Teny nampidirina farany

Antandroy
[admin]
: a.: Foko lehibebe amin'ny tendron'i Madagasikara atsimo indrindra mitoetra amin'ny tany voafaritry ny ony Menarandra, andrefana; Mandrare, atsinanana, ary ny havoana Vohimainty, avaratra. Ny anarany dia avy amin'ny hoe "androy", karazan-draketa be ranony, izay hany zavamaniry azo hanina amin'io tany ngazana sy maina mandavan-taona io. Tanàn-dehibebe: Ambovombe, Beloha. Ahitsio
Antambo
[admin]
: a.: Loza lehibe mahavoa antokon'olona maro: Trano folo no indray nirehitra! Tsy misy antambo ohatra izany! ? Zava-doza, zavatra hafahafa na zavatra mety hitondra fahavoazana: Inona indray it? antambo lazainao? a F.-p.: antambon'olona: olona tsy vanona; / loza amin' antambo: loza lehibe dia lehibe, fahoriana mihoa-pampana. Ahitsio
Antambahoaka
[admin]
: a.: Anaram-poko kely, lazain'ny lovantsofina ho taranaky ny Arabo ary mitoetra manaraka ny morontsiraka atsimo atsinanana anelanelan'i Sakaleona sy Namorona. Renivohiny: Mananjary. Ahitsio
Antamba
[admin]
: a.: Bibidia masiaka sahalahala amin'ny saka ary ~ fambara loza ny fahitana azy Ahitsio
Antalihazo
[admin]
: na Mafaikopaka a.: Zavamaniry tena poizina azo ampiasaina ho fampakarana ny tosidra ny hoditry ny fakany sy ny tahony, nefa mbola mila fanamboarana fa tsy atao amin'izao (Ranuolfia media). Ahitsio
Antalarano
[admin]
: (Tsm) a.: Karazan' androngo mivelona anaty rano. Ahitsio
Antaisaka
[admin]
: a,: Foko lehibe amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, monina amin'ny tany voafaritr'i Mananivo, avaratra; Itomampy sy Ionaivo, andrefana; ary lavibola, atsimo. Mizara ho zana-poko vitsivitsy ny Antaisaka, izay mitsinjara ho fianakaviana maromaro indray atao hoe kibory (/er, io teny io), Tanàndehiben'ny Antaisaka: Vangaindrano, Midongy atsim o. Ahitsio
Antaimoro
[admin]
: a.: Foko lehibebe amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, anelanelan'i Namorona sy Manampatra. Taranak'Arabo ny Antaimoro, malaza noho ireo soratra rakitry ny ela atao hoe sorabe (teny malagasy voasoratra amin'ny tarehintsoratra arabo) mitahiry ny tantarandrazany hatramin'ny nahatongavany teto amin'ny Nosy. Tanàn-dehibe: Vohipeno, Manakara. Ahitsio
Antaimanambondro
[admin]
: a.: Foko kely dia kely, atao koa hoe Antaivondro, manodidina ny ony Manambondro, anelanelan'Iavibolo sy Masihanaka, voalaza ho iray razana amin' ny Antambahoaka. Tanna foibeny: AmparihY. Ahitsio
Antaifasy
[admin]
: a.: Anaram-poko kely amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, monin amin'ny tany anelanelan'1 Manampatra sy Mananara atsimo, izany hoe latsaka eo afovoan'ny Antaimoro, avaratra, sy ny Antaisaka, atsimo; renivohiny: Farafangana. Ahitsio
Antafara
[admin]
: a.: Zavamaniry ampiasaina ho fampakarana tosidra ny hoditry ny fakany (Cabucala madagascariensis). Ahitsio
Antadiny
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry madinika, fihinana ny vodiny. Ahitsio
Anotra
[admin]
: ft.: Enti-milaza fanaovana dia miverina. - t.i.f.: voanotra / mianotra, fianotra, mpianotra / ianorana, fianorana. Ahitsio
Anonovina
[admin]
: na Ananovina (it9 faharoa no fampiasa kokoa), (anona) mt ih. (anonovy, ananouy): Atao toy izao na toy izao (tsy lazaina mazava ny fomba tiana hanaovana ilay zavatra, na noho ny hamaikana na noho ny tsy fitiavana hilaza mazava fotsiny): Ananouy kely ange io uarauarana io, ry Koto al Ahitsio
Anono
[admin]
: (nono) mt, at. (anono y): Atolotra hononoina. Ahitsio
Anongona
[admin]
: a.: Lalaon'ankizy izay manafin-javatra mba hozahana ao anaty korontandrotan-javatra mifanongoa sy miavosa na ao anaty vovoka. Ahitsio
Anonanona
[admin]
: ft. niavian'ny hoe mianonanona. Ahitsio
Anona
[admin]
: (Btl) a.: Omby antitra. Ahitsio
Anona
[admin]
: a.: Teny enti-manambara zavatra tsy lazaina anarana (na tsy tiana holazaina na hadino): Nankaiza ny anoko teto? - t.i.f.: mananona, mananonanona. Ahitsio
Anoloana
[admin]
: ppk. ary p. mt,: Enti-milaza toerana eo alohan'ny tena: Mijoro eo analoan'ny mpampianatra ny mpianatra (ppk.). Mipetraha eo anoloana ianao (p.mt.) Ahitsio