Teny nampidirina farany

Anoka
[admin]
: (t.tr.) a.: Teny enti-milaza fahiny ny ronono. - F,-p.: Akondro vidin'anoka: akondro atakalo ronono: enti-milaza zavatra roa samy tsara ifanakalozana ka tsy misy maty antoka na mahazo tombony, mitovy amin' ilay manao hoe: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. (Ny akondro sy ny ronono çlia samy hanina noderain'ny Ntaolo ary nataony ho tena fiadanana ny mihinana azy: Trano bongo misy ronono sarotm atao malahelo ary Raha samy voan-kanina ihany, dia aleo voan-kanina amin'ny akondro). Ahitsio
Anoina
[admin]
: (ano), mt. ih. (anoy): Atao: Ny tsy anoina no anoina. - F.-p.: Anoin-tsarotra: atao amin-kasahiranana: Hanointsarotra ny fanaovana it3 trano itj', satria ho avy izao ny orana. (Marihina fa mt. ih. ny anoina izay mitanisa: anoina, hanoina, nanoina ka diso bevava ara-pitsipika ny hoe manoina, izay ampiasain'ny maro amin'ny fiteny hoe mdnoin-tsarotra; ny tiany hampiasaina dia ny mt. p. mifanandrify aminy, dia ny hoe manano sarotra). Ahitsio
Anohina
[admin]
: (anoka) mt ih. (anohy): Atao miadana sy misononoka. Ahitsio
Anofela
[admin]
: (fr. apophèle) a.: Karaza-moka mahatonga ny tazo amin'ny fampidirany mikraoby hematozoera ao anatin'ny ran'izay voakaikiny. Ahitsio
Anoano
[admin]
: a: Karazam-bibikely lejribebe kokoa noho ny renitantely, misy elatra sy tandroka roa ary misy fofona maimbo miraikitra amin' ny tanna mamoriporitra azy, %noan0 a: Anjoanjo, vinany: Anoanon-keuitra. Ahitsio
Ano
[admin]
: ft.: Enti-milaza fanaovana asa na fikarakarana zavatra. i t.i.f.: anoina, anovina ) manano, fanano, mpanano / ananovana, fananovana. Ahitsio
An-kotsio-drivotra
[admin]
: p. mt.: A-min'ny toerana talaky rivotra. Ahitsio
Ankotrio
[admin]
: p. mt.: Mitovy amin' ny ankehitriny, saingy tsy fiteny amin'ny kabary na amin'ny lahateny fa amin'ny resaka andavanandro fotsiny ihany. Ahitsio
Ankotralahy
[admin]
: a.: Anarana niantsoana ireo miaramila mpiambina andriana tamin'ny andro malagasy fahizay; nibaby kotra mandrakariva izy ireo, nanao zovy manodidina ny rova ary niambina ny tanana sy nanaraka ny andriana rehefa nisy dia nalehany. Mazàna izy ireny no nanao akanjo mena, ka avy amin' izany no nahatonga ilay fitenenana manao hoe: Manalasala ohatra ny ankotralahy: arahabain-tsy andriana, attela miakanjo jaky, izay entina hilazana ny toe-javatra rehetra mahasanganehanehana. Ahitsio
Ankosotra
[admin]
: a.: Tentina ahosotra manify dia manify amin' ny zavatra iray mba hampahadera azy amin'ny fijerena: Ankoso-bolamena. Ahitsio
Ankona
[admin]
: p.a.: Ngoly: Ankon' ny hatsiaka aho. ~ Tsy mahateny tsy mahahetsika noho ny zavatra nanaitra na nampitahotra tampoka: Ankona izy nahita ilay biby. Ahitsio
Ankonjo
[admin]
: a.: Jar. Angoro. Ahitsio
Ankona
[admin]
: a,: Karazana bibilava lehibe. Ahitsio
Ankoma
[admin]
: (Btm) a.: Karazambibilava lehibe. Ahitsio
Ankohonohono
[admin]
: (t.tr.) a.: Resadresaka miely ankinina amin'ny honohono, sahoa. Ahitsio
Ankohonana
[admin]
: a.: Fitambaran' ny olona rehetra izay iadidiana ao anatin'ny tokantrano: vady aman-janaka, ray amandreny antitra, mpiasa, hava-na na zana-kavana mipetraka ao amin'ny tena. Ahitsio
An-kodivirana
[admin]
: na An-kodimirana p.mt: Eo am-piolahana, eo amin'ny fiviliana, amin'ny ilany miolaka amin' ny havoana, na ny tendrombohitra: Sakeli-dalana ankodimirana, ilaozy foana fa manahirana (Ny Auana). Ahitsio
Ankody
[admin]
: a.: Fomban-kilalao ilokana vola ka toy izao no fandehany: raha maty ilay milalao, dia very daholo ny efa ananany, fa raha mahazo kosa, dia tongavina roa heny ny vola napetrany. Ahitsio
An-kodahoda
[admin]
: p, mt.: (fihasimban'ny hoe "an-kodiadiatra" jar. Hodiatra) Enti-milaza toerana very any an-kebakeba-tany lavitra tsy misy mpahita Ahitsio
An-kobohobo
[admin]
: p.mt.: Miafina, an-tsokotsoko: Varotra ankobohobo: varo-maizina. Ahitsio