Teny nampidirina farany

Arifatra
[admin]
: (rifatra) mt. at. (arifato): Asaina na avala mandositra, ampandosirina. Ahitsio
Aridiridy
[admin]
: (ridiridy) mt. at. (aridiridio): Atao miridiridy, henjana, tsy mihetsiketsika: Naridiridiny ny masony ka natahotra izahay. Ahitsio
Aridana
[admin]
: (ridana) mt. at. (aridano): Alefa, ampandosirina haingana betsaka indray miaraka;vonoina betsakaindray miaraka. Ahitsio
Ariatra
[admin]
: (riatra) mt. ot. (ariato); Alefa handositra, avala hiriatra. Ahitsio
Ariaria
[admin]
: (riaria) mt, at. (ariariavo): Ahetsiketsika ao anaty rano. Ahitsio
Ariary
[admin]
: a.: Anaran'ny vola izay nataon'ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4, 80 frs tany aloha ary 5, O0frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1 /6: venty ; ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin'ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin'ny hoe: ariary zato, ariary folo... * ohab.: Voamena maniho ariary: Zavatra kely mahavery ny be; / Manao ariary zato am-pandriana: Manao tetika be an'eritreritra, izay mazàna tsy mifanaraka amin' ny zavatra mety hisy akory. Ahitsio
Ariandro
[admin]
: a: Zavamaniry anaovana evoka manamora fiterahana. (Pterocaulon decurrens). Ahitsio
Ariana
[admin]
: (ary) mt, ih (ario), mpan (mpanary): Tsy tiana ka avela, atsipy na tsy heverina intsony: Hariako io boky ratsy io. • Vary (raha milaza ny lasa ihany anefa): Narian'Isambilo ny solomasondrainy. ary, ario, manary, mpanary, fanariana. Ario ny fako. Manary fako ny ankizy. Manary fako no asany. Tandremo, tsy fanariam-pako eto. Ahitsio
Ary
[admin]
: p.mt.: Enti-milaza fehinteny na misolo fehin-teny mihitsy ara: Raha izany àry no izy, inona indray no hitadiavanfsika vavo lom belona? / Andeha àry isika, anaka. Ahitsio
Ary
[admin]
: ft.: Enti-milaza fanipazana, tsy fiheverana zavatra tsy tiana intsony. i Ariana, voary / manary, fanary, mpanarY / anariana, fanariana / mahaxy. Ahitsio
Ary
[admin]
: (jar. AriarY). Ahitsio
Ary
[admin]
: p.t.: Misy: Ary isika noho ny fahefan'ny mpahary. ? Manana: Efa ary nify ny zanako, - t.i.f,: Arina, voary / mahary, fahary, mpahary / ahariana, fahariana. - F.-p.: Ary fady: enti-milaza ny zavamananaina ao ankibon-dreniny izay efa tomombana tsara ny toe-tenany. / Ary fanaka: manam-panaka, manana ny ilaina rehetra amin'ny tokantrano. / A-ry fanahy: von,. saina, efa a.-faim mieritreritra. / Ary fenitra: enti-milaza asa na raharaha tsars fiandoha ka misosa sy tomombana tsara. ) A-ry fomba: tomombana amin' ny maha-izy azy, izany hoe ao aminy daholo izay ilaina mba hahalavorary azy. / Ary tongotra aman-tanana: milaza ny zaza vao mitsaika efa misy tongony sy tanany. / A-ry vatana fa tsy ary fanahy: lehibe vatana fa tsy misy saina. ¶ M.h.: Donga vatana fa botry saina. / Mahatsangy no ary (jer. Tsangy). ? h,o.: Enti-milaza ny zanaka izay tsy miankina amin'ny ray amandreniny intsony no sady mahavelo-maso ny voninahitr' izy ireo koa. Ahitsio
Ary
[admin]
: a.: Taova iray tarika amin' ny mosavinkena ka mandevona ireo faikafaika avy amin'ny fiasan'ny tena entin' ny ra ao aminy. Ahitsio
Ary
[admin]
: ppt.: Entina mampitohy ny anarana na ny mpamaritra anarana na ny matoanteny voalaza farany amin'ireo eo aloha raha ohatra ka misy maro voatanisa: Ny akoho sy ny vorona ary ny ondry./ Vizana sy reraka ary kivy irahay nony tafaverina tsy na-haro na inona na inona. / Mihinana sy misotro ary mandihy. • Mampitohy fehezankevitra na fehezanteny anankiroa: Miteny ny mpampianatra ary mihaino ny mpianatra • Mampitohy ny fehezankevitra farany amin'ilay voalohany amin'ny ady lojika: Manidina ny vorona rehetra, ary vorona ny akoho, koa amin'izany man?dina ny akoho, Ahitsio
Ary
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza toerana sady tsy hita no lavitra: Ar? andrefan'ny sekoly no mipetraka izahay. Ahitsio
Arezatra
[admin]
: (rezatra) mt. at. (arezato): Avoaka amin'ny rezatra. • h.o.: (teny) Avoaka, aalefa, atao noho ny hatezerana. Ahitsio
Arezareza
[admin]
: (rezareza) mt, at. (arezarezao): Ampandehanina miadana dia miadana; ampijoroana, asaina mijoro. Ahitsio
Arevo
[admin]
: (revo) mt. at. (arevoy): Alentika ao anaty raharaha, fahasahiranana. Ahitsio
Arevaka
[admin]
: (revaka) mt. fit. (arevaho); Entina mandrevaka, mampihaingo: Inona no harevaka ny tranontsika, rankizy? Ahitsio
Aretsidretsika
[admin]
: (retsidretsika) mt. at. (aretsidretaeho): A-tao mandre volivoly. ¶ M.h.: retsidretsehina. Ahitsio