Teny nampidirina farany

Arova
[admin]
: (rova) mt, fit. (arovay, na arovao): Entina mandrova na mamefy. Ahitsio
Arotsaka
[admin]
: (rotsaka) mt, at (arotsahy): Aidina: Arotsahy amin'izay ny vary fa efa mangotraka ny rano. ~ Alatsaka amin'ny sekoly, fianaran-draharaha...: Narotsako hianatra ny zanako fa efa lehibe. Ahitsio
Arotoroto
[admin]
: (rotoroto) mt. at. (aro toroto y ) : Asaina atao haingana. Ahitsio
Aroso
[admin]
: (roso) mt. at. (arosoy): Enti-milaza zavatra omena olona ka entina eo anoloany: Arosoy amin'izao ny vary. ? Asaina miditra, ampidirina: Arosoy ilay olona ao fa efa niandry ela loatra ~ Entina: Naroso tamin'ny fitsarana ny adinay. 1 Afindra ho alohaloha kokoa: Naroso ny daty hanaovanafanadinana. Ahitsio
Arosy
[admin]
: a.: Karazam-borona andrano dia mitovitovy amin' ny dokotra. Ahitsio
Arorona
[admin]
: (rorona) mt, at. (arorony): Avala hanambady olona ambany firazanana no-ho izy. Ahitsio
Aroritra
[admin]
: (roritro) mt. fit. (arorito): Entina mandroritra. Ahitsio
Arorika
[admin]
: (rorika) mt. at. (aroriho): Atao miketraka, miborerarera. Ahitsio
Aroraka
[admin]
: (roraka) mt. at. (arorohy): Atao miketraka, migedragedra, mitambotsotra. Ahitsio
Arora
[admin]
: (rora) mt, at. (aroray): Avoaka miaraka amin'ny rora: Aroray haingana ilay vatomamy any am-bavanao fny. Ahitsio
Aropiropy
[admin]
: (ropiropy) mt. at (aropiropio): Avala ho fadiranovana. Ahitsio
Aronjina
[admin]
: (ronjina) mt. at. (aronjeno): Atosika maherihery ka mianjera: Naronjiny aho ka saika potroka tany an-kady raha tsy nahafikitra tamin'ny ahitra Ahitsio
Arongo
[admin]
: (rongo) mt. fit. (arongoy): Ilazana izay entina mandravaka ny sisiny (lamba, akanjo...). Ahitsio
Arongatra
[admin]
: (rongatra) mt. at. (arongaty, na arongato): A-voaka betsaka indray miaraka. Ahitsio
Arongaronga
[admin]
: (rongaronga) mt, at.: Avala hitombo haingana, atao tonga maroroka. Ahitsio
Arondrarondra
[admin]
: (rondrarondra) mt. at. (arondrarondrao): A-vela hikirazorazo. Ahitsio
Arôna
[admin]
: (rona) mt. at. (arony): Ahilana, atongilana, araika: Aza ardna mankany an-kauia ny lohanao. Ahitsio
Aromoromo
[admin]
: (romoromo) mt. at. (aromoromoy): Avala hisy romoromo (zavatra mikiramborambo, kilema, tsininy): Aza aromoromo ny moron-tongotr'akanjonao. / Naromoromony ny fihavanana. Ahitsio
Aromborombo
[admin]
: (romborombo) mt. at. (aromboromboy): A-vela hiromborombo. I (volombava) Avala haniry misaritadritaka: Nahoana re no dia aromborombo tahaka izao it? volombauanao e! Ahitsio
Aroloha
[admin]
: (Tsm) a.: Fombantolona omby iray toy izao: miforitra eo an-tsefaky ny tandroka ny tena ka ny tanana roa mihazona ny hatoky ny omby ary ny tongotra roa mangeja ny vavany. Ahitsio