Teny nampidirina farany

Arakorako
[admin]
: (rakorako) mt. at. (arakorakoY ): 07010) Mao mirakorako, tsy hogoina na bangoina na randranina. Ahitsio
Arakaraka
[admin]
: ppk.: Mifanentana amin'ny: Tokony hatao arakaraka ny fidiran'ny vola ny fandaniana azy. a Arakaraka ny zaza maty ny lambamena na ny haren-kiala: Atao mifanentana amin'ny halehibe na hasarobidin'ny zavatra ny vola lanina amin'ny fikarakarana azy; / Arakara-tarehy voa-javatra: matetika ny endrika aman-tarehin'ny zavatra et$ ivelany mifanentana amin'ny nanamboarana azy, fa tsy misy zavatra ratsy voatra akory nefa tsara tarehy. Ahitsio
Arakarâka
[admin]
: (rakaraka) mt. at. (arakarakao): Ahaha ka atao toa misaritaka: Aza arakaraka toy izao ny volonao. Ahitsio
Araka
[admin]
: ppk.: Enti-milaza fifanarahana, fifandraikana amin-javatra iray, fitovitoviana: Vonona hanao araka ny teninao aho, ry dada. Hovaliana araka ny nataontsika avy isika. ra F,-p: Araka afo; haingana dia haingana, miaraka amin' ny vava, miaraka amin'izay: Ataovy araka afo ny fitakiana ny trosanao fa tsy ho azonao intsony iny raha angatahanao andro; / Ara-kaizina, araka aloka: fomba fanaon' ny jiolahy hitadiavany ny maizimaizina lalandava hanafenany ny ratsy vitany; / A-ra-jaza: fanarahana zaza efa nofandrihana mialoha fa hobeazin'ny tena; / Ara-joky: arakaraka ny fizokiana; / A-ra-miritra: enti-milaza olona maty an-drano teo am-pamonjena olon-kafa maty andrano, na olona nirahina hanaraka iraka hafa tsy mbola niverina; / Ara-keviny: tsy a-tao maty paika fa araka ny vinavina tokony ho izy fotsiny: Tsy misy mizana fa ataovy ara-keviny fotsiny eo ny fizarana ny hena. / Arakevitra: atao mifanaraka amin'ny: Ara-kevitry ny andro niasana no hanomezana ny karama; / Ara-dova: ady fanarahana lova; / Ara-dreniny: ny fitambaram-peo-naoty maro atao amin'ny zavamaneno. Ahitsio
Araka
[admin]
: ft.: milaza fiarahana, firaisan-kevitra, firindrana amin'izay atao, fitakiana zavatra sy fanaraha-maso, - t.i.f.: Arahina, voaraka, tafaraka j manaraka, fanaraka, mpanaraka/ anarahana, fanarahana 1 miaraka, fiaraka, mpiaraka ) iarahana, fiarahana. Ahitsio
Arajaraja
[admin]
: (rajaraja) mt. at. (argiarajao): Atao avo, manerinerina. Ahitsio
Araingitra
[admin]
: (raingitra) mt. at. (araingeto): Asaina entina. Ahitsio
Araingy
[admin]
: (raingy) mt, fit. (araingeo): Ampiasaina mba hahazoana afo, Ahitsio
Araikitra
[admin]
: (raikitra) mt. at. (araiketo): Apetaka mba tsy hiala, tsy hihetsiketsika: A-raiketo amin'ny rindrina it? sary it~. Araiketina ny varabarana fa hetsiketsehin'ny riuotra. 1 h. o. : Araiketo ao antsaina tsara izany anatra izany. 1 Tapahina, vitaina, faxa-nana: Aoka haraikitra amin' izay it? raharaha ity fa efa nitarozaka ela loatra. Ahitsio
Araikiraiky
[admin]
: (raikiraiky) mi; at. (araikiraikeo): Adaladalaina: Naraikiraikiny ny zana-dRakoto ka lasa nanaraka azy , Ahitsio
Araika
[admin]
: (raika) mt, at. (araikeo, na areho): Arona, atongilana, atao mihilana fa tsy mijoro mahitsy: Aza araika miankavia ny lohanao. Ahitsio
Arahona
[admin]
: (rahona) mt. fit. (arahony): Entina mandrahona. Ahitsio
Arahina
[admin]
: (araka) mt, ih. (ara-ho): Iarahana mandeha avy eo aoriana, zohina: Narahin' ilay alika kely hatrany ambavahady izy. ~ Atao, tanterahina: Araho izay torohevitra homeny anao. 1 Alaina tahaka: Mahagaga ity zaza i• t? fa arahiny izay rehetra ataon-drainy. • Tandremana: Tsy narahinao ny lalàna ka hosazina ianao. 1 Takina: Ny lova tamin'i Dadanay ihany no arahinay fa tsy inona akory, Ahitsio
Arahana
[admin]
: (rahana) mt. at. (arahano): Atao mangotraka, mandevy, miketrika. Ahitsio
Arahabaina
[admin]
: (arahaba) mt. ih. arahabao): Tolorana arahaba: Arahabao ny olon-dehibe fantatrareo, rankizy. ~ Deraina: Noarahabain'ny namany izy tamin'ny izy nahazo voalohany. ~ Omena fixarian-tsoa: Raha vao nivoaka ny eglizy, dia noarahabain' ny havany ireo mpivady vao. Ahitsio
Arahaba
[admin]
: a.: Fomba anehoana ny fanajana olona raha vao mifankahita aminy voalohany: Raha vao vita ny arahaba dia nitarika ny resaka ingahy Rabetrena ? Teny enti-milaza fiderana olona iray noho ny soa azony na zava-dehibe vitany: Nitomandauana nanaraka ny arabe ny olona nanolotra ny arahaba an'ilay vao nahazo ny fahaleovan-tena ho an'ny Nosy. - t.i.f.: Arahabaina, voarahaba ( miarahaba, fiarahaba, mpiarahaba j iarahabana, fiarahabana / maharahaba, mifampiarahaba. - F. -p: Ireto avy ny teny fiarahabana teo amin'ny Ntaolo: Raha misy teraka: Arahaba nomen'Andriamanitra ny Tara; raha misy mampaka-bady: Arahaba nahazo tokantrano; raha narary ka sitrana soa aman-tsara: Arahaba sitran'ny teritery nanjô; raha nisy tonga avy lavitra: Arahaba tonga soa; raha tojo ny taom-baovao: Arahaba tratran'ny taona na Arahaba ho arivo tratran'ny taona; raha nisy saika niharan-doza ka voavonjy soa aman-tsara: A-rahaba tsy maty fo aman'aina na Arahaba nieren'ny loza amin'antambo; raha nisy vehivavy afa-jaza: Arahaba tsy nanao takalo kely; raha nisy naharesy an'ady amin'ny fitsarana: Arahaba nahazo ny rariny; raha nisy fisondrotam-boninahitra: Arahaba nahazo uoninahitra; raha nisy olona nampinomina ka velona soa aman-tsara: Araha ba nomen'Andriamanitra ny hitsiny; raha nisy hasoavanjaza, ny olona rehetra dia tsy nifanao akory fa nosoloana hoe: Arahaba ririnina 2! Ahitsio
Arafitra
[admin]
: (rafitra) mt. at. (arafeto): Araikitra, ampiadina, apetaka. Ahitsio
Arafy
[admin]
: a.: Zavamaniry mampanolatra fery ny hodiny rehefa avy tenehina (Commiphora arafy)• Ahitsio
Arafandrafana
[admin]
: (rafandrafana) mt. at. (arafandrafano): Taitairina, atao mivadi-po. Ahitsio
Arafana
[admin]
: a: Fisotro karazan'ny betsabetsa. Ahitsio