Teny nampidirina farany

Tsingovihovy
[admin]
: a.: Anarana hafa ilazana ny sarisarimbomanga (Conuoluulus). Ahitsio
Tsingoloka
[admin]
: a.: Tsimbadika ka ny loha no lasa ambany ary ny tongotra kosa no lasa ambony; filam-baniny hikendrena hamelezana ny sasany. i t.i.f.: Atsingoloka, voatsingoloka, tafatsingoloka / manatsingoloka, fanatsingoloka, mpanatsingoloka / anatsingolohana, fanatsingolohana I maningoloka / mitsingoloka, fitsingoloka, mpitsingoloka / itsingolohana, fitsingolohana / mahatsingoloka / tsingolongoloka. Ahitsio
Tsingolobatita
[admin]
: a.: Karazan-dalao fanaon'ny ankizy: ny lohany ataony ambany ary ny tongony ambony. ---ta Ahitsio
Tsingodongodona
[admin]
: a.: Karazanjavamaniry. Ahitsio
Tsingoana
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra mianiera ka ny ambony lasa ambany. - t.i.f.: Atsingoana, voatsingoana, tafatsingoana I mana-tain goana, fanatsingoana, mpanatsingoana / anatsingoanana, fanatsingoanana / mitsingoana, fitsingoana, mpitsingoana / itsingoanana, fitsfngoanana / mahatsingoana / tsingoangoana. Ahitsio
Tsingita
[admin]
: na Anantsingita a.: Karazan'ahitra misy raviny madinika fihinana. Ahitsio
Tsingirihiry
[admin]
: a. : Karazan'ahitra. Ahitsio
Tsinginina
[admin]
: (tsingina) mt. ih. (tsingino): Raisina amin'ny loha rantsana fotsiny: Tsingino tsara ny takotra fa misy arina. 1 Akana pitiny kely: Tsingino amin'ny tananao ny sira atao amin'ny laoka. Ahitsio
Tsinginana
[admin]
: (tsingina) mt. pdr. (tsingino): Petahana firaka mahamay mba hitohizany, na mba ho tampina ny loaka. Ahitsio
Tsingina
[admin]
: a.: Fandraisan-javatra amin'ny loha rantsan-tanana fotsiny. i Lit: Tsinginina, atsingina, voatsingina I mitsingina, fitsingina, mpitsingina I itsinginana, fitsinginana / mahatsingina f tsingintsingina. Ahitsio
Tsingina
[admin]
: a.: Fampitohizana vifotsy na fanampenana vifotsy loaka amin'ny firaka na zavatra hafa toy hy solohoto atao mahamay, 1 Tsinginana, atsingina, voatsingina I maningina, faningina, mpaningina / aninginana, faninginana / mitsingina, mahatsingina. Ahitsio
Tsingilahila
[admin]
: ft.: Enti-milaza toetran'ny zavatra tsy marintoerana na tsy mahazo toerana tsara ka mivembena na mirondrona na koa toetran' ny olona misalasala, mkoahana, miahanahana. - t.i.f• : Atsingilahila, voatsingilahila, tafatsingilahila 1 manatsingilahila, fanatsingilahila, mpanatsingilahila 1 anatsingilahilana, fanatsingilahilana / mitsingilahila, fitsingi- lahila, mpitsingilahila I itsingilahilàna, fitsingilahilàna / mahatsingilahila. Ahitsio
Tsingidina
[admin]
: a.: Fianjerana mikodiadia, fionganana. Mitsfngidina. Ahitsio
Tsingy
[admin]
: a.: Tendrony. - Tsingim-bato: vato mivohitra noho ny namany eny an-kavoana. / Tsingimbody: ilay nofo mivohitra sy mitokana kely toy ny kambo amin'ny vodiakoho na vodivorona. Ahitsio
Tsingevina
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra misavilivily na lipily mihodina amin'ny lahiny. - t.i.f.: Atsingevina, voatsingevina I manatsingevina, fanatsfngevina, mpanatsingevina / anatsingevenana, fanatsingevenana / mitsingevina, fitsingevina, mpitsingevina / itsingevenana, fitsingevenana 1 mahatsingevina 1 tsingevingevina. Ahitsio
Tsingavina
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry. • Anarana hala karazany iray. Ahitsio
Tsingevaheva
[admin]
: Mitovy amin'ny Hevaheva. Ahitsio
Tsingerina
[admin]
: ft.: Fiverenana eo amin'ny toerana nialana (filaza indrindra amin'ny masoandro, volana, fotoana). i t. z f.: Atsingerina, voatsingerina, tafatsingerina 1 manatsingerina, fanatsingerina, mpanatsingerina 1 anatsingerenana, fanatsingerenana 1 mitsingerina, fitsingerina, mpitsingerina 1 itsingerenana, fitsingerenana 1 mahatsingerinaj mitsingerhngerina 1 tsingeringerina. Ahitsio
Tsingetana
[admin]
: a.: Karazam-balala madinika, mitomamotamo ny volony ary misy pentimpentina mania. Ahitsio
Tsingedana
[admin]
: ft.: Toetran'ny oiona mandry mivalampatra, mitsotra toy ny amalo-maty. 1 t.i.f.: Atsingedana, voatsingedana, tafatsingedana / manatsingedana, fanatsingedana, mpanatsingedana I anatsingedanana, fanatsingedanana 1 mitsingedana, fitsingedana, mpitsingedana / itsingedanana, fitsingedanana 1 mahatsingedana 1 tsingedangedana. Ahitsio