Teny nampidirina farany

Aompa
[admin]
: (ompa) mt. fit.: Entimilaza ny olona anozonana hifotitra amin'ny tena: Ny anabauiny mihitsy no naompany azy. Ahitsio
Aombotra
[admin]
: (ombotra) mt, fit. (aomboty): Entina manongotra, manala amin-kery: Tandramokitra no naombotra ilay fantsika Leva afaka. Ahitsio
Aombona
[admin]
: (ombona) mt. at. (aombony): Asaina akambana amin'ny hafa. Ahitsio
Aombika
[admin]
: (ombika) mt.fit. (aombiho): Entina manombika, maka potipotiny na silatsilany kely: It? antsy kely i-t? aombika ny hena. Ahitsio
Aomba
[admin]
: (omba) mt. at. (aombano): Asaina momba na amporisihina homba (antoko na olona iray): Rakoto no naombany ny antokonay. Ahitsio
Aomana
[admin]
: (omana) mt. at. (aomano): Omanina, atao vonona. Ahitsio
Aolotra
[admin]
: (olotra) mt. at. (aolory): Akaikezina. Ahitsio
Aolonolona
[admin]
: (olonolona) mt.at. (aolonolony): Ahataka, avahana. Ahitsio
Aolo
[admin]
: p. t.: Tsy misy olona, tsisy mponina: TanĂ na aolo. Ahitsio
Aolilolo
[admin]
: a.: Zavamaniry mampandositra ny bibikely toy ny parasy, hao, sns (Croton meridionalis). Ahitsio
Aolika
[admin]
: (olika) mt.at. (aoleho): Atao tonga mivilivily, misafelipelika. Ahitsio
Aoly
[admin]
: (oly) mt.at.: Atao miolikolika. Ahitsio
Aolana
[admin]
: (olana) mt. at. (aolano): Ahodina ny ilany miankavia, ny ilany miankavanana: Aza aolana ny tanako fa maharary. ~ Atao mifadiditra. Ahitsio
Aolaka
[admin]
: (olaka) mt.at (aolahy na aolaho): Avily, asafelika; atao mibiloka. Ahitsio
Aokalahy
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody aretin'ny fantson'ny filahiana ny hodiny (Neotina isoneura). Ahitsio
Aoka
[admin]
: t.p.: Enti-mampitsahatra na mampijanona asa na zavatra: Aoka izay ny tabataba! p.mt.: miaraka amin'ny ho: Enti-mitaona na mitarika hanao asa na hanan-toetra toy izao na toy izao: Aoka ho malina fatratra isika. - F.p.:Aoka izany: izaitsizy: Mafy aoka izany it? hena Ahitsio
Aoitra
[admin]
: (oitra) mt. fit. (aoiro): Entina manainga: 10 bara vy io aoitra ilay uato. Ahitsio
Aohatra
[admin]
: (ohatra) mt. fit. (aohary): Akana refy, andrefesana: Ity kofehy ity aohatra ny lohanao. Ahitsio
Aogositra
[admin]
: (angl. august) a.: A-naran'ny volana fahavalo amin'ny taona, misy andro 31 Ahitsio
Aofana
[admin]
: (ofana) mt. at. (aofano): Atsoboka ao anaty rano na diloilo mangatsiaka rehefa avy nodorana mba ho tonga mafimafy kokoa; hamafisina, Ahitsio