Teny nampidirina farany

Antima
[admin]
: a.: Karazana varika mifandray indrindra amin'ny simpona. • H. o.: Olona ratsy tarehy aoka izany. Ahitsio
Antily
[admin]
: a.: Antokon-jatovolahy katolika anaty fikambanana iray manam-pitsipika mikendry ny hanampy ny namana mandrakariva amin'ny fanaovaria asa mahasoa ary mianatra ny hahay manavia manavanana. (Ny mifamaly amin' ny Antily, amin'ny antokom-pinoana protesta dia a-tao hoe Tily fotsiny). ~ Ahitsio
Antily
[admin]
: na Antilimbohitra a.: Antoko mpanao raharahampanjakana nisolo ny Sakaizambohitra (jar. it~) tamin' ny taona 1884 ka ankoatra ny raharahan'ireo nodimbiasany (fikarakarana ny fandriam-pahalemana) dia mbola niandraikitra indray ny fanoratana ny teraka, ny fanambadiana, ny maty sy izay rehetra fanaon'ny Tomponarivo tat? aoriana izy ireo. • Mpiambina na mpitsikilo. Ahitsio
Anterina
[admin]
: (antitra), mt. ih. (antero): Atao tonga antitra, hamafisina: Nanteriny er? ny fiteniny (Ny fampiasa matetika anefa dia ny teny verindroa antitranterina). Ahitsio
Antentona
[admin]
: a.: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra ny fakany (Phyllanthus asti-eu m). Ahitsio
Antenimiera
[admin]
: a.: Fivorian'olona vitsivitsy ao anatin'ny fikambanana iray mba hihevidraharaha. ¶ M.h.: komity. - F,-p.: Antenimieram-pirenena: anarana iantsoana ny fivorian'ny Solombavam-bahoaka, izany hoe ireo olona nofidin'ny vahoaka tamin'ny latsabato ho solontenany amin'ny famolavolana sy fanaovana lalàna. Ahitsio
Antendriahitra
[admin]
: a.: Lalao fifaninanana madinidinika toy izao: alaina ny tendron'ny ahitra roa ka terena eo anelanelan'ny fanondro sy ny ankibe; raha efa izany, dia ampifidianina izay halainy ny ankizy rehetra eo, na ny fanondro na ny ankibe; vahana amin'izay ny tanana ka izay nifidy ny rantsantanana iraiketan'ny ahitra no mahazo. Ahitsio
An-tendry
[admin]
: p, mt.: Ivelany fotsny. Ahitsio
Antenatena
[admin]
: ppk.: Enti-milaza toerana eo ampovoan'ny fiakarana na fidinana iray: Niverina nody izy na dia efa tonga teo antenatena lalana axa. • h.i.: Rihana tsy ambony na ambany indrindra: A-nontanio ao antenatenany fa ao izy no mipetraka. Ahitsio
Antenaina
[admin]
: (antena), mt. ih. (antenao): Inoana am-pitokiana: Antenaiko fa ho avy izy. • Ampoizina: Fandresena no nantenaintsika rehetra, hoy ilay mpitari-tafika, kanjo faharesena ity no hita. • Andrasana: Rakoto no nantenain'ny mponina kanjo Rabe no tonga. Ahitsio
Antena
[admin]
: ft.: Toky. - t.i.f.: antenaina ( mimante-na, fanantena, mpanantena ( anantenana, fanantenana. Ahitsio
Antehitra
[admin]
: ft.: Enti-milaza fiankinana,fitokianasy tohana. à Li. f.: miantehitra, fiantehi• tra, mpiantehitra j ianteherana, fianteherana. Ahitsio
Antehe
[admin]
: (Ski), a.: Ny ankavanan-dakana na sambo. (Ny mifanohitra aminy: ampiveza). Ahitsio
Antefa
[admin]
: ft.: Enti-milaza fianjerana fiantraikana, fidonana. - t.i.f.: miantefa, fiantefa, mpiantefa / iantefana, fiantefana. Ahitsio
Antaravelona
[admin]
: p. t.: Mangatsiaka tanteraka, mamanala aoka izany: Efa antaravelona it9 varinao fa ndeha re hano. Ahitsio
Anaranoana
[admin]
: p.mt.: Mandrakizay doria alaovalo. Ahitsio
Antara
[admin]
: (t.tr.) a.: Dobo lalina sady mangatsiaka izaitsizy. - F.-p.: antaravelona (fer. io teny io). Ahitsio
Antanosy
[admin]
: a.: Foko lehibebe arpin'ny tendron'ny Nosy atsimo atsinanana indrindra; voalaza ho taranaky ny Arabo koa ny Antanosy, toy ny Antaimoro, fa niely tarnin' ireo nosy madinika manodidina; ny tany onenany betsaka indrindra ankehitriny dia eo anelanelan'i Masihanaka sy Mandrare; renivohiny: Tolaiiaro. Ahitsio
Antanona
[admin]
: a.: Fahantomotra, toetran'ny zavatra mitatao akaiky dia akaiky. i t, f. f.: Manantanona, fanantanona. Ahitsio
Antankarana
[admin]
: a.: Foko kely amin'ny tendrony avaratr'i Madagasikara, izay mitoetra amin'ny tany manaraka ny tsipika tomandavana avy eo Ampasimena (andrefana) ka hatrany Vohemaro (atsinanana); mpiompy sY mPamboly ny Antankarana. Tanàn-dehibe: Antsiranana, Vohemaro. Ahitsio