Teny nampidirina farany

Arehitra
[admin]
: (rehitra) mt. at. (areheto): Atao mirehitra, atao misy lelafo: Aza arehitra ny jiro fa mbola mazava. Ahitsio
Arefotra
[admin]
: (refotra) mt. at. (arefoty): Apoaka, atefoka. Ahitsio
Arefy
[admin]
: (refy) mt, fit. (arefeso): Entina mandrefy, ampiasaina mba handrefesana. Ahitsio
Arefarefa
[admin]
: (refarefa) mt, at. (arefarefao): Atao mitaritarika amin'ny tany: Aza arefarefa ny lambanao. Ahitsio
Arefaka
[admin]
: (refaka) mt, at. (arefaho): Atao mitaritarika mifaf a amin'ny tany. Ahitsio
Aredona
[admin]
: (redona) mt. at. (aredony): Atao miredona tsara; atao indray miaraka tsars. Ahitsio
Arediredy
[admin]
: (rediredy) mt, at, arediredeo): Asaina mirediredy, miteniteny foana. Ahitsio
Aredareda
[admin]
: (redareda) mt, at. (aredaredao): Atao miredareda, mirehitra misy lelafo be. Ahitsio
Aredaka
[admin]
: (redaka) mt, at (aredaho): Atao miredaka, midedaka, midedadeda. Ahitsio
Areboka
[admin]
: (reboka) mt, fit. (arebohy): Enti-milaza izay zavatra hanina an-kisesy, abosibosika; atao be am-bosika, Ahitsio
Arebireby
[admin]
: (rebireby) mt, at. (arebirebeo): Avezika atsy avezika aroa: Narebirebin-d-Rakoto ny zanany. ~ Adalaina, fitahina: Tsy azonao arebireby aho. Ahitsio
Arebareba
[admin]
: (rebareba) mt. cit.; (arebarebao): Atao mirebareba, mitaritarika ila hikasika ny tany. Ahitsio
Arebaka
[admin]
: (rebaka) mt, fit.: Enti-milaza izay mahatonga ho rebaka, ho reraka. Ahitsio
Arebaka
[admin]
: (rebaka) mt. fit.: Enti-milaza ny akanjo entina mirebaka, na mihaingo. Ahitsio
Arazorazo
[admin]
: (razorazo) mt. at. (arazorazoy): Ahantona, akiraviravy mova tsy ho latsaka. Ahitsio
Aravona
[admin]
: (ravona) mt, at. (aravony): Atao mitovy tantana: Tokony haravona ny tany alohan'ny hanorenana trano. ~ h.o.: Ampitovina; zaraina mba hitovy tsy hisy kely sy lehibe: Tokony haravona daholo hono ny haren'ny olona rehetra, hoy ireo mpandinika sasany momba ny fitantanan-karenam-bahoaka Ahitsio
Aravoravo
[admin]
: (ravoravo) mt. fit. (aravoravoy): Entina marnalifaly, mandoka. Ahitsio
Araviravy
[admin]
: (raviravy) mt. at. (araviravbzo): Ahantona eo ambony, akirazorazo: Aza araviravy eo ireo lamba ireo. Ahitsio
Aravaka
[admin]
: (ravaka) mt. fit. (aravaho): Entina mandravaka: Raozy sy lisy aravaka ny latabatra hisakafoan'ny mpanambady. Ahitsio
Aratra
[admin]
: a: Anaran-kafa iantsoana ny elektrlsite. Ahitsio