Teny nampidirina farany

Tsindroana
[admin]
: ft.: Fakana zavatra tsisy filaharana fa mbetika atsy mbetika aroa, tsiroaroa. - t.i.f.: Tsindroanina, voatsindroana 1 tsindroandroana 1 manatsindroandroana, fanatsindroandroana, mpanatsindroandroana 1 anatsindroandroanana, fanatsindmandroanana 1 mitsindroana, fitsindroana, mpitsindroana 1 itafndroandroanana, fitsindroandroanana f mahatsindroandroana. Ahitsio
Tsindrimpeo
[admin]
: a.: Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra. Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: renitsindrimpeo (tsindrimpeon'ilay reny teny farany: ankizy kely ma-ro); zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; tsindrimpeo fototra (tsindrimpeompototeny: levona); tsindrimpeo am-panovanana na nikisaka: levonina. Ahitsio
Tsindrimandry
[admin]
: a.: Fampidiran'Andriamanitra na ny Razana hevitra avy Aminy ao an-tsain'olona vonona handray azy avy araka izay fahaizany handray izany. Ahitsio
Tsindrika
[admin]
: a.: Fanafoana trano amin'ny herana. - t.i.f.: Tsindrihina, atsindrika, voatsindrika 1 manindrika, fanindrika, mpanindrika / anindrihana, fanindrihana I mahatsindrika. Ahitsio
Tsindrihina
[admin]
: (tsindrika) mt, ih. (tsindriho): Tafoana herana: Notsindrihinao angaha ny tranonao? Ahitsio
Tsindriandriana
[admin]
: a.: Karazandalao fanaon'ny ankizivavy kely misy solon'olona mivelona ao an-tokantrano, mitovy amin'ny hoe "Kindriandriana". Ahitsio
Tsindriana
[admin]
: (tsindry) mt. ih. (tsindrio): Terena avy ambony amin'ny lanjan'ny tena: Tsindrian-dRangahy ity lahy ny satroko! 1 Asiana zavatra mitambesatra aminy avy eo ambony: Tsindriana vato ny tsihy misy vary ahahy. / h,o.: Ampiana: Tsindrio roa lahy ireo mpiasa ireo raha tianao ho vita haingana ny raharaha. / Tonena: Tsindrio ihany ny fo indraindray mba tsy ho tezitra tafahoatra. - F.-p.: Tsindrian-daona: tsy mahapetraka fa dodona, mai-ka. / Tsindrian-javatra: toa misy fanahy manelingelina. Ahitsio
Tsindry
[admin]
: a.: Zavatra apetraka eo ambonin ny zavatra hafa: Tsindry akanjo. 1 Fanaingenana zavatra eo ambonin' ny zavatra hafa: Natao vato tsindry hahazana. 1 Fanampiana zavatra amboniny: Tsindrim-barotra. - t.i.f.: Tsindriana, atsindry, voatsindry, tsinindry, tafatsindry I manindry, fanindry, mpanindry 1 anindriana, fanindriana I mifanindry 1 mampifanindry 1 mampanindry 1 mitsindry, fitsindry / itsindriana, fitsindriana 1 mahatsindry. 1 tsindritsindry. ? F.-p.: Tsindry fe: fahiny, teny nilazana ny mpanompovavy nalain'ny tompony ho vady. / Tsindry hahazana: vato anindriana ny zoro efatry ny tsihy misy vary na zavatra hafa mihahy. / Tsindry hazo lena: (taloha) fanombotombohana, (ankehitriny) fanararaotan-kery sy fahefana handrombahana ankeriny ny fananan'ny madinika. / Tsindry ladina: fomba fampaniriana hazo izay folahana atao anaty tany ny tahony nefa tsy sarahana amin-dreniny, ary dia maniry faka ao. I Tsindry lahy: fampifangaroana vary samy hafa karazana. / Tsindry lany: enti-milaza zavatra iverenan-dava tsy misy farany. / Tsindry mandry: fahitàna an'eritreritra (noheverin'ny Ntaolo fa nanindry na niteny tamin'ny velona ny fanahin'ny olona efa maty). / Tsindrin-tsakafo: kaninkanina aorian'ny sakafo, toy ny voankazo izany, ans... I Tsindry varotra na tsindrim-barotra: zavatra atao fanampim-barotra mba hamalifaliana sy hanomezana fahafaham-po ny mpividy. / Tsindry hisatra: ilazana ilay fitaovana itsahana ho fampandehanana mora, na fampiatoana tanteraka ny fiara Ahitsio
Tsindretra
[admin]
: a.: Karazam-bibikely any anaty rano izay tonga angidina rehefa avy miofo fanindroany. (Toetra voalohany isehoan'ny angidina raha vao foy izany ny tsindretra alohan'ny hiofoany ho ondrindrano, izay hiofo ho te-na angidina). Ahitsio
Tsindraondraotra
[admin]
: a.: Bibikely madinika dia madinika fahita amin'ny akoho mikotrika. Ahitsio
Tsindrantsindrana
[admin]
: ft.: Enti-milaza ny toe-javatra tsy milamina, somaradimbana, mikorontana toy ny volo mitsangantsangana, mitsibolobolo. 1 Fihetsika mipelipelika, tsy mahapetraka fa manketsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana. - t.i.f• : Atsindrantsindrana, tafatsindrantsindrana 1 mitsindrantsindrana, fitsindrantsindrana 1 itsindrantsindranana, fitsindrantsindranana 1 mahatsindrantsindrana. Ahitsio
Tsindranolahy
[admin]
: a.: Vatan-dehilahy mahatoky ny Andria-na fahiny na tamin'ny tanjany na tamin'ny toetrany, ka nofidiny tamin'ny maro hiaro sy hiambina azy ary tsy nisaraka taminy mihitsy na taiza na taiza nalehany. Ahitsio
Tsindrano
[admin]
: a.: Karazam-balala any anaty rano izay mitomamotamo ny volony. * Ohab.: Tsindranolahy ankeniheny: ny tama-miray ihany no miray: ny mitovitovy toetra sy saina ihany no miaraka. ¶ M.h.: Izay miaraka amin'ny mpiasa dia mpiasa, izay miaraka amin' ny amboalambo dia amboalambo. Ahitsio
Tsindramy
[admin]
: a.: Hazo misy ditiny manitra. Ahitsio
Tsindraindray
[admin]
: p. mt.: Mahalana fa tsy misesy: Mba tonga mamangy anao aty ihany ve ny zanak'anabavinao? — Tonga tsindraindray izy. - F.-p.: Tsindraindray tadiavina: mahalana dia mahalana. Ahitsio
Tsindrahimany
[admin]
: a.: Karazankadradraka mivelona anaty rano ary maimbo. Ahitsio
Tsindrahaka
[admin]
: a.: Karazana kadradraka mivelona any anaty rano ka atao koa hoe "tsimahatafitena" raha mbola kely. Ahitsio
Tsindohaina
[admin]
: p. t.: Misa, na fan° tsindoha. Ahitsio
Tsjndoha
[admin]
: a.: Karazam-bay kely hita amin'ny hodi-doha noho ny loto. Ahitsio
Tsimdelo
[admin]
: a.: Karazan-kazo fanaovan-trano (Calophyilum). Ahitsio