Teny nampidirina farany

Antsantsa
[admin]
: a.: Trondron-dranomasina lava vatana sady matanjaka no masiaka - indrindra ireo karazany antonontonony - ka atahoran'ny olona izaitsizy, fa ireo lehibe kosa, izay mety mahatratra hatramin'ny 15 m. ny halavany, dia maro mpihaza fa mora be. Ahitsio
Antsany
[admin]
: (t.tr.) ppt. feh.: Dieny, dieny mbola. Ahitsio
Antsangorina
[admin]
: (antsangory) mt. ih. (antsangorio): Atao antsangory: Mitomany hoantsangorina foana io zaza io. Ahitsio
Antsangory
[admin]
: a.: Enti-milaza fitondrana olona eo an-tsoro-I ka ka ny fen'ilay entina mikiraviravy ny iray an-kavia, ny iray an-kavanan'ny lohan' ilay mitondra. Ahitsio
Antsangaina
[admin]
: (antsanga) p. t.: Enti=milaza ny tany izay avela ho rakotry ny fasika, tany, antsanga. • H. o.: Resaka asafotofoto amin'ny adihevitra tsisy farany. Ahitsio
Antsanga
[admin]
: a.: Tany na fako entin'ny riaka na ny rano ka miangona be. - F.-p.: Antsanga tsy aman' orana: zavatra tsy misy antony. Ahitsio
Antsampy
[admin]
: ft.: Fiantsamborana, fisavihana amin'ny... - t.i.f.: Tafantsampy, 1 miantsampy, fiantsampy, mpiantsampy 1 iantsampazana, fiantsampazana 1 mahatsampy Ahitsio
Antsamotady
[admin]
: a.: Tady voarandrana atao fandefasana vato amelezana: tokony ho roa metatra eo ho eo ny halavany ka eo afovoany, amin'ny fisasahany, izay atao hoe foitr'antsamotady no ametrahana ny vato; ny ilan'ny antsamotady dia atao miforitra a. min'ny ankikely, fa ny tendrony iray kosa izay atao hoe tsapok'antsamotady dia mivaha tsy misy mitana azy mba hahafahan'ilay vato miantoraka amin'izay kendrena hasiana. Ahitsio
Antsambotra
[admin]
: a.: Fitsambikimbikina, fisavoamboana. - t.i.f.: Tafantsambotra 1 miantsambotra, fiantsambotra, mpiantsambotra 1 iantsamborana, fiantsamborana f mahantsambotra. Ahitsio
Antsalina
[admin]
: (antsaly) mt. ih. (antsalio): Hiraina amin'ny feon'ny antsaly. Ahitsio
Antsaly
[admin]
: a.: Karazam-borona toa angano ihany malaza ho tsara feo aoka izany.l Feonkira ritsohina amin'ny valiha; hira mitoreoreo. Ahitsio
An-tsakany sy andavany
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza fahalavorarian-javatra na fanaovan-javatra tanteraka, izany hoe vita tsara amin'ny lafiny rehetra, amin'ny sakany sy ny lavany: Nahavita an-tsakany sy an-dauany ny adidiko amin' ireto kamboty ireto aho. Ahitsio
Antsakaina
[admin]
: (tsaka), mt.ih. (antsakao): Tovozina any andoharano: Rano madio no nantsakaiko anikeheo ka mahagaga fa toa naloto tao anaty siny fotsiny tao ilay izy. Ahitsio
Antsaina
[admin]
: (antsa) mt ih (antsao): Anaovana hira fiderana miaraka amin'ny zava-maneno toy ny angaroa...: Noantsaina ny mpanjaka niverina auy niantafika. Ahitsio
Antsahabeny
[admin]
: a.: Ankabeazany Ahitsio
An-tsafelika
[admin]
: p.mt.: Tsy mivantaha, miolaka. Ahitsio
Antsafaina
[admin]
: (antsafa) mt. ih. (antsafao): Anontaniana toepahasalamana; anontaniana momba ny zavatra efa fantatra rahateo: Nahoana no antsafainao momba izany aho, nefa efa fantatrao tsara ny momba izany? Ahitsio
Antsafa
[admin]
: a.: Fanontaniana toepahasalamana na toetoe-javatra: Aorian'ny arahaba no matetika atao ny antsafa. 1 Fanontaniana zavatra efa fantatra rahateo, nefa mba tiana h ofotop otorana. - t.i.f.: Antsafaina, voantsafa I manantsafa, fanantsafa, mpanantsafa f anantsafana, fanantsafana f mahantsafa. Ahitsio
Antsa
[admin]
: a.: Hira fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka na fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika. - t.i.f.: Antsaina, voantsa / miantsa. fiantsa, mpiantsa I iantsana, fiantsana I mahantsa. Ahitsio
Antrendry
[admin]
: a.: Zavamaniry fianakavian'ny paimie maniry amin'ny tany mafana ary misy voany fihinana tsara. Ahitsio