Antrebotrebony [admin] | : | p.mt.: Foana, tsy misy antony: Novonoina antre botre bon y. Ahitsio |
Antra [admin] | : | o.: Alahelo, fangorahana, fitserana, fihetseham-po te-hamonjy na hanampy: Lehi?ahy be antra iny lasa iny! • p. t.: Fatra-pangoraka, fatra-pihetsi-po mahita ny fahorian'ny hafa: Antra olona iny uehivauy iny fa tsy mitsahatra ny manome zavatra an'izay mangataka aminy. i t. t.f.: Miantra, fiantra, mpiantra / iantrana, fiantrana 1 mahantra / fahantrana. Ahitsio |
Antoraka [admin] | : | ft.: Enti-milaza fiantsampazana. - t.i.f.: miantoraka, fiantoraka, mpiantoraka f iantorahana, fiantorahana. Ahitsio |
Antonta [admin] | : | na Antontany, a.: Zavatra mifanongoa: Antontam-bato. it p. mt.: Aza atao antontany toy izao ny vary fa merika ny andro ka tsy ho maina. Ahitsio |
Antonta [admin] | : | (tonta) p. t.: Voatomboka, notombohina. Ahitsio |
Antonona [admin] | : | p.t.: Ampy: Antonona azy ve io vary io? • Tsy kely tsy lehibe; tsy mafy tsy malefaka, mifanentana tsara: Izay vao antonona tsara ny hafanana. / Tsy antonona anao velively iny akanjo iny fa milobaloba aoka izany. • Sahaza, mifanaraka tsara: Tsy antonona anao io raharaha io fa ialao. Ahitsio |
Antoniny [admin] | : | Antonintoniny p. mt.: Tsaratsara, metimety ihany, tsy tsara tsy ratsy: Nanao ahoana ny fanadinanao? Antonintoniny. Ahitsio |
Antony [admin] | : | a.: Izay nahatonga zavatra iray: Tsy fantatro ny antony nandavany ny fangatahako. (Fanoratra koa ny hoe: ny anton'ny nandavany ny fangatahako). • Zavatra kendrena hotratrarina amin' ny asa iray na izay ilana zavatra iray: Ny taranaka no antony ilofosantsika amin'ny asa isan'andro. / Tsy fantatro ny anton'it? milina - F.-p.: antom-pivelomana: fototry ny fahazoana vola hivelomana, hohanina; / anton-draharaha: fototr'asa a-tao, Ahitsio |
Antongomby [admin] | : | a.: Karazana diamanga sahala amin'ny antsatoka (jer. it?), fa izy kosa tsy mba ny ombalahintongotra no mamely fa ny faladia. Ahitsio |
Antonery [admin] | : | a.: Filanjana entanat ka ny tendron'ny bao ihany no asiana entana dia atao andamosina. Ahitsio |
Antonera [admin] | : | (Tsm) a.: Fomba filanjana zavatra ka mitovy lanja tsara ny aloha sy ny aoriana. Ahitsio |
Antondraina [admin] | : | a.: Aretina ao amin'ny foto-tsofina avy amin'ny tevika tsy nety tsara. Ahitsio |
Antomotra [admin] | : | p.t. nap.mt.: Akaiky, tsy ho ela intsony: Efa antomotra ityr ny krismasy. • Akaiky dia akaiky, an-tsisiny, amorona, ambivitra: Antomotra loatra io vilia eo ambony latabatra io fa akisaho. ? F.-p.: Antomotra ohatra ny oron-tsaka: akaiky dia akaiky: Efa antomotra ohatra ny oron-tsaka it9 ny fonadinana. / Antomo-dava ohatra ny andro fandroana: enti-milaza andro iray malaza na mahafinaritra ao anatin'ny taona ka eritreretina foana, fa lasa ny eo dia ny manaraka indray no heverina hany ka toa akaiky foana no fiheverana azy. - t.i.f.: antomorina, voantomotra ) manantomotra, fanantomotra, mpanantomotra 1 anantomorana, fanantomorana. Ahitsio |
Antomorina [admin] | : | (antomotra) mt. ih. (antomory): Akekezina akaiky dia akaiky: Aza antomorinao io hady io. 1 Hafainganina, dodonana. Ahitsio |
Antoko [admin] | : | a.: Andiany, sokajiny iray: Antokôn-tafika. 1 Fikambanana voafaritra tsars hiavaka amin'ny hafa: Antoko politika. 1 h.i.: Mpiaraka na mpikambana miray amin'ny tena, mpiara-dia: Antokonay ry Ranona ireny. Ahitsio |
Antoka [admin] | : | a.: Fiantohana, izany hoe fanondroana zavatra ho solon'ny zavatra iray raha toa misy fahaverezany na fahasimbany it? faharoa: Tsara antoka ny famantaranandronao fa mandria ivohon'ny vato. f• Zavatra na vola izay tanana raha tsy voaloa ny vola nosamborina: Anto-bolan'olona io trano io ka tsy azonao vidina. 1 Andraikitra: Antokao raha tsy vita ara-pbtoana it? trano i-t?, • Adidy: Antoky ny ray aman-dreny ny fianaran-janany. - t.i.f.: miantoka, fiantoka, mpiantoka / iantohana, fiantohana. Ahitsio |
Antoanina [admin] | : | (antoana), mt. ih. (antoany): Omem-boninahitra sy haja: Antoanina sy anjoanina ianareo tonga manatrika eto, tompokolahy sy tompokovauy. Ahitsio |
Antoandro [admin] | : | a.: Enti-milaza ny fotoan'andro aorian'ny ma-raina ka hatramin'ny mitataovovonana (hatreo amin' ny 8 ka hatramin'ny 12 ora): Mifohaza, rankizy, fa efa antoandro ny andro. - F.-p.: antoandrobe: efa te-na antoandro ny andro (9-10 ora); / antoandrobenanahary: efa tena antoandrobe ny andro ka mibahaka aoka izany ny masoandro (11-12 ora). Ahitsio |
Antoana [admin] | : | ft.: Enti-milaza fanomezam-boninahitra sy haja na koa talantalana mifanao ambaratonga. i t,i. f.: antoanina, voantoana ( miantoana / iantoanana, fiantoanana / manantoana, fanantoanana. Ahitsio |
Antitra [admin] | : | p.a. na a.: Be taona, e-la niainana: Efa antitra dia antitra i dadabe fa ila tsy afaka mandeha intsony. • Zavamaniry fihinana toy ny katsaka, tsaramaso, mangahazo... efa azo hanina, tonga amin'ny fotoana efa ahazoana mihinana azy: Efa antitra ireto mangahazo ireto fa hadio. ? (loko) Tsy matsora, fa matevintevina: Soloy manga antitra it? lambam-baravarankely • Lany andro, tsv fampiasa intsony: Efa lamaody antitra izany dihinareo izany, hoy i Koto tamindRainy. ¶ M.h.: Antitra, tranainy, goga, konka, golagoay. - F.-p,: Anti-panahy, antitsaina: entina hilazana olona manana toetra na fisainana hendry, matotra; / trara antitra: teny fiarahabana andriana fahizay ary mbola fampiasa koa ankehitriny rehefa hanao veloma mba ho firariana ho ela velona; / ny mamerina indroa manana ny an-titra: fitenenana enti-milaza fa ny fiverimberenan-javatra dia mety hahasoa (nalaina avy amin'ny fomba fandokoana lambamena izay handroina ao anaty rano-nato ka raha tiana ho antitra tsara ny lokony dia averina indroa indray izany). - t.i.f.: anterina 1 manantitra, manantitrantitra 1 miantitra, mifanantitra. Ahitsio |