ny vadiny. ? Alofana: Arovan'ny satroka amin'ny hainandro ny loha. Ahitsio