Teny nampidirina farany

Aradraradraina
[admin]
: (radraradra) mt, at. (aradraradrao): Antsointsoina, lelalelaina: Aradraradraina hatraiza hatraiza ankehitriny ny fahadiovana. Ahitsio
Arado
[admin]
: (rado) mt. fit. (aradoy): Enti-milaza ny rado entina mampihaingo, ampanaovina ny olona: Ilay vakana lafo vidy no naradon-dreniny azy. Ahitsio
Aradarada
[admin]
: (radarada) mt. at. (aradaradao): Asaina miradarada, avala hiradarada, hirediredy. Ahitsio
Arabo
[admin]
: (fr. Arabe) a,: Ny firenena monina amin'ny tanin' i Arabia (Arabia Saodita, Yemenina, Omanina, Koeity, ny nosy Barenina ary Katara): Hatramin'ny fahagolantany no efa nifandrafy ny A-rabo sy ny Israelianina. • p.t.: Mikasika an'i Arabia, an'i Arabia na avy any Arabia: Misimisy ihany ny teny arabo tafiditra amin'ny teny malagasy. Ahitsio
Arabe
[admin]
: a.: Lalana lehibe. - F,-p:Manaraka ny arabe: Enti-milaza asa be dia be. Ahitsio
Arabaraba
[admin]
: (rabaraba) mt. at. (arabarabao): Asaina manao tsy am-piheverana. Ahitsio
Arabaka
[admin]
: (rabaka) mt. at. (arabaho): Atsofotsofoka aminkasahiana. Ahitsio
Apotsitra
[admin]
: (potsitra) mt. fit. (apotsiro): Entina mamotsitra, mamaky (na vay izanY, ohatra, na zavatra afenina). Ahitsio
Apotsiatra
[admin]
: (potsiatra) mt. at. (apotsiaro): Avoaka atao mifantsitstra:Nitso-drano anay i Dadabe ka toy izao no nataony: nasiany rano tao ambauany dia napotsiatrany teny aminay. Ahitsio
Apotsaka
[admin]
: (potsaka) mt. at. (apotsahy na apotsaho): Alana, esorina hiala amin'ny toerany: Apotsaka ny maso mba hitsaboana azy. • Aroso mivoaka: Napotsany ny molony dia lasa izy. Ahitsio
Apotraka
[admin]
: (potraka) mt. at. (apotrahy na apotraho): Azera, aongana. Ahitsio
Apotikana
[admin]
: (potikana) mt. at. (apotikano): Asaina mipatikana, mihataka tsisy mahita. Ahitsio
Apostoly
[admin]
: (lat. apostolus) a.: I-reo mpianatry ny Tompo roa ambin'ny folo. Ahitsio
Apostà
[admin]
: (fr. apostat) a.: Tolly enti-milaza ny katolika vita batemy izay nanary tanteraka ny flnoany. Ahitsio
Aposaka
[admin]
: (posaka) mt, at. (aposaho): Aseho rahefa avy nafenina tsy ho hitan'ny be sy ny maro: Naposany ilay porofo ka gaga daholo ny olona rehetra. • Ambara: A-posaho ny heuitrao fa mihaino izahay. Ahitsio
Aporotsaka
[admin]
: (porotsaka) mt. at. (aporotsahy): Alefa midi-na, atambotsotra: Aza aporotsaka tahaka izao ao an-damosinao ny zazakely. • Arotsaka: Aporotsaho ny vola fa aza mody maty eo. Ahitsio
Apororoatra
[admin]
: (pororoatra) mt. at. (apororoaty): Fenoina a-tao misy mihoatra • Asaina mandeha rodobe. Ahitsio
Aporofo
[admin]
: (porofo) mt. fit. (aporofoy): Entina manaporofo, manamarina: Tsy misy zavatra azonao aporofo fa izy no namono ilay olona. Ahitsio
Aporoatra
[admin]
: (poroatra) mt at. (aporoaty): Atao feno mihoa-pefy. Ahitsio
Aporitsaka
[admin]
: (poritsaka) mt. at. (aporitsaho): Avala maniera. hikorotsaka: Iny nisy vola ariary zato naporitsany auy tany anaty lambany. • Avala handositra. Ahitsio